Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Nahita An’ilay “Perla Iray Sarobidy” Izahay

Nahita An’ilay “Perla Iray Sarobidy” Izahay

MANOMPO any amin’ny biraon’ny sampan’i Aostralazia i Winston sy Pamela (Pam) Payne. Nahafinaritra ny fiainan’izy mivady na dia nisy olana aza indraindray. Nila nizatra tamin’ny kolontsaina vaovao, ohatra, izy ireo. Nisy fotoana koa i Pam afa-jaza. Mbola tia an’i Jehovah sy tia olona foana anefa ry zareo sady falifaly rehefa manompo. Hanadinadina azy mivady isika ato mba hahafantarana ny zavatra sasany niainany.

Mba tantarao anay hoe ry Winston ny nataonao tamin’ianao nitady an’Andriamanitra.

Tany amina toeram-pambolena tany Queensland, atỳ Aostralia, aho no lehibe. Ny olona tao an-trano ihany no tena nifandray tamiko satria nitokana be ny toerana nisy anay. Tsy mpivavaka ny fianakaviako, fa izaho indray vao 12 taona teo ho eo dia efa nanomboka nitady an’Andriamanitra. Nivavaka taminy aho mba hampiany hahalala ny marina momba azy. Niala tao amin’ilay toeram-pambolena aho tatỳ aoriana, dia nahita asa tany Adélaïde, any Aostralia Atsimo. Tamin’izaho 21 taona no nihaona tamin’i Pam. Nanao vakansy tany Sydney aho tamin’izay. Noresahiny momba ny Fivavahana Jiosy Britanika aho. Mino ny mpivavaka ao amin’io fivavahana io fa taranak’ireo fokon’ny Israely lazaina hoe very ny Britanika. Ireo foko folo tany avaratra nentina ho babo tamin’ny taona 740 T.K., hono, ireo foko very ireo. Rehefa niverina tany Adélaïde aho, dia niresaka an’izany tamin’ny mpiara-miasa tamiko. Hay izy efa nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niresaka momba ny zavatra inoan-dry zareo izahay nandritra ny ora vitsivitsy. Rehefa vita ny resakay, dia hitako hoe voavaly ilay vavaka nataoko tamin’izaho mbola kely. Lasa nahalala ny Mpamorona sy ny Fanjakany ihany aho! Hitako ilay “perla iray sarobidy.”—Mat. 13:45, 46.

Mbola kely koa ianao ry Pam no nanomboka nitady an’ilay perla. Ahoana no nataonao?

Izaho indray lehibe tany Coffs Harbour, any Nouvelle-Galles Atsimo. Manana zoky vavy iray sy zandry lahy iray aho. Mpivavaka ny tao an-tranonay. Nino ny fampianaran’ny Fivavahana Jiosy Britanika i Dada sy Neny ary Dadabe sy Bebe. Mbola kely izahay telo mianadahy sy ny havanay dia efa nampianarina hoe tian’Andriamanitra kokoa ny taranaky ny Britanika. Tsy nino an’izany anefa aho, sady tsy nanampy ahy ho akaiky an’Andriamanitra akory izany. Nitety fivavahana hafa aho tamin’izaho 14 taona. Tany amin’ny Anglikanina aho, dia tany amin’ny Batista, dia tany amin’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Tsy afa-po anefa aho fa mbola nitady an’Andriamanitra foana.

Nifindra tany Sydney ny fianakaviako tatỳ aoriana, dia tany aho no nahita an’i Winston, tamin’izy nanao vakansy. Efa noteneniny teo hoe lasa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, noho ilay resakay momba ny fivavahana. Feno andinin-teny ny taratasy nalefany tamiko taorian’izay. Tsoriko aloha fa somary natahotra aho tamin’ny voalohany. Tezitra mihitsy aza aho! Tonga saina tsikelikely anefa aho hoe marina ny zavatra nosoratany.

Nifindra tany Adélaïde aho tamin’ny 1962, mba ho akaikikaiky an’i Winston. Nataony niara-nipetraka tamina mpivady Vavolombelon’i Jehovah izay aho. Thomas sy Janice Sloman no anaran-dry zareo, ary efa misionera tany Papouasie-Nouvelle-Guinée ry zareo taloha. Tsara fanahy be tsy nisy hoatr’izany izy mivady! Tena nanampy ahy teo amin’ny ara-panahy ry zareo. Vao 18 taona mantsy aho tamin’izany. Lasa nianatra ny Tenin’Andriamanitra koa aho, ka tsy ela dia resy lahatra hoe nahita ny fahamarinana. Vao vita mariazy izahay sy Winston dia nanompo manontolo andro. Nisy ihany ny olana nefa nahazo fitahiana be dia be izahay, dia vao mainka nankasitraka an’ilay perla sarobidy hitanay.

