Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Aogositra 2016

 TANTARAM-PIAINANA

Tsapako hoe Mahasambatra ny Manome

Tsapako hoe Mahasambatra ny Manome

TSAPAKO tamin’izaho 12 taona hoe manana zava-tsarobidy tokony hozaraina aho. Nisy rahalahy nanontany an’ahy tany amin’ny fivoriambe raha te hitory aho. Namaly aho hoe: “Ie!” Izaho anefa mbola tsy nitory mihitsy. Nankeny amin’ny faritany izahay, dia nomeny bokikely momba ny Fanjakan’Andriamanitra aho. Hoy izy avy eo: “Izaho hitory amin’ity ilany ity, dia ianao eny ampita.” Natahotra aho nefa nitory isan-trano ihany. Gaga aho fa vetivety dia voazarako daholo ireo bokikely. Hitako hoe be dia be ny olona te hahazo an’ilay zava-tsarobidy nozaraiko.

Teraka tany Chatham any Angletera aho tamin’ny 1923. Diso fanantenana ny ankamaroan’ny olona tamin’izany. Nanantena mantsy izy ireo hoe hihatsara ny fiainana aorian’ny Ady Lehibe I, nefa tsy izany no nitranga. I Dada sy Neny indray diso fanantenana tamin’ny mpitondra fivavahana batista, satria te hahazo toerana ambony fotsiny ry zareo. Nanomboka nanatrika ny “kilasy” na fivoriana nataon’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena i Neny, tamin’izaho sivy taona teo ho eo. Lasa hoe Vavolombelon’i Jehovah ny anaran’izy ireo tatỳ aoriana. Nampianatra anay ankizy ny anabavy iray, ka ny Baiboly sy ilay bokikely hoe Ny Harpan’Andriamanitra no nampiasainy. Tiako be ilay fianarana.

NIANA-JAVATRA TAMIN’NY OLON-DEHIBE

Tia niresaka momba ny fanantenana ao amin’ny Baiboly aho rehefa lehibebe. Matetika aho no nitory irery. Nahasoa an’ahy koa anefa ny niaraka tamin’ny hafa. Nandeha bisikileta nankeny amin’ny faritany izaho sy ny rahalahy iray, indray mandeha. Nifanena tamin’ny mpitondra fivavahana iray izahay, dia niteny aho hoe: “Iny misy osy.” Najanon’ilay rahalahy ny bisikiletany, dia nasainy nipetraka niaraka taminy teo amin’ny vatan-kazo iray aho. Dia hoy izy: “Fa iza no nanome anao fahefana hitsara hoe iza no osy? Tokony ho faly fotsiny isika mitory ny vaovao tsara, dia i Jehovah no avelantsika hitsara ny olona.” Tamin’izany aho no nanomboka nahatsapa hoe mahasambatra ny manome.Mat. 25:31-33; Asa. 20:35.

Nisy rahalahy iray hafa nampianatra an’ahy hoe mila miaritra sy manam-paharetana isika indraindray raha te ho sambatra rehefa manome. Nasainy nankany an-tranony aho indray mandeha, dia niara-nisakafo kely izahay. Tsy tia Vavolombelona ny vadiny ka tezitra be hoe nandeha nitory izy, dia notorahany fonosana dite maromaro izahay. Tsy nibedy azy anefa ilay rahalahy fa naveriny tamin’ny toerany fotsiny ireo fonosana dite sady nitsikitsiky izy. Soa  ihany izy fa nanam-paharetana. Lasa Vavolombelona vita batisa mantsy ilay vadiny, tatỳ aoriana.

