Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY TILIKAMBO FIAMBENANA No. 4 2017 | Efa Lalam-piainana ve ny Fahafatesana?

AHOANA NY HEVITRAO?

Sitrapon’Andriamanitra ve ny hahafatesantsika? Hoy ny Baiboly: [Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony.”Apokalypsy 21:4.

Hazavain’ity gazety ity hoe inona no ampianarin’ny Baiboly momba ny fiainana sy ny fahafatesana.

 

MATOAN-DAHATSORATRA

Fanontaniana Manitikitika ny Saina

Mbola velona any ankoatra ve ny maty? Samy manana ny heviny momba izany ny olona. Aiza no ahitana fanazavana azo itokisana?

MATOAN-DAHATSORATRA

Inona no Ampianarin’ny Baiboly Momba ny Fiainana sy ny Fahafatesana?

Misy zavatra tsy mety maty ve ao amintsika? Aiza no misy ny maty?

Misy Havanao Marary Efa ho Faty Ve?

Inona no azon’ny fianakaviana atao mba hampaherezana sy hikarakarana an’ilay havany? Inona no hanampy an’ireo mikarakara marary hifehy ny fihetseham-pony, mandritra ny fotoana itsaboana an’ilay olona?

Baiboly Hebreo Tena Miavaka Nataon’i Elias Hutter

Namoaka Baiboly roa tamin’ny teny hebreo i Elias Hutter, manam-pahaizana tamin’ny taonjato faha-16. Tena sarobidy ireo Baiboly ireo tamin’izany.

Ilay Litera Kely Indrindra Manome Toky Antsika

Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niresaka momba an’ilay litera kely indrindra ao amin’ny abidy izy?

Nofinofy Fotsiny ve ny Paradisa An-tany?

Tian’ny olona foana hatramin’izay ny niresaka momba an’ilay paradisa teto an-tany. Mbola hisy ve izy io?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Misy milaza fa tsy maintsy manahy isika eo amin’ny fiainana. Mbola ho afaka amin’izany ve isika?

Zavatra Hafa ato Amin'ny Internet

Nahoana ny Olona no Maty?

Mampahery antsika ny valiny omen’ny Baiboly, sady manome fanantenana.