Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Miraharaha ny Fijaliantsika ve Andriamanitra?

Tsy Miraharaha ny Fijaliantsika ve Andriamanitra?

Misy mieritreritra hoe tsy mba miraharaha antsika Andriamanitra.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Hitany ny fijaliantsika ary malahelo antsika izy

    “Hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona teto an-tany, ... ka nalahelo ny fony.”—Genesisy 6:5, 6.

  • Hanafoana ny fijaliana rehetra izy

    “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”—Salamo 37:10, 11.

  • Tiany ho sambatra ianao

    “‘Fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo’, hoy i Jehovah. ‘Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hahatonga anareo hanana ny hoavinareo sy hanana fanantenana. Dia hiantso ahy ianareo ka ho avy hivavaka amiko, ary hihaino anareo aho.’”—Jeremia 29:11, 12.

    “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.