Inona no tsapanao rehefa mahita toerana kanto toy ny paradisa ianao amin’ny boky na tele? Angamba ianao te hisintaka kely any lavitra any, mba haka aina sy hanadino ny olana rehetra mahazo anao. Tsy maintsy hoe hiatrika ny fiainana indray anefa ianao rehefa mody.

Na izany aza, dia tena mahaliana ny olona ny resaka paradisa. Nofinofy fotsiny ve anefa izany “paradisa” izany? Raha izany no izy, nahoana ny olona no liana amin’izy io? Mbola hisy ve ny paradisa?

NINOAN’NY OLONA HATRY NY ELA

Efa hatry ny ela be ny olona no liana amin’ny resaka paradisa. Miresaka an’ilay “zaridaina tao Edena tany atsinanana” mantsy ny Baiboly. Tena mahaliana izy io satria “nampanirin’i Jehovah Andriamanitra [tao] ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso sady mahate hihinana.” Kanto sy nahafinaritra tokoa ilay zaridaina. Vao mainka nanintona anefa ilay izy, satria nisy ‘hazon’aina teo afovoany.’—Genesisy 2:8, 9.

Nisy renirano efatra nikoriana koa tao amin’io zaridaina io, araka ny Genesisy. Mbola misy hatramin’izao ny roa amin’ireo, dia i Tigra (na Hidekela) sy Eofrata. (Genesisy 2:10-14) Mamakivaky an’i Irak (Persa fahiny) ireo renirano ireo ary mivarina ao amin’ny Hoala Persika.

Tsy mahagaga raha efa anisan’ny kolontsain’ny Persianina ny resaka paradisa an-tany. Misy karipetra persianina vita tamin’ny taonjato faha-16, ohatra, ao amin’ny tranombakoka iray any Philadelphie, any Etazonia. Misy sarina zaridaina mifefy ahitana hazo sy voninkazo ilay izy, ary mitovitovy amin’ilay zaridaina tany Edena, izay resahin’ny Baiboly. Na ilay teny persianina adika hoe “zaridaina mifefy” aza midika koa hoe “paradisa.”

Nampitampitaina tamin’ny fiteny maro ny tantaran’ny paradisa, rehefa niely eran-tany ny olona. Samy nanana ny fomba nilazany an’ilay tantaran’ny paradisa tany am-boalohany izy ireny. Lasa anisan’ny lovantsofina sy angano teo an-toerana ilay tantara, rehefa nandeha ny fotoana. Na ny olona amin’izao aza rehefa mahita toerana kanto, dia tafateny hoe: “Hoatran’ny paradisa ilay izy!”

NOTADIAVINA HATRAIZA HATRAIZA

Nisy mpikaroka tany vaovao nihambo ho nahita an’ilay paradisa very. Anisan’izany ilay jeneraly anglisy atao hoe Charles Gordon, izay nitsidika an’i Seychelles tamin’ny 1881. Gaga be izy nahita ny hakanton’ilay toerana atao hoe Vallée de Mai, ka nilaza fa ilay zaridainan’i Edena, hono, izy io. Efa anisan’ny Lova Iraisam-pirenena io toerana io izao. Teo koa ilay Italianina mpanamory sambo atao hoe Christophe Colomb. Nieritreritra izy hoe ilay zaridainan’i Edena no hitany, tamin’ny 1492, tamin’izy tonga teo amin’ny Nosy Hispaniola, na ny Repoblika Dominikanina sy Haïti ankehitriny.

Ahitana sarintany tranainy 190 mahery ilay bokin-tantara hoe Sarintanin’ny Paradisa (anglisy). Maro amin’izy ireo no misy ny sarin’i Adama sy Eva tao Edena. Miavaka ilay sarintany nalaina tao amin’ny asa soratr’i Beatus avy any Liébana, tamin’ny 1250 tany ho any. Misy efajoro kely ny farany ambony amin’ilay izy, ary misy sarina paradisa eo afovoan’io efajoro io. Avy eo amin’ilay paradisa indray misy renirano efatra antsoina hoe “Tigra”, “Eofrata”, “Pisona” ary “Gihona.” Samy mamonjy ny zoron’ilay efajoro izy efatra ireo, ary entina ilazana, hono, hoe niparitaka eran’ny vazan-tany efatra ny Fivavahana Kristianina. Hita hoe mbola mahaliana ny olona foana ilay Paradisa tany am-boalohany, na dia tsy fantatra aza hoe taiza marina no nisy azy.

Nalaza be koa i John Milton, poety anglisy tamin’ny taonjato faha-17, noho ilay poeziany hoe  Paradisa Very (anglisy). Ny tantaran’i Adama tamin’izy nanota sy noroahina avy tao Edena no votoatin’izy io. Nasongadiny tao ilay fampanantenana hoe hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona. Hoy izy: “Ho lasa paradisa ny tany manontolo.” Nanoratra an’ilay hoe Paradisa Tafaverina (anglisy) izy tatỳ aoriana.

TSY NINOAN’NY OLONA INTSONY

Tian’ny olona foana hatramin’izay ny niresaka momba an’ilay paradisa teto an-tany. Niova anefa izany. Nahoana? Hoy ny boky Sarintanin’ny Paradisa: ‘Tsy zava-dehibe amin’ny teolojianina intsony ny toerana nisy ny paradisa.’

Ampianarina an’ireo mpiangona fa ho any an-danitra izy ireo rahatrizay, fa tsy hoe hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany. Milaza anefa ny Baiboly ao amin’ny Salamo 37:29 hoe: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” Tsy paradisa mihitsy anefa ny tany amin’izao. Ahoana àry no ahazoana antoka fa tena ho tanteraka izany? *

HO PARADISA NY TANY MANONTOLO

Nampanantena i Jehovah, ilay namorona an’ilay Paradisa tany am-boalohany, fa haveriny amin’ny laoniny izy io. Amin’ny fomba ahoana? Nampianatra antsika hivavaka toy izao i Jesosy: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Fitondram-panjakana hitondra ny tany manontolo io Fanjakana io, ary hanala ny fanjakan’olombelona rehetra. I Jesosy Kristy no hitondra azy. (Daniela 2:44) Hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izy io, ka hataony paradisa ny tany.

Nasaina nanoratra an’izay hitranga ao amin’ny Paradisa i Isaia mpaminany. Tsy hisy intsony amin’izay ireo zavatra mampijaly. (Isaia 11:6-9; 35:5-7; 65:21-23) Nahoana raha maka fotoana kely mba hamakiana an’ireo andininy ireo ao amin’ny Baibolinao? Amin’izay ianao hatoky kokoa an’ilay fampanantenan’Andriamanitra ho an’ny olona mankatò. Ho azon’izy ireo indray ny zavatra nafoin’i Adama. Hiaina ao amin’ny Paradisa mantsy izy ireo ary hahazo sitraka amin’Andriamanitra.—Apokalypsy 21:3.

Nahoana no tsy nofinofy fotsiny ilay hoe ho Paradisa ny tany? Satria hoy ny Baiboly: “Ny lanitra dia an’i Jehovah, fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” “Nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, eny, efa nampanantenainy hatry ny ela be” ilay hoe hisy Paradisa eto an-tany. (Salamo 115:16; Titosy 1:2) Haharitra mandrakizay izy io. Hoavy mamirapiratra tokoa no ampanantenain’ny Baiboly antsika!

^ feh. 15 Mahaliana koa ny zavatra resahin’ny Kôrana ao amin’ny Al-Anbiya’ [Ny Mpaminany] sorata 21, andininy 105: “Handova ny tany izay manao ny marina amin’ny mpanompoko.”