Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NO. 3 2016

 TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | REBEKA

“Vonona Handeha Aho”

“Vonona Handeha Aho”

EFA harivariva ny andro tamin’izay, ary variana erỳ i Rebeka nijery ny manodidina azy. Be vatovato ilay toerana, ary zara raha nisy zavamaniry. Avy nanao dia lavitra nandritra ny herinandro vitsivitsy izy, ka efa mahazatra azy amin’izay izao ny fidoladolan’ilay rameva taingenany. Efa dify lavitra be i Harana, ilay tanàna nahalehibe azy. An-jatony kilaometatra any avaratratsinanana no misy azy io. Asa raha mbola hahita ny fianakaviany izy indray andro any! Efa ho tonga ry zareo izao, ka azo antoka fa vao mainka izy nieritreritra be hoe hanao ahoana ny hoaviny.

Nandalo tany Kanana sy tany amin’ilay faritra ngazana be tany Negeba i Rebeka sy ireo olona niaraka taminy ary ny biby nentin’izy ireo. (Genesisy 24:62) Azo antoka fa nahita andian’ondry i Rebeka teny an-dalana. Maina loatra ilay toerana, ka tsy dia tsara hanaovana fiompiana sy fambolena be. Nisy ahitra ampy ho an’ny biby fiompy ihany anefa tany. Lehilahy efa be taona no nitari-dalana, ary efa zatra be an’ilay toerana izy. Nanana vaovao tsara be dia be holazaina tamin’i Abrahama izy, anisan’izany ilay hoe i Rebeka no ho lasa vadin’i Isaka. I Rebeka kosa tsy maintsy ho nieritreritra hoe hanao ahoana ny fiainany ao Negeba, ary hoatran’ny ahoana i Isaka, ilay ho vadiny. Tsy mbola nifankahita mihitsy mantsy ry zareo. Hahafinaritra azy ve i Rebeka? Ho tian’i Rebeka ve izy?

Tsy mahazatra ny fanambadiana amboarina any amin’ny tany maro. Tsy mampaninona anefa izany any amin’ny tany sasany. Na inona na inona fanao any amin’ny tany misy anao, dia mety hiaiky ianao hoe tena be herim-po sy nanam-pinoana i Rebeka. Hanambady olona tsy fantany akory mantsy izy, sady handeha any amin’ny toerana mbola tsy nalehany mihitsy. Rehefa misy fiovana koa eo amin’ny fiainantsika, dia mila herim-po sy finoana hoatran’i Rebeka isika. Mbola nanana toetra tsara hafa sady vitsy mpanana koa izy.

“HANTSAKA HO AN’NY RAMEVANAO KOA AHO”

Zavatra efa fanaon’i Rebeka ihany no nataony, tamin’izy nihaona tamin’ilay lehilahy be taona. Niova tanteraka anefa ny fiainany taorian’izay. Lehibe tany Harana na tany amin’ny tanàna akaiky azy io izy. Tany Mezopotamia no nisy an’i Harana. Tsy nitovy tamin’ny ankamaroan’ny olona tao ny ray aman-drenin’i Rebeka. Nanompo an’i Jehovah mantsy izy ireo fa tsy nanompo an’i Sîn, andriamanitra volana.—Genesisy 24:50.

Lasa tsara tarehy be i Rebeka rehefa nihalehibe, nefa tsy nampirehareha azy izany. Navitribitrika sy nazoto niasa izy, sady tsara fitondran-tena foana. Nanan-karena ny fianakavian’i Rebeka, ka nanana mpanompo be dia be. Tsy nampihantaina anefa izy na natao hoatran’ny mpanjakavavy kely. Nampianarina hiasa mafy kosa izy. Tsy maintsy nanao raharaha be dia be hoatran’ny ankamaroan’ny vehivavy tamin’izany i Rebeka, ohatra hoe nantsaka rano. Rehefa hariva ny andro, dia nataony teo an-tsorony ny sininy ary nandeha nantsaka izy.—Genesisy 24:11, 15, 16.