Vao mainka aho te hizara fanantenana amin’ny olona. Natao batisa tany Douvres izaho sy Neny tamin’ny Martsa 1940. Nanomboka niady tamin’i Alemaina i Grande-Bretagne tamin’ny Septambra 1939, tamin’izaho 16 taona. Nitazantazana teo am-baravaranay aho indray mandeha, tamin’ny Jona 1940, dia nahita kamiao feno miaramila an’arivony. Sisa tsy maty tamin’ny Adin’i Dunkerque izy ireo. Hitako hoe kivy sy natahotra izy ireo, dia tena te hiresaka taminy momba ny Fanjakan’Andriamanitra aho. Nisy zera baomba foana tany Grande-Bretagne tsy ela taorian’izay. Nisy raoplanina mpandatsaka baomba an’ny tafika alemà nandalo ny tanànanay isak’alina. Hoatran’ny misioka ilay baomba rehefa nilatsaka, dia natahotra be izahay. Nahita trano be dia be rava izahay ny ampitso. Vao mainka tsapako fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no azoko antenaina.

LASA TIA NANOME FOANA

Niasa tao amin’ny orinasa mpanamboatra sambo tany Chatham aho. Nianatra nanamboatra sambo koa aho tao. Asa be mpitia izany sady be dia be ny tombontsoa azo tamin’ilay izy. Efa ela ny mpanompon’i Jehovah no nahalala fa tsy tokony hiady ho an’ny fireneny ny Kristianina. Nazava taminay koa tamin’ny 1941 tany ho any hoe tsy mety ny miasa any amin’ny orinasa mpanamboatra fitaovam-piadiana. (Jaona 18:36) Nanamboatra sambo mpisitrika fentina miady anefa ilay orinasa niasako, ka nanapa-kevitra hiala aho ary nanompo manontolo andro. Tany Cirencester ny faritaniko voalohany. Tanàna tsara tarehy any Cotswolds ilay izy. Lasa nanome foana àry aho nanomboka tamin’ny 1941, ka lasa sambatra be.

Nigadra sivy volana aho tamin’izaho 18 taona, satria tsy nety nanao miaramila. Kivy be aho rehefa nikaratoka ny varavaran’ilay efitra nigadrako dia izaho irery sisa no tao. Nisy mpiambina sy voafonja nanontany ahy anefa taoriana kelin’izay hoe fa maninona aho no nigadra, dia faly erỳ aho niresaka momba ny finoako.

Notendrena hiaraka tamin’i Leonard Smith * aho rehefa nafahana. Tany Kent, faritra niavianay, no faritaninay. Nisy raoplanina an’arivony tsy nisy mpanamory sady feno baomba nianjera tao Kent, nanomboka tamin’ny 1944. Teo amin’ny toerana nolalovan’izy ireny mihitsy no nisy anay, teo anelanelan’i Londres sy ny faritra nofehezin’ny Nazia. Anarana bibikely mpandravarava no niantsoan’ny olona azy ireny. Rehefa maty ny maoterany, dia efa hianjera izy izay dia hipoaka. Nampahatahotra be tamin’ izany! Nisy fianakaviana iray izay nampianarinay. Dimy mianaka ry zareo. Efa nanamboatra latabatra vy ry zareo mba hisitrihana raha sendra mianjera ny tranony. Tao ambanin’ilay izy izahay indraindray no nianatra. Natao batisa izy rehetra tatỳ aoriana.

NITORY TANY AN-TANY HAFA

Nanasa ny olona hanatrika fivoriambe, tamin’izaho vao nanao mpisava lalana tany Irlandy (ambany)

Nanao mpisava lalana roa taona tany amin’ny faritra atsimon’i Irlandy aho, rehefa tapitra ny ady. Tsy fantatray hoe samy hafa be amin’ny any Angletera any. Nitety trano izahay nitady olona hampiantrano anay, sady niteny hoe misionera izahay. Nizara gazety teny an-dalana koa izahay. Adala mihitsy izahay nanao an’izany! Katolika mantsy ny ankamaroan’ny olona any. Nisy lehilahy nitady hamono anay, dia nitaraina tamin’ny polisy aho nefa hoy izy: “Tsy hitako izay mahagaga anao amin’izany!” Tsy fantatray hoe hay tena to teny ny mpitondra fivavahana tany. Nasain’izy ireo noroahina tamin’ny asany izay nandray ny boky nomenay. Nasainy noroahina tao amin’ny tranonay koa izahay.

