Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 4 2017

Tena ilaina ny mifampiresaka tsara dieny mialoha

Misy Havanao Marary Efa ho Faty Ve?

Misy Havanao Marary Efa ho Faty Ve?

TOY ny nilatsaham-baratra i Anja, * rehefa nilazana hoe nisy fivontosana tao amin’ny atidohan’i Faly vadiny ary efa nihombo be ilay izy. Vao 54 taona i Faly. Nilaza anefa ny dokotera fa ho faty izy afaka volana vitsivitsy. Hoy i Anja: “Tsy nampino ahy ny zavatra reko. Hoatran’ny verivery saina izany aho nandritra ny herinandro vitsivitsy. Tsy nampoiziko hoe izahay no iharan’izany.”

Mampalahelo fa tsy i Anja irery no mahatsapa hoatr’izany. Mety harary mafy isika rehetra ka mety ho faty. Soa fa maro no vonona hikarakara ny havany marary efa ho faty. Tena tsy mora anefa izany. Inona àry no azon’ny fianakaviana atao mba hampaherezana sy hikarakarana an’ilay havany? Inona no hanampy an’ireo mikarakara marary hifehy ny fihetseham-pony, mandritra ny fotoana itsaboana an’ilay olona? Inona no mety hitranga rehefa akaiky ho faty ilay marary? Andeha aloha hodinihintsika hoe nahoana no tena tsy mora ny mikarakara marary efa ho faty.

OLANA ENTIN’NY FANDROSOANA

Elaela kokoa izao ny olona vao maty noho ny fandrosoan’ny siansa. Tsy hoatr’izany anefa ny zava-nisy, zato taona teo ho eo izay, na dia tany amin’ny firenena mandroso aza. Mora maty ny olona rehefa voan’ny areti-mifindra na tra-doza. Vitsy no afaka niditra hopitaly ka tany an-trano ny marary no nokarakarain’ny fianakaviana. Tany koa izy ireo no maty.

Mandroso anefa izao ny fitsaboana, ka vitan’ny dokotera ny miady amin’ny aretina mba hanalavana ny androm-piainan’ny olona. Nahafaty haingana ny aretina sasany taloha, fa amin’izao mety ho afaka taona maro vao maty ny olona voan’ilay izy. Tsy hoe sitrana tanteraka anefa ilay marary. Matetika no lasa malemy izy ka tsy mahavita tena intsony. Sarotra kokoa ny mikarakara olona hoatr’izany sady asa be.

Aleon’ny olona àry any amin’ny hopitaly ilay marary no tsaboina, ka mihamaro ny olona maty any. Maro izao no tsy mahay hoe inona no mitranga  amin’ny marary rehefa ho faty izy. Vitsy koa no efa nahita olona miala aina. Matahotra an’izay hitranga àry ny sasany, ka mety tsy ho sahy hikarakara havana marary na tsy hahavita an’izany mihitsy. Inona àry no azo atao?

MAHAIZA MANDAMINA MIALOHA

Maro no mivarahontsana toa an’i Anja, rehefa fantany hoe voan’ny aretina mahafaty ny havany. Mety hanahy be ianao, na hatahotra, na halahelo be. Inona àry no hanampy anao hiatrika an’ilay izy? Nisy mpanompon’Andriamanitra nivavaka hoe: “Atoroy anay ny fanisana ny andronay, mba hanananay fo hendry.” (Salamo 90:12) Mivavaha mafy amin’i Jehovah àry mba hatorony anao ny ‘fanisana ny andronao.’ Ho afaka hikarakara tsara an’ilay havanao ianao amin’izay, mandritra ny andro sisa iainany.

Mila alamina mialoha izany. Mbola afaka sy vonona hiresaka momba an’ilay aretiny ve ilay havanao? Anontanio àry izy hoe iza no tokony hanapa-kevitra eo amin’ny toerany rehefa tsy afaka manao izany intsony izy. Tiany hohalavaina amin’ny fomba tsy mahazatra ve, ohatra, ny androm-piainany raha tsy mahatsiaro tena ela be izy? Hampidirina hopitaly ve izy? Hanaraka fitsaboana sasany ve izy? Hihena ny tsy fifankahazoana raha mifampiresaka tsara momba izany ianareo. Tsy hanamelo-tena koa ireo tsy maintsy manapa-kevitra eo amin’ny toeran’ilay marary. Afaka mikarakara tsara an’ilay marary ny fianakaviany, rehefa mifampiresaka tsara dieny mialoha. Hoy ny Ohabolana 15:22: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana.”