Indray hariva, rehefa avy nameno ny sininy i Rebeka, dia nisy lehilahy be taona nihazakazaka nanatona azy. Hoy izy tamin’i Rebeka: “Mba omeo rano kely amin’ny sininao aho hosotroiko!” Zavatra tsotra no nangatahiny sady nahalala fomba tsara izy. Hitan’i Rebeka hoe avy nanao dia lavitra izy. Nampidininy haingana àry ny sininy ka nasainy nisotro izy. Tsy rano kely fotsiny akory no nomeny azy, fa rano nahafa-ketaheta sady nampangatsiatsiaka. Voamarik’i Rebeka koa hoe nisy rameva folo nipetrapetraka teo akaiky teo, nefa tsy mbola nisy rano hosotroin’izy ireo tao amin’ilay fasiana rano ho an’ny biby. Hitan’i Rebeka hoe nipitrapitra nijery azy ilay lehilahy, ka niezaka ny ho tsara fanahy taminy izy. Hoy àry i Rebeka: “Hantsaka ho an’ny ramevanao  koa aho, mandra-pisotron’izy rehetra.”—Genesisy 24:17-19.

Tsy niteny fotsiny i Rebeka hoe hanome rano an’ireo rameva folo, fa nilaza koa izy hoe hanome rano azy ireo mandra-pahafa-ketaheta azy rehetra. Mahalany rano 95 litatra mahery ny rameva iray rehefa mangetaheta be. Raha nangetaheta be daholo àry ireo rameva folo ireo, dia tsy maintsy niasa mafy nandritra ny ora maro i Rebeka. Azo inoana anefa fa nangetaheta be mihitsy izy ireo. * Efa fantatr’i Rebeka ve izany tamin’izy niteny hoe hanome rano ho azy ireo? Tsia. Vonona ny hiasa mafy izy sady nazoto be mihitsy, satria te hanampy an’ilay lehilahy efa be taona. Nanaiky ny fanampiany ilay lehilahy. Nandinika tsara an’i Rebeka izy, rehefa nivezivezy nameno an’ilay fasiana rano i Rebeka.—Genesisy 24:20, 21.

Nazoto niasa i Rebeka sady tia nanampy olona

Ohatra tsara ho antsika i Rebeka. Tia tena mantsy ny ankamaroan’ny olona amin’izao. Efa nilaza ny Baiboly fa “ho tia tena” ny olona, izany hoe tsy ho vonona hanampy ny hafa. (2 Timoty 3:1-5) Raha tsy tiantsika àry ny ho lasa hoatr’izany, dia ilaintsika ny maka sary an-tsaina ny nataon’io vehivavy io. Nazoto nanampy ny hafa izy ka nivezivezy nitaona rano.

Azo antoka fa voamarik’i Rebeka hoe nandinika azy tsara ilay lehilahy be taona. Tsy ratsy saina akory ilay lehilahy, fa gaga sy talanjona fotsiny izy sady faly rehefa nahita ny nataon’i Rebeka. Nomen’ilay lehilahy firavaka sarobidy izy rehefa vitany ilay asa. Nanontany azy izy avy eo hoe: “Zanak’iza moa ianao? Mba azonao lazaina amiko ve? Ary misy azonay atoriana ve ao an-tranon-drainao?” Vao mainka faly ilay lehilahy rehefa noresahin’i Rebeka taminy ny momba ny fianakaviany. Angamba nafana fo erỳ i Rebeka niteny hoe: “Misy mololo ao aminay, ary misy sakafom-biby betsaka sy toerana hatoriana.” Tena nilain’ilay lehilahy be taona sy ireo olona niaraka taminy izany. Nandeha alohan’izy ireo i Rebeka avy eo sady nihazakazaka, ka notantarainy tamin’ny reniny izay nitranga.—Genesisy 24:22-28, 32.

