Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 4 2017

Baiboly Hebreo Tena Miavaka Nataon’i Elias Hutter

Baiboly Hebreo Tena Miavaka Nataon’i Elias Hutter

MAHAY an’ilay teny hebreo nanoratana ny Baiboly ve ianao? Tsia angamba. Mety hoe mbola tsy nahita Baiboly amin’ny teny hebreo mihitsy aza ianao. Vao mainka anefa ianao hankasitraka ny Soratra Masina rehefa mahalala momba an’i Elias Hutter, manam-pahaizana tamin’ny taonjato faha-16, sy ny Baiboly roa navoakany tamin’ny teny hebreo.

Teraka tao Görlitz i Elias Hutter tamin’ny 1553. Tanàna kely any Alemaina izy io, eo akaikin’ny sisin-tanin’i Polonina sy ny Repoblika Tseky. Nianatra teny hebreo sy aramianina tao amin’ny Oniversite Loteranina any Iéna i Elias. Voatendry ho mpampianatra teny hebreo tao Leipzig izy, tamin’izy vao 24 taona. Te hitondra fanavaozana teo amin’ny sehatry ny fampianarana izy, ka nanorina sekoly iray tany Nuremberg. Tao anatin’ny efa-taona dia efa nahay teny hebreo, grika, latinina, ary alemà ny mpianany. Tsy nahavita an’izany anefa izy ireo, raha tany amin’ny sekoly na oniversite hafa.

“KANTO ILAY BAIBOLY”

Ny pejy voalohany ao amin’ilay Baibolin’i Elias tamin’ny teny hebreo tamin’ny 1587

Namoaka ny Testamenta Taloha tamin’ny teny hebreo i Elias, tamin’ny 1587. Nantsoina hoe Derekh ha-Kodesh io fanontana io. Nalaina avy tao amin’ny Isaia 35:8 ilay anarana, ary midika hoe “Lalan’ny Fahamasinana.” Tsara be ny endri-tsoratra ao amin’ilay Baiboly, ka nilaza ny boky iray fa “tena kanto ilay Baiboly manontolo.” Tena niavaka koa anefa izy io, satria nanampy be an’ireo nianatra teny hebreo.

Nanana olana roa mantsy izy ireo, rehefa niezaka namaky Baiboly tamin’ny teny hebreo. Voalohany, hafa ny abidy sady tsy mahazatra, ary vakina avy any ankavanana miankavia. Faharoa, sarotra ny mamantatra ny fototeny rehefa miampy tovona sy tovana. Diniho, ohatra, ilay teny hebreo hoe נפשׁ (nefesh), izay midika hoe “aina.” Misy tovona ה (ha), nadika hoe “ny”, izy io ao amin’ny Ezekiela 18:4, ka manome an’ilay kambanteny hoe הנפשׁ (hannefesh), na “ny aina.” Raha tsy tena mahay teny hebreo ny olona iray, dia hoatran’ny hoe teny samy hafa mihitsy ny הנפשׁ (hannefesh) sy ny נפשׁ (nefesh).

Nampiasa teknika hanampiana ny mpianany i Elias, rehefa nanoratra ny teny hebreo. Nataony mainty misongadina tsara ny fototeny, fa ny tovona sy tovana kosa nataony tsy tena misongadina. Mora tamin’ny mpianany àry ny namantatra ny  fototeny amin’ny teny hebreo. Nanampy azy ireo hianatra an’ilay fiteny izany. Ahitana an’io teknika io koa ao amin’ireo fanamarihana ambany pejin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana (frantsay). Natao sora-matevina ny fototeny amin’ny teny hebreo, fa natao soratra mahazatra kosa ireo tovona sy tovana. Asongadina eo amin’ny sary ny endri-tsoratra ampiasaina ao amin’ny Ezekiela 18:4, ao amin’ny Baibolin’i Elias tamin’ny teny hebreo sy ao amin’ny fanamarihana ambany pejin’ny Baiboly Fanaovana Fikarohana (anglisy).

“TESTAMENTA VAOVAO” TAMIN’NY TENY HEBREO

Nataon’i Elias pirinty koa ny Testamenta Vaovao, izay ahitana andininy amin’ny fiteny 12. Navoaka tany Nuremberg izy io tamin’ny 1599, ary antsoina hoe Polyglotte de Nuremberg. Anisan’ireo fiteny 12 ao amin’ilay Testamenta Vaovao ny teny hebreo. I Elias mihitsy no nandika an’ilay izy avy tamin’ny teny grika. Tsy nahazo Testamenta Vaovao tamin’ny teny hebreo mihitsy mantsy izy, na dia nitady mafy sy vonona handoa vola be aza. * Herintaona monja dia vitany ilay fandikan-teny, satria navelany daholo ny asa hafa fa io no nimasoany.

Tsara ve ny Soratra Grika Kristianina tamin’ny teny hebreo nataon’i Elias? Hoy i Franz Delitzsch, manam-pahaizana malaza momba ny teny hebreo, tamin’ny 1891: “Hita amin’ny fandikan-teniny fa tena nahazo ny teny hebreo izy. Vitsy ny Kristianina mahay hoatr’izany. Mbola azo akana hevitra foana ilay izy, satria tena hainy ny nifidy ny teny ampiasaina.”

MISY VOKANY MAHARITRA

Tsy lasa mpanefohefo i Elias, satria tsy dia nisy nividy ilay Testamenta Vaovao navoakany. Misy vokany tsara sy maharitra anefa ny sangan’asany. Nohavaozin’i William Robertson, ohatra, ilay Testamenta Vaovao tamin’ny teny hebreo ary nataony pirinty indray tamin’ny 1661. Toy izany koa no nataon’i Richard Caddick, tamin’ny 1798. Nandika avy tamin’ny teny grika tany am-boalohany i Elias. Nadikany tsara ilay hoe Kyriôs (Tompo) na Teôs (Andriamanitra), ka nataony hoe “Jehovah” (יהוה, JHVH), rehefa nalaina avy tao amin’ny Soratra Hebreo ilay andininy, na fantany hoe i Jehovah no tian’ilay izy horesahina. Mahaliana izany satria betsaka ny Testamenta Vaovao tsy ahitana ny anaran’Andriamanitra. Misy an’io anarana io kosa ny fandikan-tenin’i Elias, ka vao mainka manaporofo hoe mila averina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny anaran’Andriamanitra.

Tadidio foana àry ny sangan’asan’i Elias Hutter sy ilay Baiboly tamin’ny teny hebreo nadikany, rehefa hitanao ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.

^ feh. 9 Toa efa talohan’izay ny manam-pahaizana no nandika ny Testamenta Vaovao tamin’ny teny hebreo. Anisan’izany i Simon Atoumanos, moanina avy any Byzance, tamin’ny 1360 tany ho any. Teo koa ilay Alemà atao hoe Oswald Schreckenfuchs, tamin’ny 1565 tany ho any. Mbola tsy natao pirinty mihitsy anefa ny fandikan-tenin’izy ireo ary efa very.