Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tsy Misy Valiny ny Vavaka Sasany?

Nahoana no Tsy Misy Valiny ny Vavaka Sasany?

Tian’i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra, ny mihaino ny vavaka avy amin’ny fo ataontsika. Misy antony anefa matoa izy tsy mamaly ny vavaka sasany. Inona izany, ary inona no tokony hotadidintsika rehefa mivavaka isika? Ireto misy toro lalana vitsivitsy avy ao amin’ny Baiboly.

“Rehefa mivavaka ... ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana.”​—Matio 6:7.

Tsy tian’i Jehovah hanao vavaka tsianjery isika, na hamaky an’izany avy ao anaty bokim-bavaka. Tiany kosa raha izay tena ao am-pontsika no resahintsika aminy. Tsy ho sorena ve ianao raha zavatra mitovy foana no resahin’ny namanao aminao isan’andro? Mifamboraka ny ao am-po ny tena mpinamana. Raha izay tena tsapantsika koa no resahintsika amin’ilay Raintsika any an-danitra, dia asehontsika hoe tena namantsika izy.

“Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany, satria ratsy ny anton’ny fangatahanareo.”​—Jakoba 4:3.

Mazava ho azy fa tsy hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra, raha zavatra andrarany na tsy tiany no angatahintsika. Ahoana, ohatra, raha miloka ny olona iray, dia mangataka fanampiana amin’Andriamanitra mba ho tsara vintana? Hamaly ny vavaka hoatr’izany ve i Jehovah? Tsia. Efa nilaza mantsy izy hoe tsy tokony ho tia vola isika, na hino zavatra tsy tena misy toy ny vintana. (Isaia 65:11; Lioka 12:15) Raha tiantsika hamaly ny vavaka ataontsika àry Andriamanitra, dia tokony hifanaraka amin’izay lazainy ao amin’ny Baiboly ny fangatahantsika.

“Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny lalàna, na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko.”​—Ohabolana 28:9.

Tsy namaly ny vavaka nataon’ireo olona tsy nankatò ny lalàny Andriamanitra fahiny. (Isaia 1:15, 16) Mbola tsy niova izy. (Malakia 3:6) Raha tiantsika hamaly ny vavaka ataontsika izy, dia tsy maintsy miezaka mankatò ny lalàny isika. Ahoana anefa raha nanao zavatra tsy nety isika taloha? Hamela antsika i Jehovah raha miova isika ary miezaka mampifaly azy. Hihaino antsika indray izy amin’izay.​—Asan’ny Apostoly 3:19.