Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Aogositra 2016

Nahoana i Jehovah no Namorona ny Fanambadiana?

Nahoana i Jehovah no Namorona ny Fanambadiana?

‘Hoy i Jehovah Andriamanitra: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy. Hanao mpanampy ho azy aho, ho famenony.”GEN. 2:18.

HIRA: 36, 11

1, 2. a) Ahoana no niandohan’ny fanambadiana? b) Inona no azo antoka fa neken’ilay mpivady voalohany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

LALAM-PIAINANA ny hoe manambady. Ahoana anefa no niandohan’ny fanambadiana, ary inona no antony namoronana azy io? Hanaja ny fanambadiana sy hankasitraka kokoa ny soa entin’izy io isika, raha mahalala ny valin’izany. Rehefa avy namorona an’i Adama i Jehovah, dia nentiny tany aminy ny biby rehetra mba homeny anarana. Hitan’i Adama hoe nanambady daholo ny biby, fa izy kosa tsy nanana vady ho “mpanampy” sy ho ‘famenony.’ Nataon’i Jehovah natory be àry izy, dia nalainy ny taolan-tehezany iray ary nanamboarany vehivavy. Nentiny tany amin’i Adama izy io ary lasa vadiny. (Vakio ny Genesisy 2:20-24.) Andriamanitra àry no namorona ny fanambadiana.

2 Nohamafisin’i Jesosy fa i Jehovah no nilaza hoe: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.” (Mat. 19:4, 5) Ny taolan-tehezan’i Adama no namoronana ny vadiny, ka azo antoka fa neken’izy mivady hoe tena tokony hifankatia be ry zareo. Tsy  nilaza mihitsy i Jehovah hoe afaka misaraka ny mpivady na hoe azo atao ny manambady mihoatra ny iray.

NAHOANA I JEHOVAH NO NAMORONA NY FANAMBADIANA?

3. Inona no antony lehibe iray namoronana ny fanambadiana?

3 Faly be i Adama fa nahazo vady tsara tarehy. Nataony hoe Eva ny anarany. Ho “mpanampy” sy “famenony” i Eva, ary ho sambatra izy roa raha samy manao ny andraikiny. (Gen. 2:18) Mba hahatonga ny tany ho feno olona no antony lehibe iray namoronana ny fanambadiana. (Gen. 1:28) Handao ny ray aman-dreniny ny zanaka rehefa hanambady sy hanana ny fianakaviany, na dia tena tiany aza izy ireo. Hameno ny tany ny olombelona, ary hanova ny tany manontolo ho lasa paradisa.

4. Nanao ahoana ilay tokantrano voalohany?

4 Tsy nandeha tamin’ny laoniny intsony anefa ny tokantranon’i Adama sy Eva, satria nanararaotra ny safidy nomena azy izy roa ka tsy nankatò an’i Jehovah. Nofitahin’ilay “menarana tany am-boalohany”, izany hoe i Satana Devoly, i Eva. Lasa nino àry izy fa hanana fahaizana manokana raha mihinana amin’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”, ka hahay hanapa-kevitra hoe inona no tsara na ratsy. Tsy nanontany ny vadiny izy, ka hita hoe tsy nanaja ny fahefany. I Adama indray tsy nankatò an’i Jehovah, fa nihinana an’ilay voankazo natolotr’i Eva azy.Apok. 12:9; Gen. 2:9, 16, 17; 3:1-6.

5. Inona no ianarantsika avy amin’izay navalin’i Adama sy Eva an’i Jehovah?

5 Rehefa nanontany azy mivady i Jehovah, dia i Eva no nomen’i Adama tsiny. Hoy izy: “Ilay vehivavy nomenao ahy no nanome ahy ny voan’ilay hazo, ka nihinana aho.” I Eva indray nilaza fa ilay menarana no namitaka azy. (Gen. 3:12, 13) Samy nanamarin-tena izy mivady, saingy tsy nisy nitombina ny teniny. Nanameloka azy ireo i Jehovah satria nikomy izy ireo. Anatra ho antsika izany. Raha tiana ho sambatra ny tokantrano, dia samy tokony hankatò an’i Jehovah ny mpivady ary hanaiky hoe samy tompon’andraikitra amin’izay ataony.

