Vahaolana Maharitra
Olona an-tapitrisany no nampihatra ny toro lalana voaresaka ao amin’ireo lahatsoratra teo aloha, ka lasa tsy manavakavaka intsony. Tsy ho vitantsika samirery anefa ny hanafoana tanteraka ny fanavakavahana. Tsy misy vahaolana mihitsy àry ve?
Fitondram-panjakana faran’izay tsara
Tsy nanampy ny olona hiala amin’ny fanavakavahana ny fitondram-panjakan’olombelona. Tsy hisy fitondram-panjakana hahavita an’izany mihitsy ve?
Mila manao an’ireto ny fitondram-panjakana iray raha te hanafoana ny fanavakavahana:
-
1. Mampirisika ny vahoaka hanova ny fiheverany ny hafa.
-
2. Manampy ny olona hanadino ny tsy rariny nihatra taminy.
-
3. Manendry mpitondra mahay sady tsy manavakavaka.
-
4. Mampiray saina ny olona avy amin’ny firenena rehetra.
Manome toky antsika ny Baiboly fa nanangana fitondram-panjakana hoatr’izany Andriamanitra. Antsoina hoe “Fanjakan’Andriamanitra” izy io.—Lioka 4:43.
Izao no hataon’io fitondram-panjakana io:
1. Hampianatra ny vahoakany
“Hianatra fahamarinana ny mponina eto an-tany.”—ISAIA 26:9.
“Fiadanana no ho vokatry ny tena fahamarinana, ary filaminana sy tsy fananana ahiahy mandritra ny fotoana tsy voafetra koa no ho vokatra haterany.”—ISAIA 32:17.
Ahoana izany? Hampianatra ny fahamarinana ny vahoakany ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa mahay manavaka ny mety sy ny tsy mety ary ny rariny sy ny tsy rariny izy ireo, dia hiova ny fiheverany ny hafa. Ilay vahoaka manontolo mihitsy no hahatsapa hoe tokony ho tia ny karazan’olona rehetra izy ireo.
2. Hanafoana ny tsy rariny
“[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” —APOKALYPSY 21:4.
Ahoana izany? Hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fanaintainana vokatry ny tsy rariny. Tsy hanana antony hankahalana olona intsony ireo niharan’izany.
3. Hanendry mpitondra mahay
“Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy, na hananatra araka izay ren’ny sofiny, fa araka ny rariny no hitsarany ny mahantra, ary araka ny hitsiny no hananarany ny olona ho tombontsoan’ny mpandefitra eto an-tany.”—ISAIA 11:3, 4.
Ahoana izany? Hitondra ny tany i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Hampihatra ny rariny izy ary tsy hanavakavaka. Tsy misy firenena tiany kokoa noho ny hafa. Hataony izay hahatonga ny olona eran-tany hankatò ny lalàny amin’ny hoavy.
4. Hampiray saina ny vahoakany
Mampianatra ny olona rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra mba “hiray saina, hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra.”—FILIPIANINA 2:2.
Ahoana izany? Tsy hoe mody miray saina ny vahoakan’Andriamanitra, amin’izay fotoana izay. Tena hiray saina kosa izy ireo satria tena mifankatia.