Hita mihitsy hoe nampianarina ho tia mandray vahiny i Rebeka. Tsy dia manao an’izany intsony ny olona amin’izao. Vao mainka àry isika tokony hanam-pinoana toa an’io vehivavy tsara fanahy io. Handrisika antsika ho tia mandray vahiny mantsy ny finoana an’Andriamanitra. Tsara fanahy i Jehovah satria  malala-tanana amin’ny olona rehetra, ary tiany hanao hoatr’izany koa ny mpivavaka aminy. Tena ho faly ilay Raintsika any an-danitra raha tsara fanahy isika, eny fa na dia amin’ireo olona mety tsy ho afaka hamaly an’izay nataontsika aza.—Matio 5:44-46; 1 Petera 4:9.

‘MAKÀ VADY HO AN-JANAKO’

Iza ilay lehilahy be taona niresaka tamin’i Rebeka? Mpanompon’i Abrahama, rahalahin’ny dadaben’i Rebeka, izy. Nandray azy tsara àry ny tao an-tranon’i Betoela, rain’i Rebeka. Azo inoana fa Eliezera no anaran’io mpanompo io. * Nomen-dry zareo sakafo izy, saingy tsy nety nihinana raha tsy efa voalazany ny anton-diany. (Genesisy 24:31-33) Azo antoka fa faly be izy nitantara an’izay nitranga. Nahita porofo mantsy izy hoe notahin’i Jehovah Andriamanitra izy tamin’ilay iraka nampanaovina azy.

Eritrereto ange i Eliezera mitantara an’izany amin’i Betoela rain’i Rebeka sy Labana anadahiny e! Liana be mihitsy ry zareo nihaino azy. Nilaza i Eliezera fa notahin’i Jehovah i Abrahama, any Kanana. Manan-janakalahy atao hoe Isaka i Abrahama sy Saraha, ary izy no handova ny fananany rehetra. Nisy iraka nampanaovin’i Abrahama an’ilay mpanompony àry, ary tena zava-dehibe ilay izy. Nasainy nitady vady ho an’i Isaka, any amin’ny havan’i Abrahama any Harana, izy.—Genesisy 24:34-38.

Nasain’i Abrahama nianiana i Eliezera hoe tsy vehivavy avy any Kanana no halainy ho vadin’i Isaka. Nahoana? Satria sady tsy nanaja an’i Jehovah izy ireo no tsy nanompo azy. Efa fantatr’i Abrahama koa fa hanasazy azy ireo i Jehovah, satria zatra nanao ratsy izy ireo. Tsy tian’i Abrahama hifandray amin’ireo olona ratsy fitondran-tena ireo i Isaka. Fantany koa fa hampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fampanantenany io zanany io.—Genesisy 15:16; 17:19; 24:2-4.

Notantarain’i Eliezera tamin-dry Betoela hoe nivavaka tamin’i Jehovah izy rehefa tonga teo amin’ilay fantsakana teo akaikin’i Harana. Tiany mantsy raha i Jehovah no hifidy an’izay vehivavy ho vadin’i Isaka. Amin’ny fomba ahoana anefa? Izao no nangatahiny tamin’i Jehovah: Ho tonga eo amin’ilay fantsakana ilay vehivavy. Rehefa hangataka rano aminy izy, dia homen’ilay vehivavy, ary homeny koa ny ramevany. (Genesisy 24:12-14) Dia iza àry no tonga teo sady nanao an’izany? I Rebeka! Eritrereto izay mety ho tsapan’i Rebeka raha naheno ny zavatra notantarain’i Eliezera tamin’ny fianakaviany izy!

Tena niaiky i Betoela sy Labana fa nanampy an’i Eliezera i Jehovah. Hoy izy ireo: “Avy tamin’i Jehovah izao zavatra izao.” Nataon’izy ireo avy eo ny fomba fanao tamin’izany, ka nomeny ho vadin’i Isaka i Rebeka. (Genesisy 24:50-54) Midika ve izany fa tsy mba afaka nilaza ny heviny i Rebeka?

