Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NO. 4 2016

 MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?

Nisy Nitady Hamongotra Izy Io

Nisy Nitady Hamongotra Izy Io

OLANA: Betsaka ny mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana nampiasa ny fahefany mba hisakanana ny olona tsy hanana na hamokatra na handika Baiboly. Mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly anefa izany. Diniho ireto ohatra ireto:

  • Taona 167 Talohan’i Kristy (T.K.) tany ho any: Te hanery ny Jiosy hanaraka ny fivavahana grika ny mpanjaka syrianina atao hoe Antiokosa Epifana, ka nasainy nopotehina daholo ireo boky anisan’ny Soratra Hebreo. Hoy i Heinrich Graetz, mpahay tantara, momba ny zavatra nataon’ny iraky ny mpanjaka: “Norovitiny sy nodorany izay horonana nisy ny Lalàna, na taiza na taiza nahitany an’izany. Ary izay tratra namaky azy ireny mba hahazoana hery sy fampiononana dia novonoina.”

  • Teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any: Tezitra ny mpitondra fivavahana katolika sasany, satria nisy mpiangona nitory ny hafatry ny Baiboly fa tsy ny fampianaran’ny Katolika. Nolazain’izy ireo ho mpivadi-pinoana izay lahika nanana an’ireo boky ao amin’ny Baiboly ankoatra ny bokin’ny Salamo amin’ny teny latinina. Tapaka tamin’ny fivoriana iray nataon’ny Eglizy fa hisy vatan-dehilahy “hasaina hitady ny toerana misy an’ireo mpivadi-pinoana. Hanao an’izany matetika izy ireo ary tsy hanao kitoatoa. Hataon’izy ireo savahao izay trano sy lakaly rehetra ahiahina ho misy an’ireo mpivadi-pinoana. ... Horavana izay trano rehetra ahitana azy ireny.”

Raha vitan’izy ireo ny namongotra ny Baiboly dia ho nanjavona koa ny hafatra noraketin’izy io.

Tsy nanjavona ny Baiboly anglisy nadikan’i William Tyndale, na dia voarara sy nodorana aza ny Baiboly, ary na dia novonoina aza izy tamin’ny 1536

NAHOANA NO TSY FONGOTRA NY BAIBOLY? Ny Jiosy tany Israely no tena noteren’i Antiokosa Mpanjaka hanaraka ny fivavahana grika. Efa niparitaka nanerana ny firenena maro anefa ny Jiosy. Milaza ny manam-pahaizana fa maherin’ny 60 isan-jatony no nipetraka tany ivelan’i Israely, tamin’ny taonjato voalohany. Notehirizin’ny Jiosy tany amin’ny synagoga ireo boky anisan’ny Soratra Masina. Ireny no nampiasain’ny taranaka tatỳ aoriana, anisan’izany ny Kristianina.—Asan’ny Apostoly 15:21.

Tsy natahotra fanenjehana ireo olona tia Baiboly, teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any. Nadikan’izy ireo foana ny Soratra Masina ary nataony kopia. Mety ho efa nisy tamin’ny fiteny 33 ny ampahany amin’ny Baiboly tamin’ny 1450 tany ho any, na dia mbola tsy nisy aza ny milina fanontam-pirinty. Vao mainka nihabetsaka ny Baiboly nadika sy novokarina taorian’izay.

INONA NO VOKANY? Ny Baiboly no boky miely indrindra sy voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra hatramin’izay, na dia niezaka namongotra azy io aza ny mpanjaka mahery sy ny mpitondra fivavahana. Nisy vokany teo amin’ny lalàna sy fiteny any amin’ny tany sasany izy io, ary koa teo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany.