“Esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy.”—KOL. 3:9.

HIRA: 121, 142

1, 2. Inona no voamariky ny olona momba ny Vavolombelon’i Jehovah?

OLONA maro no mahamarika fa miavaka isika Vavolombelon’i Jehovah. Izao, ohatra, no nolazain’ilay mpanoratra atao hoe Anton Gill, momba an’ireo rahalahy sy anabavy tany Alemaina tamin’ny andron’ny Nazia: ‘Ny Vavolombelon’i Jehovah no tena halan’ny Nazia. Efa 6 000 tamin’izy ireo no tany amin’ny toby fitanana, tamin’ny 1939.’ Nilaza anefa ilay mpanoratra fa na dia faran’izay nijaly aza izy ireo, dia ‘azo natokisana foana, tony foana, tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy, ary nifanampy foana.’

2 Voamariky ny olona sasany tany Afrika Atsimo koa fa miavaka ny vahoakan’i Jehovah. Tsy nahazo nifandray taloha ny Vavolombelona tany raha tsy mitovy volon-koditra. Nahafinaritra anefa ny nahita rahalahy sy anabavy samy hafa fiaviana niara-nivory, tamin’ny alahady 18 Desambra 2011. Nisy fivoriana manokana tamin’izay tao amin’ny kianja lehibe iray tany Johannesburg. Nisy 78 000 mahery ny mpanatrika, ary avy ao Afrika Atsimo sy avy any amin’ireo firenena hafa any akaiky any izy ireo. Nilaza ny iray tamin’ireo mpiandraikitra an’ilay kianja hoe: “Ianareo no nilamina indrindra tamin’izay olona rehetra  nampiasa an’ity kianja ity. Niakanjo tsara daholo ianareo, ary nodiovinareo tsara ilay kianja. Samy hafa fiaviana koa ianareo, dia izay no mahafinaritra indrindra.”

3. Inona no tena mampiavaka antsika?

3 Hita amin’ny zavatra lazain’ireny olona ireny fa tena miavaka ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. (1 Pet. 5:9) Inona anefa no tena mampiavaka antsika? Miezaka mafy miala amin’ny “toetra taloha” isika, ary manampy antsika hahavita izany ny Baiboly sy ny fanahy masin’Andriamanitra. Miezaka mafy ‘mitafy ny toetra vaovao’ koa isika.—Kol. 3:9, 10.

4. Inona no hodinihintsika ato, ary nahoana?

4 Tsy ampy anefa ny miala amin’ny toetra taloha. Mila mitandrina koa isika mba tsy hiverina amin’izany intsony. Hodinihintsika ato hoe ahoana no ialana amin’ny toetra taloha, nahoana no mila manao an’izany haingana isika, ary nahoana ny olona iray no afaka miova na dia efa tena zatra manao ratsy aza. Hojerentsika koa izay azontsika atao mba tsy hiverenana intsony amin’ny toetrantsika taloha, raha efa ela isika no tao amin’ny fahamarinana. Nahoana isika no mila mandinika an’izany? Tsy nitandrina tsara ny mpanompon’i Jehovah sasany, ka niverina nanao ny zavatra ratsy fanaony taloha, ary tsy manompo an’i Jehovah intsony. Isika rehetra mihitsy àry no mila manaraka an’ilay torohevitra hoe: “Izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.”—1 Kor. 10:12.

‘VONOY NY FIRONAN-DRATSY DIA NY FIJANGAJANGANA’

5. a) Hazavao amin’ny ohatra hoe nahoana no mila esorina haingana ny toetra taloha. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona avy no anisan’ny toetra taloha, araka ny Kolosianina 3:5-9?

5 Inona no hataonao raha maloto ny akanjonao sady maimbo mihitsy? Azo antoka fa hesorinao hoatran’ny tsy teo ilay izy. Tsy maintsy hovantsika haingana koa àry izay toetrantsika tsy tian’i Jehovah. Nilaza i Paoly hoe tokony hesorina daholo ny toetra sy fanao ratsy rehetra. Hiresaka roa amin’izany isika, dia ny fijangajangana sy ny fahalotoana.—Vakio ny Kolosianina 3:5-9.