Efa niresaka an’izany tamin’i Abrahama i Eliezera, herinandro vitsivitsy talohan’izay. Hoy izy: “Ahoana raha tsy te hiaraka amiko ravehivavy?” Namaly i Abrahama hoe: “Dia ho afaka adidy amiko ianao ka ho afaka amin’ilay fianiananao.” (Genesisy 24:39, 41) Zava-dehibe tamin-dry Betoela koa ny hevitr’i Rebeka. Faly be mihitsy i Eliezera satria nahita vady ho an’i Isaka, ka ny ampitson’iny ihany izy dia efa nanontany raha tonga dia afaka hitondra an’i Rebeka ho any Kanana. Tian’ny fianakaviany anefa raha mbola mijanona folo andro izy, fara fahakeliny. Ahoana àry no nataon’izy ireo? Nantsoin’izy ireo i Rebeka ary ‘nanontaniany ny heviny.’—Genesisy 24:57.

Tsy maintsy handray fanapahan-kevitra lehibe izao i Rebeka. Inona no holazainy? Azo antoka fa nalahelo an’azy ny dadany sy ny anadahiny. Hanararaotra an’izany ve anefa izy ka hiangavy azy ireo mba tsy hamela azy handeha? Efa fantatr’i Rebeka koa fa i Jehovah no nahatonga an’i Eliezera hihaona tamin-dry zareo. Hoheveriny ho tombontsoa àry ve ny hanaiky hampiasain’i Jehovah ka ho lasa vadin’i Isaka? Tampoka be ilay izy, sady angamba nampahatahotra. Hita tamin’ny valin-teniny anefa izay tao am-pony. Hoy izy: “Vonona handeha aho.”—Genesisy 24:58.

Tena be herim-po i Rebeka! Be dia be ny zavatra azontsika ianarana avy aminy, na dia mety ho hafa mihitsy aza ny fombantsika amin’izao rehefa hanambady. Ny sitrapon’i Jehovah no zava-dehibe taminy, fa tsy ny an’azy. Misy toro lalana tena tsara momba ny fanambadiana koa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Resahina ao hoe olona hoatran’ny ahoana no tsara halaina ho vady, ary ahoana no atao raha te ho vady tsara toetra ianao. (2 Korintianina 6:14, 15; Efesianina 5:28-33) Miezaha àry hanahaka an’i Rebeka, ka izay sitrapon’Andriamanitra foana atao.

 ‘FA IZA INY LEHILAHY INY?’

Nitso-drano an’i Rebeka ny fianakaviany. Niaraka tamin-dry Eliezera avy eo i Rebeka sy Debora, ilay nitaiza an’azy tamin’ny mbola kely, ary ny mpanompovaviny vitsivitsy. (Genesisy 24:59-61; 35:8) Vetivety ry zareo dia lasa lavitra be an’i Harana. Tena lavitra ilay dia satria naharitra telo herinandro, fara fahakeliny, ary nahatratra 800 kilaometatra teo ho eo. Azo antoka fa nandreraka be koa ilay izy. Efa imbetsaka nahita rameva i Rebeka, saingy tsy midika akory izany hoe efa zatra nitaingina an’ireny izy. Milaza mantsy ny Baiboly fa mpiompy ondry ny fianakaviany, fa tsy mpivaro-mandeha mpitaingina rameva. (Genesisy 29:10) Matetika no mitaraina ny olona sambany vao nitaingina rameva hoe mampijaly be ilay izy, na dia vetivety fotsiny aza!

