Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Aogositra 2017

Inona no Hanampy Antsika Hitafy ny Toetra Vaovao Foana?

Inona no Hanampy Antsika Hitafy ny Toetra Vaovao Foana?

“Tafio ny toetra vaovao.”—KOL. 3:10.

HIRA: 126, 28

1, 2. a) Nahoana isika no afaka manana ny toetra vaovao? b) Inona avy no anisan’ny “toetra vaovao” araka ny Kolosianina 3:10-14?

MIVERINA indroa ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny hoe “toetra vaovao.” (Efes. 4:24; Kol. 3:10) Toetra “noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra” izy io. Azontsika atao tsara ny manana azy io, satria noforonin’i Jehovah araka ny endriny isika ka afaka manahaka ny toetrany.—Gen. 1:26, 27; Efes. 5:1.

2 Marina fa nandova ota isika rehetra ka te hanao ratsy indraindray. Mety hisy vokany be amintsika koa ny manodidina antsika. Mamindra fo anefa i Jehovah, ka manampy antsika hanana an’ireo toetra tiany hananantsika. Anisan’izany ireo toetra maromaro antsoina hoe “toetra vaovao.” Handinika ny sasantsasany amin’izany isika ato. (Vakio ny Kolosianina 3:10-14) Ho tapa-kevitra ny hanana an’ireo toetra ireo isika amin’izay. Hojerentsika koa ny fomba ampisehoana azy ireo rehefa eny amin’ny fanompoana.

 ‘IRAY IHANY IANAREO REHETRA’

3. Inona no anisan’ny miavaka indrindra amin’ny toetra vaovao?

3 Nilaza i Paoly fa anisan’ny miavaka indrindra amin’ny toetra vaovao ny hoe tsy manavakavaka. Hoy izy: “Tsy misy na Grika na Jiosy, na voafora na tsy voafora, na hafa firenena, na Skytianina, na andevo, na tsy andevo.” * Tsy tokony hisy hihevitra àry eo anivon’ny fiangonana hoe tsara noho ny hafa izy satria hafa ny volon-kodiny, na ny firenena niaviany, na ny fari-piainany. Tsy misy ambony sy ambany mantsy ny mpanara-dia an’i Kristy, fa “iray ihany.”—Kol. 3:11; Gal. 3:28.

4. a) Inona no tokony hataon’ny mpanompon’i Jehovah? b) Inona no mety hahatonga ny Kristianina tsy hiray saina?

4 Raha mitafy ny toetra vaovao isika, dia hanaja ny olona rehetra, na mpiara-manompo izy na tsia ary na inona na inona volon-kodiny na fari-piainany. (Rom. 2:11) Mety ho sarotra ny manao izany any amin’ny tany sasany. Tsy navelan’ny fanjakana tany Afrika Atsimo hiara-monina, ohatra, taloha ny fotsy hoditra sy ny mainty hoditra ary ny metisy. Samy nanana ny faritra natokana ho azy izy ireo. Tian’ny Filan-kevi-pitantanana hiezaka hifankahalala bebe kokoa ny rahalahy sy anabavy any. (2 Kor. 6:13) Nomeny alalana hanao fandaharana manokana àry izy ireo, nanomboka tamin’ny Oktobra 2013.

5, 6. a) Inona no fandaharana atao mba hampiray saina kokoa an’ireo mpiara-manompo any Afrika Atsimo? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no vokatr’ilay fandaharana?

5 Ahoana no ataon-dry zareo any Afrika Atsimo? Manokana faran’ny herinandro hiarahana ny fiangonana roa mampiasa fiteny samy hafa na samy hafa fiaviana. Miara-mitory sy mivory izy ireo amin’izay, ary mifanasa hisakafo. Fiangonana an-jatony no efa nandray anjara tamin’ilay izy. Nisy vokany tsara izany, araka ny tatitra be dia be voarain’ny biraon’ny sampana any. Na ny olona tsy Vavolombelona aza nahita hoe tena tsara ilay fandaharana. Nisy pasitera nilaza, ohatra, hoe: “Tsy Vavolombelona aho, saingy hitako hoe tena voalamina tsara ny fitoriana ataonareo. Samy hafa volon-koditra koa ianareo nefa tena miray saina.” Ary ahoana no fahitan’ireo rahalahy sy anabavy an’ilay fandaharana?