Nahita hevitra izahay hoe isaky ny tonga eo amin’ny tanàna vaovao ilasianay, dia tsy eo no mitory fa any lavidavitra. Tsy fantatry ny mompera eo amin’ilay faritra izahay amin’izay. Tatỳ aoriana izahay vao nitory teny akaikinay. Nisy tovolahy izay tany Kilkenny nampianarinay intelo isan-kerinandro, na dia nandrahona anay aza ny olona. Tiako be ny mampianatra Baiboly, dia nangataka hiofana ho misionera tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada aho.

Ilay sambolay Sibia, nipetrahanay misionera tamin’ny 1948 ka hatramin’ny 1953 (ankavanana)

Dimy volana ilay sekoly ary tany amin’ny Fanjakan’i New York no natao. Voatendry ho any amin’ireo nosy kelin’ny Ranomasina Karaiba ny efatra taminay iray kilasy, taorian’izay. Tamin’ny Novambra 1948 izahay no niainga, ary nandeha sambolay atao hoe Sibia, izay mirefy 18 metatra. Faly be aho satria sambany handeha sambo. Kapitenin-tsambo za-draharaha ny iray taminay. Gust Maki no anarany. Natorony anay ny fampiakarana sy fampidinana lay sy ny fampiasana tondroavaratra ary ny fomba hanoherana rivotra. Izy no nitondra ny sambonay namakivaky tafio-drivotra mahery nandritra ny iray volana, mandra-pahatonganay tany Bahamas.

NITORY TANY AMIN’IREO “NOSY LAVITRA”

Nitory tany amin’ireo nosy kely tany Bahamas izahay nandritra ny volana vitsivitsy. Nankany amin’ny Nosy Sous-le-vent sy Îles du Vent izahay avy eo. Manomboka eo amin’ny Nosy Vierges akaikin’i Porto Rico ka hatrany akaikin’i Trinité no misy an’ireo nosy ireo, ary 800 kilaometatra eo ho eo ny elanelan’ireo nosy sisiny indrindra. Tany amin’ny nosy mitokana tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah izahay no tena nitory nandritra ny dimy taona. Tsy afaka nandefa taratasy na naharay taratasy izahay indraindray nandritra ny herinandro maromaro. Faly be anefa izahay nitory ny tenin’i Jehovah tany amin’ireny nosy ireny!Jer. 31:10.

Ireo misionera nipetraka tao amin’ilay Sibia (ankavia miankavanana): Ron Parkin, Dick Ryde, Gust Maki, ary Stanley Carter

Gagagaga ny olona rehefa niantsona teny amin’ny helodranomasina ny sambonay. Nitangorona teny amin’ny toerana fijanonan’ny sambo izy ireo satria te hahalala hoe iza izahay. Mbola tsy nahita sambolay na olona fotsy hoditra mihitsy ny sasany. Sariaka ry zareo sady tia fivavahana ary nahay Baiboly be. Nomen-dry zareo zavokà sy voanjo ary trondro vao avy nojonoina izahay matetika. Kely ny sambonay nefa nahavita nahandro sakafo sy natory ary nanasa lamba tao izahay.

Novoizinay hatreo amin’ny morontsiraka ilay sambolay, dia nitory tao amin’ilay nosy izahay tontolo andro. Nasainay hanatrika lahateny ara-baiboly ny olona. Nampanenoinay ny lakolosin-tsambo rehefa  hariva, dia nahafinaritra ny nahita an-dry zareo tonga. Hoatran’ny kintana mamirapiratra ny jiro solitany nentin’izy ireo nidina an’ireo havoana. Zato indraindray no tonga, ary alina ry zareo vao nody satria be fanontaniana. Tia mihira ry zareo, ka nampiasa milina fanoratana izahay mba handikana ny tonon’ny hiran’ilay Fanjakana, dia nozarainay ilay izy. Nanezakezaka nihira izahay efatra, dia nanaraka ny olona. Nahay nampiara-peo erỳ ry zareo. Nahafinaritra be tamin’izany!

