Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Raha Nivadika Taminao ny Vadinao

Raha Nivadika Taminao ny Vadinao

“Niteny tamiko ny vadiko hoe handeha, hono, izy fa nahita vehivavy tanora kokoa. Tsy te ho velona intsony aho tamin’izay. Tsy rariny ilay izy raha jerena ny zavatra rehetra nataoko ho an’azy hatramin’izay.”—Maria, Espaina.

“Hoatran’ny hoe nisy banga tato anatiko, rehefa nandao ahy tampoka ny vadiko. Rava ny nofinay, ny zavatra nantenainay sy noeritreretinay hatao. Nisy fotoana aho nieritreritra hoe efa tsy naninona intsony, nefa avy eo kivy be indray.”—Bill, Espaina.

MAFY BE ny mahazo ny olona iray rehefa nijangajanga ny vadiny. Misy ihany aloha mahavita mamela ny vadiny sy mifandray tsara aminy indray. * Na rava anefa ilay tokantrano na tsia, dia mijaly be foana ny olona iray rehefa nivadika taminy ny vadiny. Inona àry no hanampy azy?

ANDININ-TENY AFAKA MANAMPY

Betsaka no mahita hoe tena mampahery azy ireo ny Baiboly. Nianaran’izy ireo tao hoe hitan’Andriamanitra ny ranomasony sy ny fahoriany.—Malakia 2:13-16.

“Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko, dia ny fampiononanao no nanafosafo ahy.”Salamo 94:19.

Hoy i Bill: “Rehefa mamaky an’io andinin-teny io aho, dia hoatran’ny hoe eo akaikiko eo i Jehovah. Manambitamby ahy hoatran’ny ataon’ny ray tsara fanahy izy, dia maivamaivana ny fahoriako.”

“Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihanao.”Salamo 18:25.

Nanitsakitsaka an’i Carmen ny vadiny, nandritra ny volana maromaro. Hoy izy: “Nivadika tamiko ny vadiko. Fantatro anefa hoe i Jehovah tsy hivadika amiko mihitsy. Tsy handao ahy mihitsy izy.”

“Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana. ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo.”Filipianina 4:6, 7.

Izao no nolazain’i Sasha: “Novakiko foana io andinin-teny io.” Hoy ihany izy: “Lasa nilamin-tsaina aho arakaraka ny niresahako tamin’Andriamanitra.”

Efa saika nilavo lefona daholo ireo olona voaresaka teo ireo. Natoky an’i Jehovah Andriamanitra anefa izy ireo. Nampahery azy ireo koa ny namaky ny Teniny. Hoy i Bill: “Hoatran’ny hoe efa potika tanteraka ny fiainako, nefa lasa nisy dikany indray. Soa ihany aho fa nanam-pinoana. Tsy nandao ahy mihitsy Andriamanitra, ‘na dia namakivaky lohasaha maizim-pito aza aho.’”—Salamo 23:4.

^ feh. 4 Inona no hanampy anao hanapa-kevitra hoe hamela ny vadinao na tsia? Jereo ilay andian-dahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! 8 Mey 1999 hoe “Ahoana Raha Manitsakitsaka ny Vady?