AHOANA NO HANAMPIANA AZY?

Ny hampahery an’ilay olona no tena andraikitry ny mpikarakara marary. Mila omena toky ny marary efa ho faty hoe tiana izy ary tsy irery. Ahoana no hanaovana an’izany? Amakio boky izy na anaovy hira, ka izay lahatsoratra na hira mampahery sy mampifaly azy fidina. Mety hampahery an’ilay marary koa ny havany raha mitazona ny tanany sady tsara fanahy rehefa miresaka aminy.

Tsara koa matetika raha ampahafantarina an’ilay marary izay olona tonga mitsidika azy. Hoy ny tatitra iray: “Voalaza fa na tsy miasa intsony aza ireo vavahadin-tsaina hafa dia mbola mahare zavatra ihany ny [marary efa ho faty]. Mety mbola hahare tsara izy na dia hoatran’ny matory aza. Aza milaza zavatra tsy tianao ho reny àry raha mbola eo akaikiny ianao.”

Miaraha mivavaka aminy, raha azo atao. Niharam-panerena faran’izay mafy ny apostoly Paoly sy  ireo niaraka taminy, indray mandeha. Tsy azon’izy ireo antoka intsony mihitsy na ny ain-dry zareo aza. Inona no nilain’izy ireo? Hoy i Paoly tamin’ny namany: “Ianareo koa afaka manampy rehefa mitalaho amim-bavaka ho anay.” (2 Korintianina 1:8-11) Tena mahasoa àry ny mivavaka amin’ny fo, rehefa miady saina be na misy marary mafy.

EKEO NY ZAVA-MISY

Malahelo be isika rehefa misy havantsika marary efa ho faty. Tsy mahagaga izany satria tsy voajanahary ny fahafatesana. Tsy noforonina hanaiky isika hoe lalam-piainana izy io. (Romanina 5:12) Antsoin’ny Baiboly hoe “fahavalo” ny fahafatesana. (1 Korintianina 15:26) Ara-dalàna àry ianao raha tsy te hieritreritra hoe ho faty ilay havanao.

Tsy dia hatahotra anefa ianareo mianakavy raha miomana hiatrika an’izay hitranga. Hifantoka amin’izay hahasoa an’ilay marary koa ianareo. Miresaka zavatra sasany mety hitranga amin’ny marary efa ho faty ilay efajoro hoe “ Ireo Herinandro Farany.” Mazava ho azy fa tsy hoe manjo ny marary tsirairay ny zava-drehetra voalaza ao, na tsy maintsy hoe misesy araka ny filaharany. Mitranga amin’ny marary maro anefa ny sasany amin’izy ireo.

Mila fanampiana ve ianao rehefa maty ilay havanao? Tsara àry raha antsoina izay namanareo akaiky efa nilaza fa vonon-kanampy. Mila omena toky angamba ny fianakavian’ilay olona maty sy izay nikarakara azy tamin’izy narary, hoe tsy mijaly intsony ilay olona tena tiany. Manome toky ilay Mpamorona ny olombelona hoe “tsy mahalala na inona na inona” ny maty.—Mpitoriteny 9:5.

ILAY TENA MAHAVITA MIKARAKARA

Tsara ny manaiky hampiana

Tena ilaina ny miantehitra amin’Andriamanitra. Tsy amin’ilay fotoana itsaboana an’ilay havanao ihany, fa aorian’ny nahafatesany koa rehefa malahelo azy ianao. Mety hisy olona asain’i Jehovah hampahery na hanao zavatra ho anao. Hoy i Anja: “Hitako hoe tsara ny manaiky hampiana. Be dia be, raha ny marina, ny olona nanampy anay. Hoatran’ny nilaza taminay mivady i Jehovah hoe: ‘Aza manahy fa eto anilanareo eto aho, ary vonona hanampy anareo.’” Tsy hohadinoiko mihitsy izany.

I Jehovah tokoa no tena mahavita mikarakara antsika. Namorona antsika mantsy izy, ka takany tsara ny fahoriantsika. Afaka manampy sy mampahery antsika izy sady vonona hanao izany. Nampanantena aza izy hoe tsy ho ela dia hofoanany ny fahafatesana, ary hatsangany amin’ny maty ireo olona an’arivony tapitrisa ao amin’ny fitadidiany. (Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:3, 4) Afaka miteny toa an’ny apostoly Paoly ny rehetra amin’izay hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?”—1 Korintianina 15:55.

^ feh. 2 Novana ireo anarana.