Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NO. 4 2016

Nitandrina be ny Masoreta rehefa nanao kopia ny Soratra Masina

 MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?

Nisy Nitady Hanova ny tao Anatiny

Nisy Nitady Hanova ny tao Anatiny

OLANA: Tsy nanjavona ny Baiboly na dia mora simba aza ny fitaovana nanoratana azy, ary na notadiavina hofongorana aza izy io. Nitady hanova ny tao anatiny anefa ny mpandika teny sy mpanao dika soratra sasany. Niezahany nampifanarahina tamin’ny fampianarany ny Baiboly, fa tsy ny fampianarany no nataony nifanaraka tamin’izy io. Ireto misy ohatra:

  • Toeram-pivavahana: Nanampy teny tao amin’ny Eksodosy 20:17 ny mpanoratra ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina, teo anelanelan’ny taonjato fahefatra sy faharoa T.K. Nampiany an’izao ilay andininy: “... any an-tendrombohitra Gerizima. Ary any ianao no hanorina alitara.” Toy ny hoe ny Soratra Masina mihitsy àry no milaza fa tokony hanorina tempoly any an-tendrombohitra Gerizima ny Samaritanina.

  • Fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray: Nanampy teny tao amin’ny 1 Jaona 5:7 ny mpanoratra iray mino an’io fampianarana io, 300 taona latsaka taorian’ny nahavitan’ny Baiboly. Nampiany an’izao ilay izy: “... any an-danitra, dia ny Ray, ny Teny ary ny Fanahy Masina: ary izy telo ireo dia iray.” Tsy hita tao amin’ny sora-tanana tany am-boalohany anefa ireo. Hoy i Bruce Metzger, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Lasa niverimberina tao amin’ny sora-tanana latinina tranainy sy ny Vulgate [latinina]” ireo teny ireo, “nanomboka tamin’ny taonjato fahenina.”

  • Ny anaran’Andriamanitra: Maro ny mpandika Baiboly nanala azy io tao amin’ny Soratra Masina, noho izy ireo nanaraka ny finoanoam-poanan’ny Jiosy. Nosoloan’izy ireo anaram-boninahitra hoe “Andriamanitra” na “Tompo” izy io. Tsy ny Mpamorona ihany anefa no antsoina amin’ireo anarana ireo ao amin’ny Baiboly, fa ny olona sy ny sampy ary na ny Devoly koa aza.—Jaona 10:34, 35; 1 Korintianina 8:5, 6; 2 Korintianina 4:4. *

NAHOANA NO TSY NIOVA NY BAIBOLY? Voalohany,  maro ny mpanao dika soratra tena nahay sy nitandrina tsara, na dia nanao tsirambina sy namitaka aza ny hafa. Nataon’ny Masoreta kopia na dika mitovy, ohatra, ny Soratra Hebreo teo anelanelan’ny taonjato fahenina sy fahafolo. Antsoina hoe soratra nataon’ny Masoreta izy io. Nisain’izy ireo ny teny sy ny litera mba hahitany raha misy diso na tsia. Nosoratany teny amin’ny sisim-pejy koa izay zavatra nampiahiahy azy tao amin’ny sora-tanana nataony kopia. Tsy nety nanova ny teny ao amin’ny Baiboly izy ireo. Hoy ny mpikaroka atao hoe Moshe Goshen-Gottstein: “Noheverin’izy ireo ho fahotana mahafaty ny manao fanahy iniana manova an’ilay izy.”

Faharoa, manampy an’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly hahita ny diso ny sora-tanana maro be misy ankehitriny. Nampianarin’ny mpitondra fivavahana nandritra ny taonjato maro, ohatra, fa ny Baiboly amin’ny teny latinina no tena marina. Efa nampian’izy ireo an’ilay hevi-diso voaresaka terỳ aloha anefa ny 1 Jaona 5:7. Na ny Fandikan-tenin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy aza ahitana azy io. Inona anefa no nasehon’ireo sora-tanana hafa hita tatỳ aoriana? Hoy i Bruce Metzger: “Tsy hita mihitsy ao amin’ny sora-tanana fahiny (syriàka, kôpta, armenianina, etiopianina, arabo, ary slavônika) ilay fehezanteny nampiana [tao amin’ny 1 Jaona 5:7]. Ny sora-tanana amin’ny teny latinina ihany no misy azy io.” Nesorina tao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly malagasy àry ilay fehezanteny diso.

Chester Beatty P46, Baiboly sora-tanana amin’ny taratasy papyrus, tamin’ny taona 200 tany ho any

Porofoin’ny sora-tanana tranainy ve fa tsy niova ny Baiboly? Hita tamin’ny 1947 ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, izay nosoratana efa arivo taona mahery talohan’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta. Afaka nampitaha an’ireo sora-tanana roa ireo àry ny manam-pahaizana. Nilaza ny lehilahy iray anisan’ny mpandalina an’io horonam-bokin’ny Baiboly io fa horonana iray dia efa “manome porofo tsy azo lavina hoe nitandrina be sady tsy nanao diso mihitsy ireo Jiosy mpanao dika soratra, rehefa nanao kopia an’ireo Baiboly sora-tanana nandritra ny arivo taona mahery.”

Ahitana taratasy papyrus misy ny ankamaroan’ny boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ao amin’ny Tranomboky Chester Beatty, any Irlandy. Anisan’izany ny sora-tanana tamin’ny taonjato faharoa, izany hoe 100 taona teo ho eo monja taorian’ny nahavitan’ny Baiboly. Hoy Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): “Marina aloha hoe nahitana tsipirian-javatra vaovao be dia be ireo taratasy papyrus. Hita avy amin’izy ireny koa anefa fa tsy niova ireo Baiboly sora-tanana rehefa natao kopia.”

“Tsy diso isika raha milaza fa tsy misy asa soratra tranainy nampitaina tamin’ny fomba marina toy izany”

INONA NO VOKANY? Tsy nampihen-danja ny Baiboly ny fisian’ny sora-tanana maro sy tranainy be, fa vao mainka nahatonga azy io ho azo itokisana. Hoy Atoa Frederic Kenyon momba ny Soratra Grika Kristianina: “Io ihany no boky tranainy manana porofo maro be sy efa taloha be hoe marina ny zavatra raketiny. Raha manam-pahaizana tsy mitsara an-tendrony dia tsy maintsy hiaiky hoe marina ny Baiboly ananantsika amin’izao.” Hoy koa ilay manam-pahaizana atao hoe William Green momba ny Soratra Hebreo: “Tsy diso isika raha milaza fa tsy misy asa soratra tranainy nampitaina tamin’ny fomba marina toy izany.”

^ feh. 6 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny pejy 1-13 amin’ny bokikely Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra, ao amin’ny www.jw.org/mg.

Fanampim-panazavana

Nanankinana ny Fandikana ny “Fanambarana Masin’Andriamanitra”—Romanina 3:2

Nampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly maro ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny zato taona lasa. Nahoana izy ireo no nandika ny Baiboly ho amin’ny fiteny anglisy maoderina?

Nahoana Izahay no Namoaka Baiboly?

Inona no mampiavaka ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?