Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NO. 3 2016

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Iza no rain’i Josefa?

Mpandrafitra tany Nazareta i Josefa, ary izy no nitaiza an’i Jesosy. Iza anefa no rain’i Josefa? Hita ao amin’ny tetirazan’i Jesosy, ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, fa i Jakoba no rainy. I Lioka indray anefa nilaza hoe “zanak’i Hely” izy. Nahoana no tsy mitovy ny zavatra nolazain’izy ireo?—Lioka 3:23; Matio 1:16.

Nilaza i Matio hoe: “Jakoba niteraka an’i Josefa.” Hita amin’ilay teny grika nampiasain’i Matio tamin’io fa i Jakoba no rain’i Josefa. Ny tetirazan’i Jesosy avy amin’i Josefa rainy àry no noresahin’i Matio. Hita amin’izy io fa manan-jo handova an’i Davida Mpanjaka i Jesosy, satria zaza notezain’i Josefa.

I Lioka kosa milaza fa “zanak’i Hely” i Josefa. Ilay hoe “zanak’i”, dia mety hidika hoe “vinantolahin’i.” Mitovy amin’izany ilay ao amin’ny Lioka 3:27. Voalaza ao fa “zanak’i Nery” i Sealtiela, nefa i Jekonia no tena niteraka azy. (1 Tantara 3:17; Matio 1:12) Azo inoana àry fa nanambady ny zanakavavin’i Nery i Sealtiela, ka lasa vinantolahiny. Hoatr’izany koa i Josefa. Lasa “zanak’i” Hely izy, rehefa nanambady an’i Maria zanakavavin’i Hely. Ny tetirazan’i Jesosy avy amin’i Maria reniny àry no noresahin’i Lioka. (Romanina 1:3) Hita amin’izany fa miresaka tetirazana roa momba an’i Jesosy ny Baiboly. Samy hafa ilay izy nefa samy tena ilaina.

Inona no karazana lamba sy loko fandokoana lamba nisy taloha?

Volonondry nolokoana hita tao amin’ny lava-bato tany akaikin’ny Ranomasina Maty, talohan’ny taona 135

Volon’ondry sy volon’osy ary volon-drameva no tena nanamboarana lamba, tany Israely sy ny firenena manodidina azy. Ny volon’ondry no tena be mpampiasa tamin’izany, ary matetika ny Baiboly no miresaka momba ny ondry, fanetezana volon’ondry, ary akanjo vita tamin’ny volon’ondry. (1 Samoela 25:2; 2 Mpanjaka 3:4; Joba 31:20) Nisy rongony naniry tany Ejipta sy Israely, ary nampiasaina mba hanamboarana lamba koa izy ireny. (Genesisy 41:42; Josoa 2:6) Mety ho tsy namboly landihazo ny Israelita fahiny. Nampiasaina tany Persa kosa izy io, araka ny resahin’ny Baiboly. (Estera 1:6) Teo koa ny lamba landy. Tena lafo vidy be sady mihaja izy io, ary azo inoana fa ireo mpivaro-mandeha avy any Azia Atsinanana ihany no nivarotra azy.—Apokalypsy 18:11, 12.

Hoy ilay boky hoe Jesosy sy ny Fiainany (anglisy): “Nisy lokony isan-karazany ny volon’ondry. Nisy fotsy be ary nisy mivolontsôkôlà. Ny sasany antitra kokoa ny lokony, ary ny hafa tanora kokoa.” Lokoana koa anefa izy io matetika. Nalaina avy tamin’ny sifodranomasina sasany ny loko volomparasy, ary tena lafo be izy io. Zavamaniry isan-karazany, fakan-javamaniry, ravin-kazo, ary bibikely no nampiasaina mba hahazoana loko, ohatra hoe mena, mavo, manga ary mainty.