Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Lasa ela velona kokoa ve ny olona rehefa novana ny fototarazo?

Te ho Ela Velona ny Olona

Te ho Ela Velona ny Olona

“Efa hitako ny asa nomen’Andriamanitra hataon’ny zanak’olombelona. Tsara sy tamin’ny fotoanany avy no nanaovan’Andriamanitra ny zava-drehetra. Ary na ny fotoana tsy voafetra aza dia nataony tao am-pon’ny olombelona.”​Mpitoriteny 3:10, 11.

TENA marina ireo tenin’i Solomona Mpanjaka ireo. Hita amin’ny tantara sy angano maro hoe nitady hevitra foana ny olona, mba hahatonga azy ireo ho ela velona kokoa. Tsy azo ialana mantsy ny fahafatesana, sady fohy ny androm-piainan’ny olona.

Eritrereto, ohatra, ny angano momba an’i Gilgamesh. Mpanjaka somerianina, hono, izy io. Voalaza fa tsy te ho faty mihitsy izy, ka nanao dia lavitra mba hahitana vahaolana. Nody maina anefa izy.

Mpahay simia fahiny, ao amin’ny laboratoarany

Niezaka nanamboatra ranon-javatra mahela velona koa ny mpahay simia tany Chine, 2 400 taona lasa izay. Nisy merkiora sy zavatra nalaina avy amin’ny arsenika ilay izy. Voalaza fa be dia be ny Mpanjaka sinoa namoy ny ainy rehefa nisotro azy io. Hafa kosa no nataon’ireo mpahay simia tany Eoropa, teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any. Nataony izay hahatonga ny volamena ho azo hanina. Tsy mety harafesina mantsy ny volamena, ka nieritreritra izy ireo hoe ho ela velona izay mihinana azy io.

Mbola tsy te ho antitra sy ho faty ny olona, na hatramin’izao aza. Miezaka mikaroka ny antony mahatonga ny olona hihantitra ny mpahay siansa. Inona ny vokatry ny fikarohana nataon’izy ireo?

‘NATAON’ANDRIAMANITRA TAO AM-PON’NY OLOMBELONA NY FOTOANA TSY VOAFETRA.’—MPITORITENY 3:10, 11

MIKAROKA IZY IREO HOE NAHOANA NY OLONA NO MIHANTITRA

Nahoana tokoa ny olona no mihantitra sy maty? Nahita fanazavana 300 mahery ny mpahay siansa. Vao haingana izao ny mpikaroka momba ny zavamananaina no nahavita nanova ny fototarazo sy ny proteinina ao amin’ny selan’ny olona sy ny biby. Lasa elaela kokoa àry ireny sela ireny vao maty. Faly ny mpanankarena sasany rehefa nahalala momba an’izany. Nanome vola àry izy ireo, mba hanampiana ny mpahay siansa hikaroka hoe nahoana isika no maty. Inona no hitan’izy ireo?

Nitady fomba izy ireo mba hahatonga ny sela ho ela velona kokoa. Milaza ny mpahay siansa sasany fa ny fiovan’ny telômera ao amin’ny olona no mahatonga antsika hihantitra. Ny tendron’ny krômôzôma no antsoina hoe telômera, ary izy io no miaro ny toromarika ao amin’ny ADN rehefa mizara ny sela. Mihafohy anefa ny telômera isaky ny mizara ny sela tsirairay. Tsy mahavita mizara intsony àry ny sela amin’ny farany, dia izay no mahatonga ny olona hihantitra.

Nahita zava-baovao ilay mpahay siansa atao hoe Elizabeth Blackburn sy ny ekipany. Hitan’izy  ireo hoe misy anzima iray mahatonga ny telômera ho elaela vao mihafohy. Lasa ela velona kokoa ny sela noho io anzima io. Miaiky anefa izy ireo hoe tsy manalava ny androm-piainana ny telômera. Milaza izy ireo fa manodidina ny 70 na 80 taona foana ny androm-piainan’ny olona, na dia tsy mihafohy aza ny telômera.

Nanova ny toromarika ao amin’ny sela izy ireo mba tsy hihantitra ny olona. Tsy afaka mizara intsony ny sela sasany rehefa mihantitra isika. Diso ny hafatra ampitain’ireny sela ireny any amin’ny selan’ny hery fanefitra, dia izay no mahatonga ny olona hanaintaina lava, harary, na hisy hivonto eo amin’ny vatany. Vao haingana izay ny mpahay siansa tany Frantsa no naka sela avy amin’ny zokiolona vitsivitsy, ary nanova ny toromarika tao amin’ireo sela ireo. Efa 100 taona mahery ny sasany tamin’ireo zokiolona ireo. Ny Profesora Jean-Marc Lemaître sy ny ekipany no nanao an’ilay fanandramana. Nilaza àry izy fa azo atao ny “mamerina ny selan’ny zokiolona ho toy ny selan’ny olona mbola tanora.”

VAHAOLANA VE NY SIANSA?

Be dia be ny fitsaboana lazaina fa mahatonga ny olona tsy ho mora antitra. Na eo aza izany, dia betsaka ny mpahay siansa miaiky fa manodidina ny 70 na 80 taona foana ny androm-piainantsika. Marina aloha hoe lasa ela velona kokoa ny olona, nanomboka tamin’ny taona 1800 tany ho any. Lasa nadio kokoa mantsy ny olona, ary nahita fanafody sy vaksiny hiadiana amin’ny aretina ny mpitsabo. Tsy hoe lasa ela velona be anefa isika na izany aza.

Nanoratra toy izao i Mosesy, 3 500 taona teo ho eo izay: “Fitopolo taona no androm-piainanay, ary raha tena matanjaka izahay, ka mahatratra valopolo taona, dia indrisy fa feno zava-tsarotra sy fijaliana izany! Mihelina ihany ny andron’ny taonanay.” (Salamo 90:10) Marina foana ireo tenin’i Mosesy ireo, na dia miezaka mafy aza ny olona mba ho ela velona kokoa.

Mahavariana fa velona mihoatra ny 150 taona ny sokatra sasany. Ny baobaba indray velona an’arivony taona. Ny an’ny olombelona anefa 70 na 80 taona, ka lasa saina isika hoe ‘dia izany fotsiny ve ny fiainana?’