6. Ahoana no hanazavanao ny Genesisy 3:15?

6 Nomen’i Jehovah fanantenana ny olombelona, na dia teo aza ny nataon’i Satana tany Edena. Miresaka an’io fanantenana io ny faminaniana voalohany. (Vakio ny Genesisy 3:15.) Voalaza ao fa hanorotoro an’i Satana ny taranak’ilay “vehivavy.” Ireo anjely maro tsy mivadika any an-danitra ilay hoe “vehivavy”, ary toy ny hoe vadin’i Jehovah izy io. Hita amin’izany fa mifandray be i Jehovah sy ireo anjely ireo. Nilaza ny Baiboly, tatỳ aoriana, fa ny iray amin’izy ireo no hirahin’i Jehovah “hanorotoro” ny Devoly, ary hisy zavatra hataon’izy io mba hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona mankatò. (Jaona 3:16) Izany mantsy no fikasan’i Jehovah hatramin’ny voalohany, nefa nafoin’i Adama sy Eva izany tombontsoa izany.

7. a) Nanao ahoana ny fanambadiana taorian’ny fikomian’i Adama sy Eva? b) Inona no lazain’ny Baiboly hoe tokony hataon’ny mpivady?

7 Rehefa nikomy i Adama sy Eva, dia nisy vokany ratsy tamin’ny tokantranony sy ny tokantrano rehetra izany. Lasa nanaintaina be, ohatra, i Eva rehefa nitondra vohoka sy niteraka, ary hoatr’izany koa ny vehivavy rehetra. Lasa maniry mafy ny ho tian’ny vadiny sy hokarakarainy koa ny vehivavy. Ny lehilahy indray lasa manjakazaka amin’ny vadiny, ka manao teny mandratra na mamono vady mihitsy. (Gen. 3:16) Milaza anefa ny Baiboly fa ny lehilahy no loham-pianakaviana ary tokony ho be fitiavana izy. Ny vehivavy indray tokony hanaiky ny fahefan’ny vadiny. (Efes. 5:33) Zara  raha hisy na tsy hisy mihitsy ny olana eo amin’ny mpivady, raha mahay mifanaraka sy matahotra an’i Jehovah izy ireo.

TAMIN’NY ANDRON’I ADAMA KA HATRAMIN’NY SAFODRANO

8. Inona no azo lazaina momba ny fanambadiana tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’ny Safodrano?

8 Niteraka lahy sy vavy i Adama sy Eva, talohan’ny nahafatesany. (Gen. 5:4) I Kaina no lahimatoany, ary havany ihany no nalainy ho vady. I Lameka, taranak’i Kaina, no lehilahy voalohany lazain’ny Baiboly hoe nanana vady roa. (Gen. 4:17, 19) Vitsy ny olona nanompo an’i Jehovah, teo anelanelan’ny andron’i Adama sy ny Safodrano. Anisan’izany i Abela, Enoka, ary Noa sy ny fianakaviany. Tamin’ny andron’i Noa, dia “tsikaritr’ireo zanak’Andriamanitra” na anjely, fa “tsara tarehy ny zanakavavin’olombelona.” Dia “nalain’izy ireo ho vady izay rehetra nofidiny.” Tsy natao hivady anefa ny anjely sy ny olombelona, ka niteraka olona mahery setra atao hoe Nefilima izy ireo. “Be ny faharatsian’ny olona teto an-tany” tamin’izany, “ary zava-dratsy foana koa no nalehan’ny sainy.”Gen. 6:1-5.

9. Nataon’i Jehovah ahoana ny ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa? Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga?