6, 7. a) Inona no mampiseho fa mila miezaka mafy manala tanteraka ny fanirian-dratsy ao amintsika isika? b) Hoatran’ny ahoana ny fiainan’i Sakura taloha, ary inona no nanampy azy hiova?

6 Fijangajangana: Ny firaisana rehetra ataon’ny olona tsy mpivady ara-dalàna sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy no tiana holazaina amin’ilay teny grika nadika hoe “fijangajangana.” Hoy i Paoly tamin’ny mpiara-manompo taminy: “Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana.” Ilay teniny hoe “vonoy” dia midika fa mila miezaka mafy isika mba hanala tanteraka ny fanirian-dratsy ao amintsika. Mety ho sarotra izany, nefa azo antoka hoe ho vitantsika.

7 Manaporofo an’izany izay nitranga tamin’i Sakura, * ankizivavy any Japon. Nahatsiaro ho manirery izy sady tsy nahafinaritra azy ny fiainany. Nanomboka nanao firaisana tamin’olona maro izy, tamin’izy 15 taona, amin’izay tsy mahatsiaro ho manirery. Sady menatra izy no nitsotra hoe: “Intelo nanala zaza aho.” Hoy koa izy: “Rehefa nanao firaisana aho, dia hoatran’ny mba nahatsiaro hoe nilaina sy mba nisy mpitia. Tamin’ny voalohany ihany anefa izany. Vao mainka mantsy aho lasa nahatsiaro ho tsy nisy nilana azy, arakaraka ny nanaovako an’ilay izy.” Hoatr’izany foana ny fiainan’i Sakura hatramin’izy 23 taona. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, ary tiany ny zavatra nianarany. Nampian’i Jehovah izy  ka tsy nijangajanga intsony. Tsy nanamelo-tena be loatra intsony koa izy. Mpisava lalana izao i Sakura, ary tsy mahatsiaro ho manirery intsony. Hoy izy: “Mahatsiaro ho sambatra be aho satria tsapako isan’andro isan’andro hoe tia ahy i Jehovah.”

AHOANA NO IALANA AMIN’NY FANAO RATSY?

8. Inona no fanao sasany mety hahatonga antsika haloto eo imason’Andriamanitra?

8 Fahalotoana: Tsy ny fijangajangana ihany no tiana holazaina amin’ilay teny grika nadika hoe “fahalotoana.” Tafiditra amin’izany koa ny fanao ratsy, toy ny hoe mifoka sigara na manao vazivazy vetaveta. (2 Kor. 7:1; Efes. 5:3, 4) Anisan’ny fahalotoana koa ny zavatra ratsy ataon’ny olona rehefa tsy misy mahita izy, ohatra hoe mamaky boky manaitaitra ny filany na mijery sary vetaveta. Mety hahatonga azy ho zatra mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany mantsy izany.—Kol. 3:5. *

9. Inona no mety ho vokany raha manaitaitra ny ‘filan’ny nofony’ ny olona iray?

9 Vao mainka manaitaitra ny ‘filan’ny nofony’ ny olona iray raha mijery sary vetaveta foana. Mety hahatonga azy ho adalana firaisana izany. Hitan’ny mpikaroka fa misy itovizany amin’ny olona andevozin’ny toaka na rongony ny olona te hijery sary vetaveta foana. Tsy mahagaga àry raha misy vokany ratsy izany. Anisan’izany ny hoe enjehin’ny eritreritra, tsy mahavita miasa tsara, manana olana ao an-tokantrano, misara-panambadiana, ary mamono tena. Niezaka mafy tsy hijery sary vetaveta intsony ny lehilahy iray. Hoy izy rehefa nahavita tsy nijery nandritra ny herintaona: “Izao aho vao mahatsiaro tena ho mendrika.”

