Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 4 2017

 MATOAN-DAHATSORATRA | EFA LALAM-PIAINANA VE NY FAHAFATESANA?

Inona no Ampianarin’ny Baiboly Momba ny Fiainana sy ny Fahafatesana?

Inona no Ampianarin’ny Baiboly Momba ny Fiainana sy ny Fahafatesana?

Hita ao amin’ny Genesisy ny resaka nataon’Andriamanitra tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Hoy izy: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.” (Genesisy 2:16, 17) Tsy ho faty i Adama fa ho niaina tao amin’ny zaridainan’i Edena foana, raha nankatò an’io didy io.

Fantatr’i Adama hoe hiaina mandrakizay izy raha mankatò. Naleony anefa tsy niraharaha an’ilay didy, fa nihinana an’ilay voankazo voarara nomen’i Eva vadiny azy. (Genesisy 3:1-6) Mbola mizaka ny vokatr’izany isika hatramin’izao! Hoy ny apostoly Paoly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romanina 5:12) I Adama ilay “olona iray” resahina eo. Fa inona kosa ilay ota, ary nahoana izy io no nitarika ho amin’ny fahafatesana?

Ninia tsy nankatò na nandika ny lalàn’Andriamanitra i Adama. Izay no atao hoe ota. (1 Jaona 3:4) Fahafatesana no sazin’ny olona manota, araka ny tenin’Andriamanitra tamin’i Adama. Raha nankatò azy foana àry i Adama sy ny taranany, dia tsy ho lasa mpanota na ho faty mihitsy. Tsy noforonina ho faty mantsy ny olona, fa ho velona mandrakizay.

 “Niely tamin’ny olona rehetra” tokoa ny fahafatesana. Misy zavatra tsy mety maty ve anefa ao amintsika? Maro no milaza fa manana fanahy tsy mety maty ny olona, ary mbola velona any ankoatra izy io rehefa maty izy ireo. Raha marina izany, dia nandainga tamin’i Adama Andriamanitra. Nilaza mantsy izy fa ny fahafatesana no sazin’ny olona mpanota. Milaza anefa ny Baiboly fa ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra.’ (Hebreo 6:18) I Satana, raha ny marina, no nandainga tamin’i Eva hoe: “Tsy ho faty velively ianareo.”—Genesisy 3:4.

Manao ahoana marina àry ny olona rehefa maty, raha diso ilay fampianarana hoe tsy mety maty ny fanahy?

MANITSY IZAY DISO NY BAIBOLY

Hoy ny Genesisy 2:7: “I Jehovah Andriamanitra namorona ny olona avy tamin’ny vovoky ny tany, sady nitsoka fofonaina nankao am-bavorony, ka lasa zavamananaina ny olona.” Avy amin’ny teny hebreo hoe nefesh * ilay hoe “zavamananaina.” Midika ara-bakiteny izy io hoe “zavaboary mifoka rivotra.”

Tsy milaza àry ny Baiboly hoe nasiana fanahy tsy mety maty tao amin’i Adama rehefa noforonina izy. Nasiana “fofonaina” kosa izy, dia lasa “zavamananaina.” Tsy ho hitanao ao amin’ny Baiboly mihitsy àry ny hoe “fanahy tsy mety maty”, na hikaroka toy inona aza ianao.

Raha izany no izy, nahoana no be dia be ny fivavahana mampianatra fa manana fanahy tsy mety maty ny olona? Tany Ejipta fahiny no niandohan’io fampianarana io, rehefa jerena ny tantara.

MAHAZO VAHANA NY FAMPIANARAN’NY MPANOMPO SAMPY

Grika mpahay tantara tamin’ny taonjato  fahadimy Talohan’i Kristy (T.K.) i Hérodote. Nilaza izy fa ny Ejipsianina no “voalohany nanizingizina hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona.” Nieritreritra an’izany koa ny Babylonianina. Novoizin’ireo filozofa grika ilay fampianarana, rehefa resin’i Aleksandra Lehibe ireo firenena tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane tamin’ny 332 T.K. Tsy ela àry ilay izy dia niely eran’ny Fanjakana Grika.

Tsy ho hitanao ao amin’ny Baiboly mihitsy ny hoe “fanahy tsy mety maty”

Sekta jiosy nalaza tamin’ny taonjato voalohany Aorian’i Kristy (A.K.) ny Esenianina sy ny Fariseo. Nampianatra koa izy ireo fa tsy mety maty ny fanahy. Hoy Ny Rakipahalalana Jiosy (anglisy): “Nanjary nahaliana ny Jiosy ny kolontsaina grika, indrindra fa ny filozofian’i Platon, ka lasa nino izy ireo hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona.” Nilaza koa i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, fa tsy avy ao amin’ny Soratra Masina io fampianarana io. Avy amin’ireo angano “ninoan’ny Grika”, hono, izy io.

Niely be ny kolontsaina grika, ka lasa nino an’io fampianaran’ny mpanompo sampy io ireo mitonona ho Kristianina. Hoy i Jona Lendering, mpahay tantara: “Mora ny nampifangaro ny filozofian’i Platon sy ny fampianarana kristianina. Nino mantsy i Platon fa nonina tany amin’ny tontolo mahafinaritra ny fanahintsika taloha, saingy naetry avy eo.” Lasa anisan’ny foto-pampianaran’ireo fivavahana milaza azy ho Kristianina àry ilay hoe tsy mety maty ny fanahy.

 “NY MARINA HANAFAKA ANAREO”

Hoy ny apostoly Paoly, tamin’ny taonjato voalohany: “Milaza marimarina ny fanambarana avy amin’ny fanahy fa hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy sy mihaino fampianaran’ny demonia.” (1 Timoty 4:1) Izany tokoa no nitranga! Anisan’ny “fampianaran’ny demonia” ilay hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. Tsy ao amin’ny Baiboly izy io, fa fampianaran’ny mpanompo sampy sy ny filozofa fahiny.

Soa fa nilaza i Jesosy hoe: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:32) Fahita any amin’ny fivavahana maro mantsy ny fampianarana sy fanao manala baraka an’Andriamanitra. Tsy hanaraka an’ireny intsony isika raha mahalala an’izay tena lazain’ny Baiboly. Ho olona afaka tokoa isika amin’izay. Tsy hanandevo antsika intsony koa ny finoanoam-poana sy ny fombafomba atao rehefa misy maty.—Jereo ilay efajoro hoe “ Aiza no Misy ny Maty?

Tsy fikasan’ilay Mpamorona mihitsy ny hoe ho velona 70 na 80 taona eto an-tany fotsiny ny olona, dia avy eo ho velona mandrakizay any ankoatra. Noforoniny kosa izy ireo mba ho velona mandrakizay eto an-tany sy hankatò azy toy ny zanaka. Hita amin’izany fa tena tiany ny olombelona, ary tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany. (Malakia 3:6) Manome toky ny mpanao salamo hoe: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29.

 

^ feh. 9 Mandika azy io hoe “fanahy manan’aina” ny Fandikan-tenin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Ny Fandikan-teny Protestanta kosa manao hoe “olombelona”, ary ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara hoe “manana aina.”