9 Noringanin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Safodrano ny ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa. Efa nampitandrina momba an’izany i Noa, “mpitory ny fahamarinana.” (2 Pet. 2:5) Tsy niraharaha anefa ny olona satria variana tamin’ny fiainany andavanandro. Anisan’ny nahavariana azy ireo ny hoe manambady. Nilaza i Jesosy fa ho hoatr’izany koa amin’ny androntsika, ary izany mihitsy no mitranga. (Vakio ny Matio 24:37-39.) Tsy mety mihaino ny ankamaroan’ny olona rehefa mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Mitory an’io hafatra io anefa isika, mba ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, alohan’ny hahatongavan’ny farany. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy tokony ho variana be amin’ny fanambadiana sy ny fitaizan-janaka isika, ka hanadino fa efa akaiky ny andron’i Jehovah.

TAORIAN’NY SAFODRANO KA HATRAMIN’NY ANDRON’I JESOSY

10. a) Inona no lasa fanaon’ny olona tany amin’ny faritra maro? b) Nahoana i Abrahama sy Saraha no modely?

10 Iray avy ny vadin’i Noa sy ny zanany telo lahy. Nisy olona nanambady maro anefa tamin’izany. Lasa ratsy fitondran-tena ny olona tany amin’ny faritra maro. Lasa fombafomba tamin’ny fivavahan’izy ireo mihitsy aza ny fanaovana firaisana. Tena tsy nanaja ny fanambadiana ny olona maro tany amin’ny faritr’i Kanana, tamin’i Abrahama sy Saraha nifindra tany. Noringanin’i Jehovah àry ny tanànan’i Sodoma sy Gomora, satria ratsy fitondran-tena be ny olona tao. Hafa mihitsy anefa ry Abrahama. Nahay nitondra ny ankohonany i Abrahama, ary modely i Saraha satria nanaja ny fahefany. (Vakio ny 1 Petera 3:3-6.) Nataon’i Abrahama azo antoka koa hoe hanambady mpanompon’i Jehovah i Isaka zanany. Toy izany koa no nataon’i Isaka tamin’i Jakoba zanany, ary lasa razamben’ireo foko 12 teo amin’ny Israely ny zanak’i Jakoba.

11. Inona no mampiseho fa niaro ny Israelita ny Lalàn’i Mosesy?

11 Nanao fifanekena tamin’ny Israelita i Jehovah tatỳ aoriana, ary nanome ny Lalàn’i Mosesy. Nisy lalàna mifandray amin’ny resaka fanambadiana tao, anisan’izany ny lalàna nifehy an’izay nanambady maro. Nanampy ny Israelita hifandray tsara tamin’i Jehovah foana ny Lalàn’i Mosesy, satria nandrara azy ireo tsy hanambady mpanompo  sampy. (Vakio ny Deoteronomia 7:3, 4.) Rehefa nisy olana lehibe teo amin’ny mpivady, dia matetika no nanampy azy ireo ny anti-panahy. Nisy lalàna narahina koa rehefa nisy nanitsakitsa-bady, na saro-piaro, na niahiahy ny vadiny. Azo natao ny nisara-panambadiana, nefa nisy lalàna nifehy an’izany. Afaka nisaraka tamin’ny vadiny, ohatra, ny lehilahy iray raha nanao “zavatra manafintohina” ilay vadiny. (Deot. 24:1) Tsy voafaritra hoe inona ilay “zavatra manafintohina”, nefa azo inoana fa tsy olana madinidinika ilay izy.Lev. 19:18b.

AZA MIVADIKA AMIN’NY VADINAO MIHITSY

12, 13. a) Inona no nataon’ny lehilahy sasany tamin’ny andron’i Malakia? b) Inona no ho vokany raha misy olona efa vita batisa nefa mangala-badin’olona?

