Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

‘Ny Mpandefitra no Handova ny Tany’

‘Ny Mpandefitra no Handova ny Tany’

Maro amintsika no efa niharan’ny tsy rariny na nahita olona niharan’izany. Misy koa tsy manan-tsiny nefa iharan’ny tsindry hazo lena. Mbola ho foana ve izany indray andro any?

Mamaly an’izany ny Salamo faha-37, sady manoro antsika izay tokony hatao. Jereo ange ny fomba amaliany an’ireto fanontaniana ireto e!

Hita ao amin’ny Salamo faha-37 fa ho tsara ny hoavin’izay ‘manantena an’i Jehovah sy manaraka ny lalany.’ Inona no tokony hataonao mba hanana an’izany hoavy tsara izany ianao sy ny fianakavianao? Vonona hiara-mianatra Baiboly aminao ny Vavolombelon’i Jehovah sady hanoro anao izay tokony hataonao.