6 Ao amin’ny fiangonana xhosa ny anabavy atao hoe Noma, ary tsotsotra ny tranony. Tsy nazoto hanasa an’ireo fotsy hoditra ao amin’ny fiangonana anglisy izy, tamin’ny voalohany. Rehefa niara-nitory tamin’izy ireo sy nasain’izy ireo tany an-tranony anefa izy, dia nilaza hoe: “Hoatr’anay ihany kay ry zareo!” Rehefa anjaran’ny fiangonana xhosa àry ny nandray ny fiangonana anglisy, dia nasain’i Noma hisakafo tany aminy ny sasany tamin’izy ireo, anisan’izany ny anti-panahy iray fotsy hoditra. Gaga be i Noma hoe tsy nampaninona an’ilay rahalahy ny nipetraka ambany kely, teo ambonin’ny fitoeran’entana kely plastika. Maro ny rahalahy sy anabavy lasa nana-namana vaovao, ary tapa-kevitra izy ireo hoe hiezaka foana mba hifandray amin’ny mpiara-manompo hafa tsy mitovy fiaviana aminy. Mbola mitohy ilay fandaharana hatramin’izao.

‘FANGORAHAM-PO SY HATSARAM-PANAHY’

7. Nahoana isika no tokony hangoraka foana?

7 Rehefa tsy misy intsony ity tontolon’i Satana ity vao tsy hisy intsony ny olana. Mety tsy hanana asa isika, harary mafy, hisy hanenjika, ho tra-boina, hisy haka an-keriny ny fananantsika, na mety hanana olana hafa isika. Tena ilaina àry ny mifanampy, ary ho vitantsika izany raha tena mangoraka isika. Ho tsara fanahy mantsy isika ka hanao zavatra ho an’ny hafa, raha tena mangoraka azy. (Efes. 4:32) Anisan’ny toetra vaovao ny  hoe tsara fanahy sy mangoraka. Hanampy antsika hanahaka an’Andriamanitra sy hampahery ny hafa ireo toetra ireo.—2 Kor. 1:3, 4.

8. Inona no ho vokany raha mangoraka sy tsara fanahy amin’ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana isika? Manomeza ohatra.

8 Mila miezaka isika mba ho tsara fanahy kokoa amin’ireo mpiara-mivory sahirana na avy any an-tany hafa. Ahoana no anaovana an’izany? Ilaina ny minamana amin’izy ireny. Ataovy tsapany koa fa tena ilain’ny fiangonana izy. (1 Kor. 12:22, 25) Nifindra tany Japon, ohatra, i Dannykarl, lehilahy iray avy any Philippines. Navakavahana izy tany am-piasana, fa tsy mba natao hoatran’ireo Japoney niara-niasa taminy. Inona anefa no nitranga rehefa nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy? Hoy izy: “Japoney ny ankamaroan’ny olona tao, nefa nandray tsara ahy daholo. Hoatran’ireny olona efa nifankahalala efa ela ireny izahay!” Tsara fanahy tamin’i Dannykarl foana ny mpiara-manompo, ka lasa nandroso izy. Natao batisa izy ary anti-panahy izy izao. Nilaza ny anti-panahy ao amin’ny fiangonany hoe sambatra be ny fiangonana manana an’i Dannykarl sy Jennifer vadiny. Hoy izy ireo: “Mpisava lalana izy mivady, ary tena tsotra ny fiainany. Tena ohatra tsara ry zareo, satria manao loha laharana an’ilay Fanjakana.”—Lioka 12:31.

9, 10. Milazà ohatra mampiseho fa hahita vokatra tsara isika raha mangoraka an’ireo olona itoriantsika.

9 ‘Manao soa amin’ny rehetra’ isika, rehefa mitory momba an’ilay Fanjakana. (Gal. 6:10) Be dia be ny mpitory mangoraka an’ireo nifindra monina, ka miezaka mianatra ny fitenin’izy ireny. (1 Kor. 9:23) Misy vokany tena tsara izany. Nanao an’izany i Tiffany, anabavy mpisava lalana any Aostralia. Nianatra teny swahili izy satria te hanampy fiangonana swahili any Brisbane, any Aostralia. Marina fa sarotra be taminy ny nianatra an’ilay fiteny. Lasa mahafinaritra kokoa anefa ny fiainany. Hoy izy: “Mifindrà any amin’ny fiangonana miteny vahiny, raha tianao hisy tsirony kokoa ny fanompoanao. Hoatran’ny hoe mankany an-tany hafa ianao, nefa ao amin’ny taninao ihany. Ianao mihitsy amin’izay no hahita fa miray saina sy mifankatia hoatran’ny fianakaviana iray ny vahoakan’i Jehovah eran-tany.”