10. Inona no nanampy an’i Ribeiro tsy hijery sary vetaveta intsony?

10 Olona maro no mila miezaka mafy foana mba tsy hijery sary vetaveta mihitsy. Azo atao tsara anefa ny miala amin’io fahazaran-dratsy io. Manaporofo an’izany ny tantaran’i Ribeiro, any Brezila. Mbola ankizilahy izy tamin’izy niala tao an-tranony. Niasa tany amin’ny orinasa mpanodina taratasy tsy ilaina intsony izy, tatỳ aoriana. Nahita boky misy sary vetaveta foana izy vokatr’izany. Hoy izy: “Lasa nandevozin’ilay izy tsikelikely aho. Tsy andriko mihitsy aza izay handehanan’ilay vehivavy niray trano tamiko, mba hijerena video misy sary vetaveta.” Nijerijery antontana boky hopotehina izy indray andro, tany am-piasana, dia nahita an’ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Nalainy ilay izy dia novakiny. Lasa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy taorian’izay. Elaela anefa izy vao afaka tamin’ilay fahazaran-dratsiny. Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Nivavaka aho, dia namaky Baiboly sy nisaintsaina an’izay novakiko. Vao mainka aho lasa nahafantatra ny toetran’Andriamanitra, dia ny fitiavako azy no lasa mafy kokoa noho ny faniriako hijery sary vetaveta.” Nisy heriny teo amin’i Ribeiro ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina, ka nahavita niala tamin’ny toetrany taloha izy. Natao batisa izy ary anti-panahy izy izao.

11. Inona no tokony hataon’ny olona iray raha te ho afaka amin’ny fahazarana mijery sary vetaveta izy?

11 Mariho fa tsy hoe nianatra Baiboly fotsiny i Ribeiro dia afaka tamin’ilay fahazaran-dratsiny. Tsy maintsy nisaintsaina tsara an’izay novakiny tao amin’ny Baiboly izy, mba hahatonga an’ilay izy hanohina ny fony. Nila nivavaka koa izy. I Jehovah avy eo no lasa tiany kokoa ka tsy te hijery sary vetaveta intsony izy. Raha te ho afaka  amin’io fahazaran-dratsy io àry ny olona iray, dia tsy maintsy tia be an’i Jehovah sy mankahala ny ratsy.—Vakio ny Salamo 97:10.

ESORY NY FAHAVINIRANA SY NY FANEVATEVANA ARY NY LAINGA

12. Inona no nanampy an’i Stephen tsy ho mora tezitra sy tsy hanevateva olona intsony?

12 Manevateva ny hafa matetika ny olona mora tezitra rehefa mamoaka ny hatezerany. Tsy mahasambatra ny tokantrano izany. Hoy i Stephen, raim-pianakaviana any Aostralia: “Mpiteny ratsy be aho, ary zavatra tsisy dikany dia efa nampisafoaka ahy. Intelo nifampisintaka izahay mivady, ary efa teo am-pikarakarana divaorsa mihitsy.” Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy mivady. Inona no vokany rehefa nampihatra ny torohevitry ny Baiboly i Stephen? Hoy izy: “Nihatsara be ny fiainanay tato an-trano. Nanampy ahy i Jehovah, dia lasa tsy mora tezitra aho fa tony be sy milamin-tsaina. Taloha anefa aho hoatran’ireny baomba ireny. Vao misy zavatra kely mahasosotra ahy fotsiny, dia tonga dia mipoaka ny hatezerako.” Mpanampy amin’ny fanompoana izao i Stephen. Ny vadiny indray efa an-taonany maro no mpisava lalana maharitra. Nilaza ny anti-panahy ao amin’ny fiangonan-dry zareo hoe: “Tsy mora tezitra ny Rahalahy Stephen, sady mazoto miasa mafy sy manetry tena.” Mbola tsy nahita azy tezitra mihitsy, hono, ry zareo. Tsy nirehareha i Stephen hoe nahavita niova. Hoy kosa izy: “Tsy hahafinaritra hoatr’izao mihitsy ny fiainako raha tsy nanaiky nampian’i Jehovah aho mba hanova tanteraka ny toetrako.”

13. Nahoana no tena ratsy ny hoe tezitra? Inona no fampitandremana omen’ny Baiboly?

13 Rariny àry raha milaza ny Baiboly hoe tsy tokony ho tezitra na hanevateva na hilelalela isika. (Efes. 4:31) Lasa mahery setra matetika ny olona manao an’ireo. Mety tsy hampaninona ny olona eto amin’ity tontolo ity izany, nefa manala baraka an’ilay Andriamanitra namorona antsika. Olona maro no tsy maintsy niala tamin’ireo toetra ratsy ireo, izay vao afaka nitafy ny toetra vaovao.—Vakio ny Salamo 37:8-11.