Winston a, mba tantarao hoe tamin’ianareo vao nanomboka nanompo manontolo andro.

A. Sarintany misy ny faritra notsidihinay

B. Hajia avy any amin’ny sasany amin’ireo nosy ireo. Nosy Gilbert sy Ellice no niantsoana an’i Kiribati sy Tuvalu taloha

D. Ilay nosy kanto atao hoe Funafuti: Anisan’ireo nosy maro notsidihinay tamin’ny mbola tsy nisy misionera tany

Vao nivady kelikely izahay sy Pam, dia hoatran’ny hoe nisy “varavarana lehibe” nosokafan’i Jehovah teo anoloanay, mba hahafahanay mampitombo ny fanompoana. (1 Kor. 16:9) Ny Rahalahy Jack Porter no nanoro anay ny varavarana voalohany. Izy no mpiandraikitra ny faritra nitsidika an’ilay fiangonana kely nisy anay. (Samy anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Aostralazia izao izahay.) Nampirisika anay hanao mpisava lalana maharitra izy sy Roslyn vadiny. Nanao an’izany nandritra ny dimy taona izahay, ary tianay be ilay izy. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’izaho 29 taona, dia nitsidika an’ireo nosy tany Pasifika Atsimo izahay sy Pam. Anisan’izany i Samoa Amerikanina, Samoa, Kiribati, Nauru, Niue, Tokelau, Tonga, Tuvalu, ary Vanuatu. Ny sampan’i Fidji no niandraikitra an’io faritra io tatỳ aoriana.

Tsy dia natoky Vavolombelon’i Jehovah ny olona tany tamin’izany, dia nila nitandrina sy tsy nisehoseho be izahay. (Mat. 10:16) Vitsy ny olona tany amin’ireo fiangonana notsidihinay, ka tsy nisy afaka nampiantrano anay indraindray. Nangataka tamin’ny olona teo an-tanàna àry izahay raha afaka matory any amin-dry zareo. Tsara fanahy be taminay foana ry zareo.

Ary ahoana indray no nahatonga anao ho liana be tamin’ny fandikan-teny?

Tany Samoa: Winston mitarika sekolin’ny anti-panahy

Tsy nanana afa-tsy bokikely sy taratasy mivalona vitsivitsy tamin’ny teny tongan ny mpiara-manompo tany Tonga, tamin’izahay vao nanomboka nanompo tany. Ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay amin’ny teny anglisy no nampiasain-dry zareo teny amin’ny fanompoana. Nisy sekolin’ny anti-panahy naharitra iray volana, indray mandeha izay. Nanaiky handika an’io boky io ny anti-panahy telo nanao an’ilay sekoly, na dia tsy nahay teny anglisy be aza. Nosoratan’i Pam tamin’ny milina fanoratana ilay boky, dia nalefa hatao pirinty tany amin’ny sampan’i Etazonia. Roa volana teo ho eo no nahavitana an’ilay izy. Tsy hoe nahafa-po be aloha ilay fandikan-teny e! Nanampy olona be dia be miteny tongan mba hahalala ny fahamarinana anefa ilay izy. Marina hoe tsy mpandika teny izahay mivady, fa lasa tianay raha mba voadika amin’ny fiteny hafa koa ny bokintsika. Te hanohana ny asa fandikan-teny araka izay vitanay izahay.

Nanao ahoana ry Pam ny fiainana tany amin’ireny nosy ireny?

Anisan’ny nipetrahanay io fiara io, tamin’izahay nanao ny asan’ny faritra

Hafa mihitsy ny tany! Be moka be ny toerana sasany, na nafana be. Tany amin’ny toeran-kafa indray mandomando, na feno voalavo. Nisy fotoana koa izahay narary, na zara raha nisy sakafo. Nahafinaritra be anefa isan-kariva. Afaka nitazatazana ny ranomasina avy tao an-tranonay mantsy izahay. Fale no anaran’ilay trano amin’ny teny samoanina. Mitafo bozaka sy tsy misy rindrina izy io, ary fahita any Polinezia. Tazanay koa ny voaniho rehefa nazava be ny volana, sady hitanay teo amin’ny rano ny taratry ny volana. Nankafizinay ireny fotoana ireny, ary nahatonga anay hisaintsaina sy hivavaka. Nanampy anay izany mba hifantoka amin’ny zavatra tsara, fa tsy hieritreritra zavatra mahakivy.