Nahoana isika no miezaka manampy an’ireo nifindra monina? (Fehintsoratra 10)

10 Diniho koa ny nataon’ny fianakavian’i Sakiko, ankizivavy any Japon. Hoy i Sakiko: “Nihaona matetika tamin’olona avy any Brezila izahay rehefa nitory. Nasehonay andinin-teny avy tao amin’ny Baiboliny amin’ny teny portogey ry zareo, ohatra hoe ny Apokalypsy 21:3, 4 na ny Salamo 37:10, 11, 29. Nihaino tsara ry zareo. Nisy aza latsa-dranomaso.”  Tsy izay ihany anefa no nataon’ny fianakaviany, mba hampisehoana hoe mangoraka an’ireo mpifindra monina izy ireo. Hoy i Sakiko: “Hitanay hoe tena nangetaheta ny fahamarinana ry zareo, dia nianatra niteny portogey izahay.” Lasa misy fiangonana miteny portogey any izao, ary anisan’ny nahatonga izany ny ezaka nataon’izy mianakavy. Betsaka koa ny mpifindra monina nampian’izy ireo ho lasa mpanompon’i Jehovah. Hoy i Sakiko: “Tsy maintsy niezaka be izahay vao nahay niteny portogey. Nahazo fitahiana be dia be anefa izahay, ary tena isaoranay an’i Jehovah izany.”—Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

‘MITAFIA FANETREN-TENA’

11, 12. a) Inona no tokony hahatonga antsika hitafy ny toetra vaovao, ary nahoana? b) Inona no azontsika atao raha te hanetry tena foana isika?

11 Ny hanome voninahitra an’i Jehovah no tokony hahatonga antsika hitafy ny toetra vaovao, fa tsy ny hoderain’ny olona. Tadidio anefa fa anjely lavorary aza lasa nirehareha ka nanota. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 28:17.) Sarotra kokoa amin’ny olombelona tsy lavorary àry ny tsy hirehareha na tsy hanambony tena. Na izany aza, dia azo atao tsara ny manetry tena. Ahoana no hahavitantsika an’izany?

12 Raha te hahavita hanetry tena foana isika, dia mila mamaky ny Baiboly isan’andro sady misaintsaina an’izay vakintsika. (Deot. 17:18-20) Ny zavatra nampianarin’i Jesosy sy ny modely nomeny no tena tokony hosaintsainintsika. (Mat. 20:28) Nanetry tena izy, ka vitany hatramin’ny nanasa ny tongotry ny apostoliny. (Jaona 13:12-17) Mila mangataka matetika amin’i Jehovah isika mba homeny fanahy masina hanampy antsika tsy hihevi-tena ho ambony.—Gal. 6:3, 4; Fil. 2:3.

13. Inona no tombony ho azontsika raha manetry tena isika?

13 Vakio ny Ohabolana 22:4. I Jehovah mihitsy no milaza fa tsy maintsy manetry tena isika. Be dia be ny tombony azontsika avy amin’izany. Hihavana sy hiray saina, ohatra, ny fiangonana. Ho tsara fanahy amintsika koa i Jehovah. Hoy mantsy ny apostoly Petera: “Aoka ianareo rehetra samy hitafy fanetren-tena eo amin’ny fifandraisanareo, satria Andriamanitra manohitra ny manambony tena, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.”—1 Pet. 5:5.

‘MITAFIA FAHALEMEM-PANAHY SY FAHARI-PO’

14. Iza no malemy fanahy sy manam-paharetana indrindra?

14 Matetika no heverin’ny olona hoe kanosa ianao raha malemy fanahy sy mahari-po na manam-paharetana. Tsy marina anefa izany! I Jehovah, ilay Andriamanitra mahery indrindra eo amin’izao rehetra izao, no mahatonga antsika ho afaka hanana an’ireo toetra ireo. Izy koa no malemy fanahy sy manam-paharetana indrindra. (2 Pet. 3:9) Ahitana an’izany, ohatra, ny zavatra nasainy nataon’ny anjeliny, rehefa nametraka fanontaniana taminy i Abrahama sy Lota. (Gen. 18:22-33; 19:18-21) Nanam-paharetana tamin’ny firenen’Israely foana koa izy, na dia nanota foana aza izy ireo nandritra ny 1 500 taona mahery.—Ezek. 33:11.

15. Inona no porofo fa nalemy fanahy sy nanam-paharetana i Jesosy?

15 ‘Nalemy fanahy’ i Jesosy. (Mat. 11:29) Tena nanam-paharetana izy rehefa nanao fahadisoana ny mpianany. Hoatr’izany koa rehefa nanakiana azy ny mpitondra fivavahana. Nalemy fanahy sy nanam-paharetana foana izy mandra-pahafatiny. Na dia nanaintaina mafy aza izy teo amin’ny hazo fijaliana, dia mbola nivavaka ho an’ireo namono azy. Hoy izy: “Ray ô, mamelà azy ireo, fa tsy fantany izay ataony.” (Lioka 23:34) Tena modely ho antsika i Jesosy satria nalemy  fanahy sy nanam-paharetana foana, na dia efa mafy sy nampiady saina aza ny nanjo azy.—Vakio ny 1 Petera 2:21-23.

