Malagasy
Mihaino ny Vavaka Ataonao ve Andriamanitra?
https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/2021009/univ/art/2021009_univ_sqr_xl.jpg
wp21 No. 1 p. 16

Mihaino ny Vavaka Ataonao ve Andriamanitra?

Mihaino ny Vavaka Ataonao ve Andriamanitra?

Mino ve ianao hoe tena mihaino ny vavaka ataonao Andriamanitra?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Tena mihaino izy. Manome toky ny Baiboly hoe: “Akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana. ... Henoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.”​—Salamo 145:18, 19.

  • Tian’Andriamanitra hivavaka aminy ianao. Hoy ny Baiboly: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana ary ny fisaorana.”​—Filipianina 4:6.

  • Tena tia anao Andriamanitra. Fantatr’Andriamanitra tsara ny zavatra mampiady saina antsika, ka te hanampy antsika izy. Izao no lazain’ny Baiboly: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”​—1 Petera 5:7.