Rehefa avy nampianatra izahay, dia nanaraka anay tany amin’ilay fampianarana manaraka ny mpianatra sasany, dia nianatra indray. Herinandro vitsivitsy ihany izahay no nijanona tao amin’ny toerana iray. Izay olona hitanay hoe tena liana àry matetika no nasainay nampianatra ny mpianatra hafa mandra-piverinay. Faly erỳ izahay fa tena nampianarin-dry zareo tsara izy ireny.

Maro amin’ireny nosy ireny izao no lasa feno mpizaha tany. Nangingina anefa tany taloha, ary tsy nisy afa-tsy ranomasina manga be sy torapasika ary palmie. Tamin’ny alina izahay matetika no nifindrafindra tany amin’ireo nosy. Nilalao nanaraka ny sambonay ny feso, tamin’izany. Tsy nisy na inona na inona henonay afa-tsy ny feon’ny sambonay misosa eo ambony rano. Tony be ny ranomasina sady nitaratra ny volana, ka hoatran’ny hoe nisy lalana mangirangirana nankeny amin’ny faravodilanitra.

Nitory tany amin’ireny nosy ireny dimy taona izahay, dia avy eo nitady sambo misy maotera tany Porto Rico. Nihaona tamin’ny anabavy misionera tsara tarehy atao hoe Maxine Boyd aho tany. Mbola kely izy dia efa nazoto nitory. Efa misionera tany amin’ny Repoblika Dominikanina izy, ary tsy niala tany raha tsy tamin’ny 1950. Katolika mantsy ny mpitondra tany ka noroahin’izy ireo izy. Raiki-pitia taminy aho, nefa tsy afaka nijanona afa-tsy iray volana tany Porto Rico satria tantsambo. Tsy ho ela aho dia hiverina any amin’ireo nosy ary hijanona any taona maromaro. Nieritreritra aho hoe: ‘Raha tian’ialahy iny tovovavy iny, dia velezo ny vy dieny mbola mafana.’ Nangataka azy ho vady aho telo herinandro tatỳ aoriana, ary iray volana sy tapany taorian’izay ny mariazinay. Lasa misionera tany Porto Rico izahay, dia tsy nitaingina an’ilay sambo vaovao mihitsy aho.

Lasa mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny 1956. Nahantra ny ankamaroan’ny rahalahy tany amin’ny fiangonana nalehanay, nefa tianay ny nitsidika azy ireny. Nisy fianakaviana Vavolombelona roa samy maro anaka tao Potala Pastillo, ary matetika aho no nitsoka sodina ho an’ireo ankizy. Hilda no anaran’ny iray taminy. Nanontaniako io ankizivavikely io raha te hiara-hitory aminay. Hoy izy: “Te handeha aho fa tsy manana kiraro.” Nividiananay izy, dia niara-nitory izahay. Nitsidika ny Betelan’i Brooklyn izahay tamin’ny 1972, dia nisy anabavy vao nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada nanatona anay. Hoy izy: “Tsy tadidinareo izaho e? Izaho ilay tsy nanana kiraro tany Pastillo.” Hay Hilda ilay izy! Faly loatra izahay dia nitomany. Voatendry ho any Ekoatera izy ary efa handeha.

Voatendry hanompo tao amin’ny sampan’i Porto Rico izahay tamin’ny 1960. Trano kely nisy rihana tao Santurce, any San Juan ilay izy. Izaho sy Lennart Johnson no tena nanao ny asa, tamin’ny voalohany. Izy sy ny vadiny no Vavolombelona voalohany tany amin’ny Repoblika Dominikanina, ary nifindra tany Porto Rico izy ireo tamin’ny 1957. I Maxine, tatỳ aoriana, no nandefa gazety ho an’ireo nanao famandrihana, ary arivo mahery isan-kerinandro no nalefany. Tiany be ilay izy satria nanampy olona be dia be hahazo sakafo ara-panahy.