16. Ahoana no ampisehoantsika fa malemy fanahy sy manam-paharetana isika?

16 Ary ahoana no ampisehoantsika fa malemy fanahy sy manam-paharetana isika? Niresaka fomba iray azo anaovana an’izany i Paoly. Hoy izy: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.” (Kol. 3:13) Mila malemy fanahy sy manam-paharetana isika vao hahavita hamela heloka. Hiray saina foana anefa ny fiangonana raha manao an’izany isika.

17. Nahoana isika no tena tokony halemy fanahy sy hanam-paharetana?

17 Tsy safidy ny hoe halemy fanahy sy hanam-paharetana. Tsy maintsy manana an’ireo toetra ireo isika raha te ho voavonjy. (Mat. 5:5; Jak. 1:21) Manome voninahitra an’i Jehovah koa isika rehefa malemy fanahy sy manam-paharetana, sady mandrisika ny olon-kafa hanao toy izany koa.—Gal. 6:1; 2 Tim. 2:24, 25.

“MITAFIA FITIAVANA”

18. Inona no ifandraisan’ny hoe manam-pitiavana sy ny hoe tsy manavakavaka?

18 Misy ifandraisany amin’ny fitiavana ny toetra rehetra nodinihintsika teo. Anisan’izany ilay hoe tsy manavakavaka. Nananatra an’ireo mpiara-manompo taminy, ohatra, i Jakoba satria ny mpanankarena no tian’izy ireo kokoa noho ny mahantra. Nilaza izy fa tsy nankatoavin’izy ireo ny didin’Andriamanitra hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Hoy koa izy: ‘Raha mbola mizaha tavan’olona foana ianareo dia manota.’ (Jak. 2:8, 9) Raha manam-pitiavana kosa isika, dia tsy hanavakavaka olona noho ny fianarana vitany na ny volon-kodiny na ny fari-piainany. Tsy mety anefa raha mody tsy manavakavaka fotsiny isika. Tokony ho tena toetrantsika ilay izy.

19. Nahoana isika no tena mila manana fitiavana?

19 “Mahari-po sy tsara fanahy” ny fitiavana sady “tsy mieboebo.” (1 Kor. 13:4) Tsy ho vitantsika ny hanohy hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana, raha tsy manam-paharetana sy tsara fanahy ary manetry tena isika. (Mat. 28:19) Raha manana an’ireo toetra ireo koa isika, dia ho mora kokoa amintsika ny hifandray tsara amin’ny rahalahy sy anabavy rehetra ao amin’ny fiangonana. Raha maneho fitiavana hoatr’izany isika, dia hiray saina ny fiangonana ka hahazo voninahitra i Jehovah. Mety ho te hahalala ny fahamarinana koa ny olona, rehefa hitany hoe mifankatia isika. Tena mety àry raha niteny toy izao i Paoly rehefa avy niresaka momba ny toetra vaovao: “Ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”—Kol. 3:14.

TOKONY “HOHAVAOZINA HATRANY” ISIKA

20. a) Inona avy ny fanontaniana tokony hoeritreretintsika, ary nahoana? b) Inona no antenaintsika hoe hitranga amin’ny hoavy?

20 Tokony hisaintsaina isika tsirairay hoe: ‘Inona koa no azoko atao mba hialana amin’ny toetra taloha sy tsy hiverenana amin’izany intsony?’ Mila mivavaka mafy isika mba hampian’i Jehovah. Mila miezaka be koa isika mba tsy hanana toe-tsaina ratsy na hanao ratsy, sao tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (Gal. 5:19-21) Eritrereto koa hoe: ‘Manavao hatrany ny hery mibaiko ny saiko ve aho, ka manitsy foana ny fomba fisainako?’ (Efes. 4:23, 24) Tsy lavorary mantsy isika ka mila miezaka foana mba hanana ny toetra vaovao. Rehefa lasa lavorary isika vao hahavita hanahaka tanteraka ny toetran’i Jehovah. Hahafinaritra be ny fiainana amin’izany, satria ny olona rehetra no hitafy ny toetra vaovao!

^ feh. 3 Noheverina ho olona tsy nianatra ny Skytianina fahiny, ka nambanimbanian’ny olona.