Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

MIFOHAZA! No. 4 2017 | Be Atao Loatra ve Ianao?

Betsaka izao ny olona be atao be, ka lasa tsy mifandray tsara amin’ny hafa ary mijaly ny fianakaviany.

Inona no hanampy antsika hahay hampiasa tsara ny fotoanantsika?

Hoy ny lehilahy hendry iray: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”—Mpitoriteny 4:6.

Misy soso-kevitra azo ampiharina ato amin’ity “Mifohaza!” ity, hanampy antsika hampiasa tsara ny fotoanantsika sy hanao loha laharana an’izay zava-dehibe.

 

MATOAN-DAHATSORATRA

Be Atao Loatra ve Ianao?

Sarotra amin’​ny olona maro ny mamita ny asany sady mikarakara ny ao an-trano. Fa nahoana? Inona no hanampy azy ireo?

Ny Samby avy any Amin’ny Tendrontany Avaratra

Noheverina taloha hoe mahavita 35 200 kilaometatra eo ho eo isan-taona ny samby avy any amin’ny Tendrontany Avaratra, rehefa mifindra monina mankany amin’ny Tendrontany Atsimo. Vao ampahany amin’ny zava-bitan’io vorona io anefa izany.

“Aleo Laza Tsara toy Izay Harem-be”

Afaka ny ho tsara laza sy hohajain’​ny hafa isika. Amin’ny fomba ahoana?

HO AN’NY FIANAKAVIANA

Rehefa Ary Elatra ny Ankizy

Mandia fotoan-tsarotra ny mpivady matetika, rehefa lehibe ny zanany ka miala ao an-trano. Inona no azon’​izy ireo atao mba hiatrehana an’​izany fiovana izany?

FANADINADINANA

Miresaka ny Finoany Ilay Mpikaroka Momba ny Atidoha

Miresaka momba ny asany sy ny finoany ny Profesora Rajesh Kalaria. Inona no nahatonga azy ho tia siansa? Nahoana izy no nandinika momba ny niandohan’​ny fiainana?

FANTARO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Fakam-panahy

Rava tokantrano, marary, enjehin’​ny eritreritra .⁠.⁠. Izany no vokany rehefa manaiky ho resin’​ny fakam-panahy ny olona iray. Inona àry no azonao atao mba tsy ho resin’​ny fakam-panahy?

NISY NAMORONA VE?

Ny Loko Mangan’​ny Voaroy Pollia

Miloko manga mangirangirana izy io, ary tsy misy zavamaniry hafa mitovy loko aminy. Tsy tena loko anefa no manome an’​io lokony manga io. Fa inona?

Zavatra Hafa ato Amin'ny Internet

Afaka Manampy Ahy Hanana Fianakaviana Sambatra ve ny Baiboly?

Nanampy lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany hanana fianakaviana sambatra ireo torohevitra ara-baiboly resahina ato.

Monica Richardson: Manazava ny Finoany Ilay Dokotera

Nisy ho azy ve ny fahaterahan’ny olombelona sa nisy mpamorona? Inona ny valiny hitan’i Monica amin’ny maha dokotera azy?