Tiako ny manompo eto amin’ny Betela satria manome foana ianao eto. Tsy mora anefa ilay izy indraindray. Nahatsapa, ohatra, aho fa be loatra ny andraikitro tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena voalohany tany Porto Rico, tamin’ny 1967. I Nathan Knorr no niandraikitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, ary tonga tany izy. Nihevitra izy hoe tsy nikarakara fitaterana ho an’ireo misionera mpitsidika aho, nefa tena nanao an’izany aho. Nandiso fanantenana azy, hono, aho, ka hentitra be izy nanoro hevitra an’ahy mba hahay handamin-javatra. Tsy namaly aho nefa tsy rariny ilay izy tamiko, ka nalahelo aho elaela. Rehefa nihaona taminy anefa izahay mivady taorian’izay, dia nasainy ho any an-tranony sady nandrahoiny sakafo.

Imbetsaka izahay no nitsidika ny fianakaviako tany Angletera. Tsy Vavolombelona i Dada fa izahay  sy Neny ihany. Matetika anefa i Neny no nampiantrano mpandahateny avy any amin’ny Betela. Efa tofoka tamin’ny mpitondra fivavahana i Dada, nefa gaga izy fa tsy hoatr’izany ireo mpiandraikitra avy any amin’ny Betela, fa nanetry tena. Natao batisa izy tamin’ny 1962 ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Izaho sy Maxine tany Porto Rico, taoriana kelin’ny mariazinay sy tamin’ny faha-50 taonan’ny fanambadianay tamin’ny 2003

Maty tamin’ny 2011 i Maxine malalako. Tsy andriko izay hahitana azy indray rehefa hatsangana izy. Faly be aho rehefa maka sary an-tsaina an’izany! Lasa 26000 ny Vavolombelona tany Porto Rico, nandritra an’ireo 58 taona niarahanay roa, nefa 650 teo ho eo tamin’ny voalohany. Natambatra tamin’ny sampan’i Etazonia ny sampana tany tamin’ny 2013, ka voatendry hanompo eto Wallkill, atỳ amin’ny Fanjakan’i New York aho. Tsy maintsy nifindra aho na dia efa 60 taona aza aho no tany Porto Rico, ka lasa zanatany hoatran’ny coqui. Karazana sahona ny coqui, ary mihirahira hoe ko-ki ko-ki rehefa hariva.

“NY MPANOME AMIM-PIFALIANA NO TIAN’ANDRIAMANITRA”

Mbola tiako ny manompo eto amin’ny Betela. Efa 90 taona mahery aho izao, ary mampahery an’ireo mpianakavin’ny Betela no asako. Efa 600 mahery, hono, izao ny Betelita nampahereziko, hatramin’ny nahatongavako. Misy miresaka momba ny olana mahazo azy na olana any amin’ny fianakaviany. Misy indray manontany hoe ahoana no hahavitany tsara ny fanompoany eto amin’ny Betela. Ny sasany mangataka torohevitra, satria vao nanambady na voatendry hanompo eny amin’ny saha. Mihaino tsara an’izay miresaka amiko aho, ary matetika aho no miteny an’izao rehefa hitako hoe ilaina izany: ‘Ataovy izay hahafalifaly anao amin’ny asanao. Ny mpanome amim-pifaliana ange no tian’i Jehovah e! Ho an’azy ilay izy!’2 Kor. 9:7.

Na ao amin’ny Betela ianao na any an-toeran-kafa, dia mitovy ny zavatra tsy maintsy ataonao raha te ho sambatra ianao: Tsy maintsy tadidinao hoe nahoana no tena ilaina ny zavatra ataonao. Fanompoana masina daholo ny asa ao amin’ny Betela. Manampy ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ny rahalahy maneran-tany izany. (Mat. 24:45) Afaka midera an’i Jehovah foana isika, na aiza na aiza anompoantsika azy. Enga anie ho faly foana isika manao an’izay asain’Andriamanitra ataontsika, satria ‘ny mpanome amim-pifaliana no tiany.’

^ feh. 13 Misy ny tantaram-piainan’i Leonard Smith ao amin’nyTilikambo Fiambenana 15 Aprily 2012.