Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  No. 6 2017

 MATOAN-DAHATSORATRA | TSY VOAFEHY INTSONY VE IZAO TONTOLO IZAO?

Fanontaniana Mampiady Saina

Fanontaniana Mampiady Saina

MITEBITEBY na matahotra ve ianao, satria be loatra ny vaovao ratsy renao? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Misy vokany amin’ny olona maro koa ny vaovao ratsy resahin’ny gazety. Lasa mihevitra izy ireo fa ‘tsy voafehy intsony izao tontolo izao, ary tsy misy na inona na inona azo atao’, araka ny tenin’i Barack Obama, filohan’i Etazonia teo aloha, tamin’ny 2014.

Nafana fo erỳ anefa avy eo Atoa Obama niresaka an’ireo tetikady handaminana an’ireny olana ireny. Nilaza izy fa nisy fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana, ary “vaovao tsara” izany. “Tena manantena”, hono, izy hoe “hihatsara ny toe-javatra.” Mino izy fa ho voafehin’ny olona tsara sitrapo izao tontolo izao, ka ho azo sorohina ny loza.

Maro no mitovy hevitra aminy. Misy, ohatra, matoky fa ny siansa no tena vahaolana. Handroso be mantsy, hono, ny teknolojia. Nilaza izay hitranga amin’ny 2030 any ho any ny manam-pahaizana iray. Hoy izy: “Ho avo arivo heny noho ny amin’izao ny zava-bitan’ny teknolojia, ary ho avo iray tapitrisa heny izany amin’ny 2045.” Hoy koa izy: “Efa tsara ny vitantsika. Marina fa be noho ny hatramin’izay ny olana atrehintsika, nefa ho voalamintsika haingana izy ireny.”

Tena ratsy marina ve ny fiainan’ny zanak’olombelona? Mananontanona tokoa ve ny loza maneran-tany? Na milaza aza ny mpahay siansa sy ny mpanao politika sasany fa tsy misy atahorana, dia mbola maro no manahy momba ny hoavy. Nahoana?

FITAOVAM-PIADIANA MAHERY VAIKA. Tsy mahavita mampihena ny fitaovam-piadiana niokleary ny Firenena Mikambana sy ny fikambanana hafa, na dia miezaka mafy aza. Misy mpitondra aza manao tsinontsinona an’ireo lalàna mifehy ny fampiasana fitaovam-piadiana. Misy koa firenena efa manana fitaovam-piadiana niokleary, nefa mbola manamboatra fitaovam-piadiana mahery vaika kokoa. Na ireo tsy nanana fitaovam-piadiana mahafaty olona be dia be aza, lasa afaka mandripaka olona tsy hita isa.

Lasa mampidi-doza àry ny tontolo misy antsika, na dia amin’ny fotoana lazaina hoe “milamina” aza. “Tena mampanahy ny fisian’ny fitaovam-piadiana tonga dia afaka ‘mamono’, nefa tsy mila baikoin’olona akory.”—Gazetin’ny Mpahay Siansa Momba ny Ataoma.

 ARETINA TSY MITSAHA-MITOMBO. Voafetra ihany ny vitan’ny siansa eo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Mihabetsaka ny aretina vokatry ny fiakaran’ny tosidra, hatavezana be loatra, rivotra maloto, ary fidorohana zava-mahadomelina. Mitombo ny isan’ny olona matin’ny kansera, aretim-po, diabeta, sy ny sisa. Ao ny mitondra takaitra noho ny aretina hafa, toy ny aretin-tsaina. Misy valanaretina nirongatra koa tato ato, toy ireo avy amin’ny virosin’i Ebola sy Zika. Raha tsorina dia hoe tsy voafehin’ny olombelona ny aretina sady toa tsy ho voafehiny mihitsy!

SIMBA NY TONTOLO IAINANA. Mbola mandoto ny atmosfera ihany ny orinasa. An-tapitrisany isan-taona no maty satria mifoka rivotra maloto.

Arian’ny olona sy ny fikambanana sasany any anaty ranomasina ny rano maloto sy ny plastika ary ny fako hafa avy amin’ny toeram-pitsaboana na toeram-pambolena sy fiompiana. Hoy ny Rakipahalalana Momba ny Fikarohana any An-dranomasina (anglisy): “Tsy ny biby sy ny zavamaniry ihany no voapoizin’ireny fako ireny, fa ny olona mihinana hazandranomasina koa.”

Tsy ampy koa ny rano fisotro madio. Hoy i Robin McKie, Anglisy mpanoratra boky momba ny siansa: “Tsy ho ampy rano ny faritra rehetra eto an-tany.” Miaiky ny mpanao politika fa ny ataon’ny olona ihany no mahatonga an’izany sy ny olana lehibe hafa.

LOZA VOAJANAHARY. Mandravarava ary mahatonga tondra-drano sy fihotsahan’ny tany ny oram-baratra, rivo-doza, rambondanitra, ary horohoron-tany. Maro be noho ny hatramin’izay ny olona maty na mitondra takaitra vokatr’izy ireny. Nilaza ny Sampan-draharaha Amerikanina Misahana ny Sambon-danitra sy ny any Ambony Tsy Taka-maso fa mety “hahery kokoa ny oram-baratra, hahafaty kokoa ny hafanam-be, ary hisesy kokoa ny tondra-drano sy ny hain-tany.” Ho ripaky ny loza voajanahary àry ve ny olombelona?

Misy loza hafa koa angamba hitanao hoe mety handripaka ny olona. Hiady saina momba ny hoavy foana ianao, raha ny zava-dratsy rehetra mitranga no fakafakainao, na ny tenin’ny mpanao politika sy ny mpahay siansa. Efa hitantsika teo aloha anefa fa maro no nahita valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana momba ny hoavy sy ny olana eran-tany. Aiza no ahitana an’izany valiny izany?