12 Nivadika tamin’ny vadiny ny Jiosy maro tamin’ny andron’i Malakia mpaminany. Nahita an’izao antony tsy misy dikany rehetra izao izy ireo mba hisarahana tamin’ny vadiny. Nisaraka tamin’ny vadin’ny fahatanorany izy ireo, satria angamba te hanambady vehivavy tanora kokoa na mpanompo sampy. Nivadika tamin’ny vadiny koa ny lehilahy jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, ka nahita antony isan-karazany hisarahana taminy. (Mat. 19:3) Halan’i Jehovah anefa ny fisaraham-panambadiana toy izany.Vakio ny Malakia 2:13-16.

13 Tsy azo ekena mihitsy raha ny mpanompon’i Jehovah no mivadika amin’ny vadiny. Marina fa tsy dia fahita eo anivon’ny fiangonana izany. Eritrereto anefa hoe misy rahalahy na anabavy miaraka amin’ny vadin’olona, dia avy eo izy misara-panambadiana mba hahafahany manambady azy. Ho voaroaka izy raha tsy mibebaka, satria mila arovana mba hadio foana ny fiangonana. (1 Kor. 5:11-13) Tsy maintsy mamoa “voa mifanentana amin’ny fibebahana” izy, vao azo ekena ho anisan’ny fiangonana indray. (Lioka 3:8; 2 Kor. 2:5-10) Marina fa tsy azo faritana hoe rahoviana izy no azo raisina ho anisan’ny fiangonana indray. Nivadika tamin’ny vadiny anefa izy, ka tsy azo hamaivanina izany. Mety ho elaela vao hita hoe tena mibebaka izy, angamba afaka herintaona na maherin’izany. Ary na dia voaray indray aza izy, dia tsy maintsy mbola “hijoro eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra.”Rom. 14:10-12; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2011, pejy 6, fanontaniana 7, sy Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 15 Febroary 1980, pejy 31-32.

NY FANAMBADIANA KRISTIANINA

14. Nahoana no nilaina ny Lalàna?

14 Tsy maintsy nanaraka ny Lalàn’i Mosesy ny Israelita, nandritra ny 1 500 taona mahery. Nanampy azy ireo hanaraka ny fitsipik’i Jehovah izany, rehefa nandamina olana teo amin’ny fianakaviana sy olana hafa izy ireo. Toy ny mpitaiza azy ireo koa izy io, ka nanampy azy ireo ho vonona handray ny Mesia. (Gal. 3:23, 24) Tsy nanan-kery intsony anefa io Lalàna io rehefa nanao sorona ny ainy i Jesosy, ary nanao fandaharana vaovao i Jehovah. (Heb. 8:6) Lasa tsy azo natao intsony ny zavatra sasany navelan’ny Lalàna natao.

15. a) Inona no fitsipika tokony harahin’ny fiangonana kristianina momba ny fanambadiana? b) Inona no tokony hosaintsainin’ny Kristianina raha mieritreritra hisara-panambadiana izy?

15 Nilaza tamin’ny Fariseo i Jesosy hoe namela ny Israelita hisara-panambadiana ny Lalàn’i Mosesy, saingy tsy izany no izy “tany am-piandohana.” (Mat. 19:6-8) Nasehony tamin’izany fa ny fitsipika napetrak’i Jehovah tany Edena no tokony harahin’ny fiangonana kristianina. (1 Tim. 3:2, 12) “Nofo iray ihany” ny mpivady ka tsy tokony hisaraka mihitsy. Hahavita an’izany izy ireo raha samy tia an’i Jehovah sady  mifankatia. Raha misy olona nisara-panambadiana nefa tsy nijangajanga akory ny vadiny, dia tsy afaka manambady indray izy. (Mat. 19:9) Mety hamela ny heloky ny vadiny koa anefa ny olona iray, raha nanitsakitsaka azy izy io nefa nibebaka. Izany no nataon’i Hosea mpaminany rehefa nanitsakitsaka azy i Gomera vadiny. Izany koa no nataon’i Jehovah rehefa nivadi-pinoana ny Israelita nefa nibebaka. (Hosea 3:1-5) Marihina fa raha misy olona mahalala hoe nanitsakitsaka azy ny vadiny nefa nanaiky hanao firaisana tamin’ilay vadiny indray izy, dia midika izany hoe namela heloka izy. Tsy afaka misaraka amin’ny vadiny intsony izy, raha ny Soratra Masina no jerena.