Azo antoka fa nieritreritra an’izay zavatra niandry azy i Rebeka, ka nanontanintaniany an’i Eliezera daholo ny mombamomba an’i Isaka sy ny fianakaviany. Alao sary an-tsaina ange ilay lehilahy efa antitra miresaka aminy e! Nitanina afo harivariva ry zareo sady niresaka. Notantarainy taminy fa naman’i Jehovah i Abrahama, ka nampanantena azy izy fa avy amin’ny taranany no hitahiana ny olombelona rehetra. Lasa fantatr’i Rebeka àry fa amin’ny alalan’i Isaka, ilay ho lasa vadiny, no hanatanterahan’i Jehovah an’izany, ary izy koa izany handray anjara amin’ilay izy. Azo antoka fa gaga be izy rehefa naheno an’izany!—Genesisy 22:15-18.

Nanetry tena i Rebeka, ary toetra tena tsara izany saingy vitsy mpanana

Tonga ihany ry zareo tamin’ny farany, araka ny hitantsika teny am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Efa harivariva ny andro rehefa tonga tany Negeba izy ireo. Nahita lehilahy nandehandeha teny an-tsaha i Rebeka. Hoatran’ny nandinindinika be an-dry zareo izy, sady nieritreritra hoe iza ireny tamy ireny. ‘Nidina avy teo amin’ny ramevany’ i Rebeka. Angamba izy tsy niandry an’ilay rameva hipetraka akory fa tonga dia nidina haingana. Hoy izy tamin’ilay mpitari-dalana: “Fa iza iny lehilahy mandeha eny an-tsaha mitsena antsika iny?” Rehefa fantatr’i Rebeka hoe i Isaka ilay izy, dia naka saron-doha izy ary nosaronany ny lohany. (Genesisy 24:62-65) Nahoana izy no nanao an’izany? Mba hampisehoana fa nanaja an’ilay ho vadiny izy. Mety hisy hilaza hoe efa lany andro izany. Tena mendrika ny ho tahafintsika anefa i Rebeka, na lehilahy isika na vehivavy, satria nanetry tena izy. Iza amintsika tokoa moa no tsy te hanana toetra tsara hoatr’izany?

Efapolo taona teo ho eo i Isaka. Telo taona teo ho eo talohan’izay no maty i Saraha reniny, ary mbola nalahelo be an’azy izy. Hita amin’izany fa be fitiavana sy tsara fanahy i Isaka. Tena sambatra izy nahazo vady mazoto miasa sy tia manampy olona ary manetry tena! Nifanaraka tsara ve anefa izy roa? Izao fotsiny no lazain’ny Baiboly: “Raiki-pitia taminy i Isaka.”—Genesisy 24:67; 26:8.

Na dia 3900 taona mahery atỳ aoriana aza, dia mbola mahafinaritra antsika foana i Rebeka. Tena tiantsika ny toetrany satria be herim-po izy, nazoto niasa, tia nanampy olona, ary nanetry tena. Ilaintsika rehetra àry ny manahaka ny finoany, na lehilahy isika na vehivavy, na antitra na tanora, ary na manambady na tsia.

^ feh. 10 Efa hariva ny andro tamin’izay. Tsy milaza anefa ilay fitantarana hoe tafajanona ela be teo i Rebeka. Tsy voalaza ao koa hoe efa natory ny havany vao vitany ilay asa, na koa hoe nisy olona nankany mba hijery hoe nahoana no ela be izy vao tafaverina.

^ feh. 15 Niteny tamin’i Eliezera i Abrahama, indray mandeha, hoe izy no handova ny fananany rehetra raha tsy manan-janaka izy. Midika izany fa i Eliezera no zokiny indrindra sady natokisan’i Abrahama indrindra tamin’ny mpanompony rehetra. Azo antoka àry fa izy ilay mpanompo voaresaka ao amin’ilay tantara, na dia tsy voatonona ao aza ny anarany.—Genesisy 15:2; 24:2-4.

Fanampim-panazavana

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Afaka Mampifaly An’Andriamanitra ve Isika?

Hitantsika amin’ny tantaran’i Joba sy Lota ary Davida ny valiny. Nanao fahadisoana goavana izy ireo.