Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana  |  No. 1 2016

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ahoana no nanamboarana horonam-boky sy ny fomba fampiasana azy?

Horonam-boky vita tamin’ny hoditra, misy ny bokin’i Estera, tamin’ny taonjato faha-18

Milaza ny Filazantsaran’i Lioka fa nanokatra ny horonam-bokin’i Isaia i Jesosy, ka namaky andininy tao ary nangorona an’ilay izy avy eo. Miresaka horonana koa i Jaona ao amin’ny faran’ny Filazantsara nosoratany. Milaza izy fa tsy antonona ao amin’ny horonam-bokiny ny zavatra rehetra nataon’i Jesosy.—Lioka 4:16-20; Jaona 20:30; 21:25.

Ahoana no nanamboarana ny horonam-boky? Tapatapaka hoditra sy hodi-biby na taratasy papyrus no natambatra tamin’ny lakaoly. Azo nahorona tamin’ny hazo lavalava kely ilay izy avy eo, ka ny lafiny misy soratra no natao anatiny. Nisy tsanganana fohy maromaro nanaraka ny halavan’ilay horonana, ary tao anatin’ireny no nisy soratra. Raha lava be ilay horonana, dia nasiana hazo lavalava kely ny sisiny roa. Ireny no nampiasain’izay te hamaky teny rehefa hitady andinin-teny izy, ka ny tanany iray namaha fa ny tanana iray kosa nangorona.

Milaza Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy) fa “nisy tombony ny horonana satria lava be (matetika no nahatratra 10 metatra teo ho eo). Boky iray manontolo mantsy no antonona tao anatiny, nefa lasa kely ilay izy rehefa nahorona.” Araka ny tombantombana, dia nirefy 9,5 metatra teo ho eo ny halavan’ny horonana nilaina tamin’ny Filazantsaran’i Lioka. Notapahina tsara indraindray ny sisiny ambony sy ambany tamin’ny horonana, nohalamaina tsara tamin’ny vato, ary avy eo nolokoana.

Mety ho iza ireo “lehiben’ny mpisorona” resahina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina?

Tamin’ny vao nisy mpisorona teo amin’ny Israelita, dia lehilahy iray ihany no voatendry ho mpisoronabe ary mandra-pahafatiny izy no nanao an’ilay asa. (Nomery 35:25) I Arona no mpisoronabe voalohany. Ny lahimatoany kosa no nandimby azy, tatỳ aoriana, ary toy izany foana hatrany amin’ny taranany. (Eksodosy 29:9) Mpisorona ny ankamaroan’ny lehilahy tamin’ny taranak’i Arona, saingy vitsy ihany no lasa mpisoronabe.

Rehefa nofehezin’ny firenen-kafa ny Israelita, dia izay Jiosy tian’ilay mpitondra hatao mpisoronabe no notendreny ary nesoriny izay tsy tiany. Toa saika taranak’i Arona foana anefa no natao mpisoronabe. Ny lohandohan’ny mpisorona àry ireo antsoina hoe “lehiben’ny mpisorona.” Mety ho anisan’izany ireo lehiben’ny antoko-mpisorona 24 sy ireo lehibe indrindra tao amin’ny fianakavian’ny mpisorona ary ireo nesorina tsy ho mpisoronabe, ohatra hoe i Anasy.—1 Tantara 24:1-19; Matio 2:4; Marka 8:31; Asan’ny Apostoly 4:6.

Fanampim-panazavana

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Azo Fantarina ve hoe Iza Marina no Nanoratra ny Baiboly?

Milaza ho nanoratra ny hevitr’Andriamanitra sy notarihiny ireo nanoratra ny Baiboly. Azo inoana ve izy ireo?