14. Mety ho lasa malemy fanahy ve ny olona mahery setra?

14 Eritrereto i Hans, anti-panahy any Aotrisy. Nilaza ny anti-panahy mpandrindra ao amin’ny fiangonany fa “tena malemy fanahy be” i Hans. Tsy hoatr’izany anefa izy taloha. Lasa zatra nisotro toaka be izy tamin’izy mbola ankizilahy, ka lasa nahery setra. Mamo izy, indray mandeha, dia novonoiny ilay ankizivavy niarahany dia maty. Voaheloka higadra 20 taona izy vokatr’izany. Mbola nahery setra ihany i Hans na dia efa tany am-ponja aza. Nasain’ny mamany nitsidika azy tany, tatỳ aoriana, ny anti-panahy iray dia lasa nianatra Baiboly izy. Hoy i Hans: “Tena nila niezaka mafy aho vao afaka tamin’ny toetrako taloha. Nandrisika ahy hiova ny Isaia 55:7. Voalaza ao hoe: ‘Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany.’ Hoatr’izany koa ny 1 Korintianina 6:11. Misy teny ho an’ireo efa niala tamin’ny fanao ratsy ao, hoe: ‘Efa toy izany ihany ny sasany aminareo.’ Nanam-paharetana i Jehovah nanampy ahy nandritra ny taona maro. Nomeny fanahy masina aho dia lasa manana toetra vaovao.” Tamin’i Hans mbola tany am-ponja no natao batisa, ary nafahana izy rehefa avy namita sazy 17 taona sy tapany. Hoy izy: “Mankasitraka an’i Jehovah aho satria tena mamindra fo sy mamela heloka izy.”

15. Inona no fanaon’ny olona, nefa inona no lazain’ny Baiboly?

15 Anisan’ny toetra tokony hialana koa ny mandainga. Fanaon’ny olona, ohatra, ny tsy milaza ny marina rehefa handoa hetra. Maro koa no mandainga satria tsy te hizaka  ny vokatry ny fahadisoany. “Andriamanitry ny fahamarinana” kosa i Jehovah. (Sal. 31:5) Tiany ‘hilaza ny marina amin’ny namantsika avy isika tsirairay’, ary tsy ‘hifandainga.’ (Efes. 4:25; Kol. 3:9) Tsy maintsy milaza ny marina foana àry isika, na dia mety hampisy olana aza izany na mety hahatonga antsika ho afa-baraka.—Ohab. 6:16-19.

INONA NO NANAMPY AZY IREO?

16. Inona no hanampy antsika hiala amin’ny toetrantsika taloha?

16 Tsy ho vitantsika samirery ny hiala amin’ny toetrantsika taloha. Hitantsika teo fa tsy maintsy niezaka mafy i Sakura, Ribeiro, Stephen, ary Hans vao afaka tamin’ny fahazaran-dratsiny. Nahavita an’izany anefa izy ireo, satria navelany hanan-kery tamin’ny fony sy ny sainy ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina. (Lioka 11:13; Heb. 4:12) Inona àry no tokony hataontsika raha tiantsika hanan-kery amintsika koa ny Baiboly sy ny fanahy masina? Mila mamaky Baiboly isan’andro isika, misaintsaina an’izay vakintsika ao, ary mivavaka tsy tapaka mba hahay hampihatra ny torohevitry ny Baiboly sy hahavita hanao an’izany. (Jos. 1:8; Sal. 119:97; 1 Tes. 5:17) Mila manomana sy manatrika fivoriana koa isika. (Heb. 10:24, 25) Ilaintsika koa ny manararaotra tsara an’ireo fomba hafa anomezan’i Jehovah sakafo ara-panahy antsika.—Lioka 12:42.

Inona no hanampy antsika hiala amin’ny toetrantsika taloha? (Fehintsoratra 16)

17. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Hitantsika teo ireo fanao ratsy tsy maintsy hialantsika Kristianina sy tsy tokony hataontsika intsony mihitsy. Misy zavatra hafa mila ataontsika koa anefa raha te hahazo sitraka amin’i Jehovah isika. Tsy maintsy mitafy ny toetra vaovao foana isika. Handinika ny sasantsasany amin’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 7 Novana ny sasany amin’ny anarana ato.

^ feh. 8 Jereo ny toko 25 amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 1.