Nahafinaritra be ny ankizy tany, dia tena tianay. Variana erỳ ry zareo nahita anay fotsy hoditra. Tamin’izahay nitsidika tany Niue, ohatra, dia nisy ankizilahikely nikitikitika ny tanan’i Winston sady niteny hoe: “Oay! Hoatran’ny volom-borona! Tsara a!” Mbola tsy nahita olona be volon-tanana hoatran’i Winston mantsy izy, dia tsy hitany izay hilazana azy.

Ontsa kely anefa ny fonay nahita ny fahantran’ny olona. Tsara be mantsy ny toerana nisy an-dry zareo nefa tsy zarizary ny fitsaboana sady zara raha nisy rano hosotroina. Hoatran’ny tsy nanahy tamin’izany anefa ireo rahalahy sy anabavy satria efa zatra. Efa faly ry zareo rehefa miaraka amin’ny fianakaviany, sy manana toerana hanompoana an’i Jehovah, ary afaka midera azy. Modely ho anay ry zareo, satria nanampy anay hifantoka amin’izay tena zava-dehibe sy hanana fiainana tsotra foana.

Hafa mihitsy ny fomba fikarakarana sakafo tany. Indraindray koa ianao tsy maintsy nantsaka. Dia ahoana no nataonao?

Tany Tonga: Pam eo am-panasana lamba

Soa ihany aho fa nampianarin’i Dada! Be dia be ny zavatra natorony ahy, ohatra hoe mandrehitra afo, dia mahandro sakafo amin’ilay izy. Nampianariny hahay hianina amin’izay misy koa aho. Nipetraka tao amin’ny tranokely nitafo bozaka izahay indray mandeha, tamin’izahay nitsidika tany Kiribati. Haran-dranomasina no gorodona, dia volotsangana ny rindrina. Nandavaka tamin’ny tany aho rehefa hahandro sakafo, dia hoditra voaniho no nataoko kitay. Rehefa nantsaka indray aho, dia nilahatra teny amin’ny lavadrano niaraka tamin’ny vehivavy teo an-tanàna. Hazo roa metatra teo ho eo no nampiasain-dry zareo, dia nisy tady teny amin’ny tendron’ilay izy, hoatran’ireny haranjono ireny. Tsy fintana anefa no nataon-dry zareo teny amin’ny faran’ilay tady fa boaty vy. Nifandimby nandefa ny tadiny tao anaty lavadrano ireo mpantsaka. Efa hain-dry zareo erỳ hoe rahoviana no ahodina kely ny tanana, amin’izay mitongilana ilay boaty dia lasa feno rano. Noheveriko fa tsotra kely ilay izy, fa tsy arakaraka izay rehefa izaho no teo. Imbetsaka aho no nanipy an’ilay tady, nefa nidona tamin’ny rano fotsiny ilay boaty dia nitsingevana. Toran’ny hehy daholo ny olona teo, fa avy eo nisy vehivavy izay nanampy ahy. Tsara fanahy sy vonona hanampy hoatr’izany foana ny olona tany.

Tianareo be ny fanompoana tany. Misy zavatra miavaka azonareo tantaraina ve?

Winston: Elaela vao azonay ny fanao sasany tany. Rehefa nanasa anay hisakafo, ohatra, ny mpiara-manompo dia matetika no naroson-dry zareo ho anay daholo ny sakafony. Dia nolaninay ilay izy! Tsy fantatray hoe hay ry zareo tokony hamelana. Mazava ho azy fa rehefa fantatray hoe ahoana no tokony hatao, dia tsy nolaninay intsony izay sakafo naroso ho anay. Tsara fanahy taminay foana anefa ny mpiara-manompo, na dia tsy nety aza ny nataonay indraindray. Fantany mantsy hoe vahiny izahay. Faly be ry zareo nahita anay isaky ny enim-bolana teo ho eo, rehefa tonga nitsidika ny fiangonan-dry zareo izahay. Izahay ihany mantsy no Vavolombelon’i Jehovah fantany ankoatra an’izay iray fiangonana taminy.

Tany amin’ny Nosy Niue: Winston mitarika mpitory maromaro handeha hanompo

Nisy vokany tsara tamin’ny olona teo amin’ny manodidina koa ny fitsidihanay. Betsaka no nieritreritra hoe fivavahana noforomporonin’ireo rahalahy tao an-tanàna fotsiny ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa tonga nitsidika ny fiangonana àry izahay mivady, dia gaga be ny olona satria hitany hoe tsy marina izany.

