Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

“Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.”—SALAMO 139:16

Mahafantatra An’izay Manjo Anao ve Izy?

Mahafantatra An’izay Manjo Anao ve Izy?

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’NY ZAVABOARY?

Vitsy ny olona mifankahafantatra tsara hoatran’ny olona kambana. Kambana, ohatra, i Nancy Segal, talen’ny Foibem-pikarohana Momba ny Olona Kambana. Nilaza izy fa misy amin’izy ireny “tonga dia mahalala an’izay tian’ilay kambana aminy holazaina, na dia tsy manazava akory aza ilay iray.” Hoy ny vehivavy iray momba an’azy sy ilay kambana aminy: “Haiko daholo ny momba azy, dia izy koa mahafantatra tsara an’ahy.”

Inona no mahatonga an’izany? Marina aloha hoe mitovy ny fomba nitaizana azy ireo sy ny zavatra niainany. Hitan’ny mpikaroka anefa fa noho izy ireo mitovy fototarazo no tena mahatonga azy ireo hifankahafantatra tsara.

ERITRERETO IZAO: I Jehovah Andriamanitra no namorona ny fototarazontsika, ka tsy misy mahafantatra antsika tsara noho izy. Nilaza mihitsy aza i Davida mpanao salamo hoe: “Notakonanao tao an-kibon’i Neny aho. Tsy niafina taminao ny taolako, tamin’izaho noforoninao tao amin’ny miafina ... Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako.” (Salamo 139:13, 15, 16) Izy ihany no tena mahafantatra momba ny fototarazontsika, sy mahazo tsara ny zavatra niainantsika. Hainy amin’ny an-tsipiriany àry isika.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Nivavaka i Davida hoe: “Jehovah ô, mandinika ahy amin’ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy. Ianao no mahalala ahy, na mipetraka aho na mitsangana. Fantarinao avy eny lavitra eny ny eritreritro. Fa mbola tsy manonona teny akory ny lelako, dia efa fantatrao sahady ny tiako holazaina, Jehovah ô!” (Salamo 139:1, 2, 4) Fantatr’i Jehovah izay tena ao am-pontsika ary ‘hitany avokoa ny eritreritsika sy ny faniriantsika.’ (1 Tantara 28:9; 1 Samoela 16:6, 7) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Tsy hoe mijery izay ataontsika fotsiny Andriamanitra, fa fantany koa hoe nahoana isika no manao an’ilay izy. Fantany tsara àry izay tena ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika, na dia tsy resahintsika aminy aza izany. Hainy koa hoe te hanao zavatra tsara isika, na dia tsy vitantsika aza izany indraindray. Andriamanitra no namorona antsika, ka azo antoka fa fantany hoe afaka manana faniriana tsara isika, sady mahavita manatanteraka an’izany.—1 Jaona 4:7-10.

Mety tsy ho fantatry ny hafa ny fahoriantsika, na tsy tena azony. I Jehovah anefa mahita tsara azy ireny satria tsy misy zavatra miafina aminy

 Andinin-teny mampahery

  • “Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany.”—1 PETERA 3:12.

  • Mampanantena Andriamanitra hoe: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.”—SALAMO 32:8.

TENA MANGORAKA ANTSIKA IZY

Hahavita hiatrika olana ny olona iray, raha fantany hoe mahalala an’izay manjo azy Andriamanitra sady mahatakatra ny fihetseham-pony. Hoatr’izany i Anna, avy any Nizeria. Hoy izy: “Nahakivy be ny fiainako. Maty mantsy ny vadiko, dia izahay mianaka irery sisa. Nampidirina hopitaly ilay zanakay vavy tatỳ aoriana, satria be loatra ny rano tao amin’ny lohany. Fantatra koa anefa tamin’izay hoe voan’ny kanseran’ny nono aho, dia tsy maintsy hodidiana sy hanaraka fitsaboana simika ary fitsaboana ampiasana taratra X. Samy narary tany amin’ny hopitaly izahay mianaka, dia tena mafy tamiko ny niatrika an’izany.”

Inona no nanampy an’i Anna? Hoy izy: ‘Nisaintsaina andinin-teny vitsivitsy aho, anisan’izany ny Filipianina 4:6, 7. Voalaza ao hoe: “Hiambina ny fontsika sy ny saintsika ny fiadanan’Andriamanitra, izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” Nahatsiaro ho akaiky an’i Jehovah aho, isaky ny tonga tao an-tsaiko io andininy io. Tsapako mantsy hoe mahafantatra tsara an’ahy izy, ary na izaho aza tsy mahafantatra ny tenako hoatran’azy. Tena nampahery an’ahy koa ny mpiara-mivavaka aminay.

‘Mbola tsy sitrana tanteraka aho, kanefa efa mba misy mangirana ny fiainanay. Tsy mitanondrika be intsony izao izahay rehefa miatrika olana, satria fantatray hoe manampy anay i Jehovah. Nampahery anay ny Jakoba 5:11 hoe: “Ambarantsika fa sambatra ireo efa niaritra. Efa renareo ny niaretan’i Joba, ary efa fantatrareo ny fitahiana nomen’i Jehovah azy. Araka izany, dia be fitiavana tokoa i Jehovah sady mamindra fo.”’ Azon’i Jehovah tsara izay nanjo an’i Joba, dia afaka matoky isika hoe azony tsara koa izay olana atrehintsika.