Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Atokisan’ny hafa sy hajainy ny olona tsara laza

“Aleo Laza Tsara toy Izay Harem-be”

“Aleo Laza Tsara toy Izay Harem-be”

TENA zava-dehibe ny hoe tsara laza any amin’ny tany sasany. Namoaka lalàna àry izy ireny mba hiarovana ny lazan’ny olona, raha toa ka misy manendrikendrika izy (na an-tsoratra izany, na am-bava, na amin’ny haino aman-jery). Mampahatsiahy antsika an’ity ohabolana fahiny ity izany: “Aleo laza tsara toy izay harem-be, ary aleo mahazo sitraka toy izay mahazo volafotsy sy volamena.” (Ohabolana 22:1) Inona no hanampy antsika ho tsara laza sy hohajain’ny hafa? Misy soso-kevitra tena tsara ao amin’ny Baiboly.

Diniho, ohatra, ny tenin’ilay nanoratra ny Salamo faha-15, rehefa avy nanontany izy hoe: “Iza no hivahiny ao [an-tranolain’Andriamanitra]?” Hoy izy: “Izay ... manao ny marina ary milaza ny marina ao am-pony. Tsy manendrikendrika ... izy, na manisy ratsy olona, na manala baraka ny namany akaiky. Laviny tanteraka ny olona fanamavo ... Tsy mivadika amin’ny fianianany izy, na dia mitondra fahavoazana ho azy aza izany. ... Ary tsy mandray kolikoly” izy. (Salamo 15:1-5) Mendrika ny hohajaina ny olona manaraka an’ireo toro lalana ireo, sa tsy izany?

Tena ilaina koa ny manetry tena. Hoy ny Ohabolana 15:33: “Ny fanetren-tena dia mialoha ny voninahitra.” Miaiky ny olona manetry tena fa mbola misy azony ihatsarana, ka miezaka mafy izy mba hihatsara. Vonona ny hiala tsiny koa izy raha nampahatezitra olona. (Jakoba 3:2) Tsy hoatr’izany kosa ny olona mirehareha, fa mora tezitra. Hoy ny Ohabolana 16:18: “Ny fireharehana mialoha ny fahalavoana, ary ny fieboeboana mialoha ny fianjerana.”

Ahoana anefa raha misy manala baraka anao? Tonga ve ianao dia entim-po ka hanao zavatra avy hatrany? Eritrereto aloha izao: ‘Sao dia vao mainka hiely ilay lainga, raha miezaka miaro tena aho?’ Marina fa ilaina indraindray ny mitory any amin’ny fitsarana, nefa hoy ny Baiboly: “Aza maika hitory olona eo anatrehan’ny fitsarana, fa ... aoka ianao hifanazava aminy.” (Ohabolana 25:8, 9) * Mety tsy ho lany vola be any amin’ny fitsarana ianao, raha mahay mandanjalanja toy izany.

Tsy boky momba ny fivavahana fotsiny ny Baiboly. Misy tari-dalana tena ilaina eo amin’ny fiainana koa ao. Ho tsara toetra izay rehetra manaraka ny tenim-pahendrena raketiny, ka hohajain’ny olona sy ho tsara laza.

^ feh. 5 Misy toro lalana hafa manampy antsika handamina tsy fifanarahana ao amin’ny Matio 5:23, 24; 18:15-17.