16. Inona no nampirisihin’i Jesosy?

16 Nilaza i Jesosy hoe tsy mahazo misara-panambadiana ny tena Kristianina raha tsy hoe nijangajanga angaha ny vadiny. Nilaza izy avy eo fa misy olona mahavita tsy manambady mihitsy. Hoy koa izy: “Izay afaka mitoetra ho tsy manambady, dia aoka izy hanao izany.” (Mat. 19:10-12) Maro no mifidy ny tsy hanambady, satria te hifantoka tsara amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tokony hoderaina izy ireny!

17. Inona no tokony hosaintsainin’ny Kristianina rehefa hanapa-kevitra izy hoe hanambady sa tsia?

17 Inona no afaka manampy ny Kristianina iray hanapa-kevitra raha hanambady izy na tsia? Mila mandinika tsara ny any am-pony izy ary misaintsaina hoe tsy hampaninona azy ve ny tsy hanambady. Nampirisika ny Kristianina mba tsy hanambady ny apostoly Paoly, nefa hoy koa izy: ‘Noho ny fielezan’ny fijangajangana, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny avy, ary ny vehivavy samy hanana ny vadiny avy.’ Nilaza koa izy hoe: ‘Raha tsy mahafehy tena izy, dia aoka izy hanambady, fa aleo manambady toy izay harehitry ny filan’ny nofo.’ Mety hanampy ny olona iray hifehy ny faniriany ny manambady, ka tsy ho ratsy fitondran-tena izy na ho zatra mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany. Mety hilainy koa anefa ny mieritreritra hoe sao dia mbola kely taona izy. Hoy mantsy i Paoly: ‘Raha misy mihevitra fa tsy hainy ny mitondra tena amin’ny maha virjiny azy, ary raha efa dila ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana izy, ka tokony hanambady, dia aoka izy hanao izay tiany. Tsy manota izy. Aoka izy ireo hanambady.’ (1 Kor. 7:2, 9, 36; 1 Tim. 4:1-3) Na izany aza, dia tsy mety ny mampirisika ny tanora hanambady satria fotsiny hoe tena te hanao firaisana izy. Mety ho mbola tsy matotra mantsy izy, ka tsy hahavita hiantsoroka andraikitra ao an-tokantrano.

18, 19. a) Inona no tokony hoeritreretin’izay te hanorina tokantrano? b) Inona no horesahin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Ahoana raha misy Kristianina te hanorina tokantrano? Tokony ho samy efa nanokan-tena ho an’i Jehovah sy tia azy amin’ny fo manontolo izy roa. Tokony ho efa mifankatia be koa izy ireo, ka te hiaraka mandrakizay. Hotahin’i Jehovah izy ireo satria mankatò ny toroheviny hoe manambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Kor. 7:39) Ho tsapan’izy ireo koa rehefa lasa mpivady izy, fa ao amin’ny Baiboly no misy ny torohevitra tsara indrindra ho an’izay te hanana tokantrano sambatra.

19 Miaina amin’ny “andro farany” anefa isika izao, ka be dia be ny olona manana toetra ratsy manimba ny tokantrano. (2 Tim. 3:1-5) Horesahin’ny lahatsoratra manaraka àry hoe inona ny toro lalan’ny Baiboly hanampy ny mpivady ho sambatra foana na eo aza izany. Amin’izay izy ireo ho afaka handeha foana amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana miaraka amin’ny mpanompon’i Jehovah hafa rehetra.Mat. 7:13, 14.