Pam: Nisy zava-nitranga tsy hohadinoiko mihitsy tany Kiribati. Vitsivitsy no tao amin’ilay fiangonana tany. Iray ihany ny anti-panahy tao, ary niezaka be izy nikarakara anay. Itinikai Matera no anarany. Tonga tany aminay izy indray mandeha, dia nitondra harona anankiray sady niteny hoe: “Ity mba ho anareo.” Atody iray no tao anatin’ilay harona. Tena vokatry ny fo ilay izy na kely aza, ka nanohina ny fonay mivady. Tsy fahita firy koa moa ny atody akoho tamin’izany.

Hono ho’aho Pam, afa-jaza ianao taona vitsivitsy taorian’izay. Dia inona no nanampy anao hiatrika an’izany?

Bevohoka aho tamin’ny 1973, tamin’izahay tany Pasifika Atsimo, dia niverina teto Aostralia izahay. Afa-jaza anefa aho efa-bolana taorian’ny nahatongavanay. Tena nalahelo be izahay sy Winston. Nisinda tsikelikely ny alaheloko, nefa tsy afaka tanteraka ilay izy raha tsy rehefa nahazo an’ilay Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2009 izahay. Izao no “Fanontanian’ny Mpamaky” tao amin’ilay izy: “Azo antenaina mbola hitsangana ve ny zaza maty am-bohoka?” Nanome toky anay ilay lahatsoratra hoe miankina amin’i Jehovah izany, ary manao ny rariny foana izy. Be fitiavana izy, ka hanasitrana ny ratram-po maro nahazo antsika teto amin’ity tontolo ratsy ity, rehefa hasainy ‘handrava ny asan’i Satana’ ny Zanany. (1 Jaona 3:8) Vao mainka izahay nankasitraka an’ilay “perla” ananantsika vahoakan’i Jehovah, rehefa namaky an’ilay lahatsoratra. Tsy hay izay ho niafaranay hoatr’izay raha tsy nanana fanantenana!

Nanompo manontolo andro indray izahay taorian’izay. Tato amin’ny Betelan’i Aostralia izahay nandritra ny volana vitsivitsy, dia avy eo nanao ny asan’ny faritra. Nitsidika fiangonana tany ambanivohitr’i Nouvelle-Galles Atsimo sy Sydney izahay nandritra ny efa-taona, dia nantsoina hanompo tato amin’ny Betela indray tamin’ny 1981. Dia mbola ato izahay hatramin’izao.

Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Aostralazia ianao izao ry Winston. Manampy anao amin’izany ve ny zavatra niainanao tany Pasifika Atsimo?

Ie, tena manampy be! Ny Betelan’i Aostralia no nikarakara an’i Samoa Amerikanina sy Samoa taloha. Natambatra tamin’ny sampan’i Nouvelle-Zélande ny Betelan’i Aostralia tatỳ aoriana, dia lasa sampan’i Aostralazia. Ireto avy izao ny faritra karakarain’io sampana io: Aostralia, Samoa Amerikanina, Samoa, Nosy Cook, Nouvelle-Zélande, Niue, Timaoro Atsinanana, Tokelau, ary Tonga. Efa notendrena ho solontenan’ny sampana tany amin’ny ankamaroan’ireo nosy ireo aho. Niana-javatra betsaka aho rehefa niara-niasa tamin’ny rahalahy sy anabavy tany amin’ireo nosy ireo, ary entiko hanampiana an-dry zareo indray izany eto amin’ny Betela.

Winston sy Pam any amin’ny sampan’i Aostralazia

Hitanay sy Pam tamin’ny zavatra niainanay hoe tsy ny olon-dehibe ihany no mitady an’Andriamanitra. Ny ankizy sy ny tanora koa mba te hahita an’ilay “perla iray sarobidy”, na dia tsy liana amin’izany aza ny ao an-tranony. (2 Mpanj. 5:2, 3; 2 Tan. 34:1-3) Be fitiavana i Jehovah ka tiany hiaina mandrakizay daholo na ny ankizy na ny olon-dehibe!

Nitady an’Andriamanitra izahay, 50 taona mahery lasa izay. Tsy azonay sary an-tsaina mihitsy tamin’izany hoe inona no ho vokatr’izany. Tena perla tsy voavidim-bola ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly! Tapa-kevitra izahay hoe tsy hanary an’io perla io mihitsy, fa hihazona azy io amin’ny herinay rehetra.