Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Isan-karazany ny Namanao

Ataovy Isan-karazany ny Namanao

Olana

Vao mainka isika hanavakavaka raha mihatakataka amin’ny olona tsy tiatiantsika. Raha ny olona mitovitovy amintsika ihany no ataontsika namana, dia mety hieritreritra isika hoe ny fomba fisainantsika sy ny zavatra ataontsika ihany no mety.

Toro lalana

“Halalaho ... ny fonareo.” —2 KORINTIANINA 6:13.

Ahoana izany? Ny fihetseham-pontsika no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘fo’ eo. Raha ny olona mitovitovy amintsika ihany no tiantsika, dia azo lazaina hoe tery ny fontsika. Tokony ho vonona hinamana amin’ny olona tsy mitovy amintsika àry isika raha tsy te ho tratran’izany.

Nahoana izany no tena ilaina?

Rehefa fantatsika tsara ny olona iray, dia azontsika hoe maninona no tsy mitovy amin’ny antsika ny zavatra ataony. Ho hitantsika hoe hay mitovy amintsika ihany izy rehefa lasa akaiky kokoa azy isika. Vao mainka hanaja azy isika, ka hiombom-pihetseham-po aminy na faly izy na malahelo.

Diniho ity ohatra ity. Tsy tia mpifindra monina ny vehivavy iray atao hoe Nazaré. Niova anefa izy. Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Nifanerasera tamin-dry zareo aho, dia niara-niasa taminy. Hitako hoe hafa mihitsy ry zareo fa tsy arakaraka ny lazain’ny olona. Rehefa minamana amin’ny olona tsy mitovy kolontsaina aminao ianao, dia lasa hitanao hoe hay tsy mitovy daholo ry zareo. Lasa tia sy manaja ny olona tsirairay mitovy fiaviana aminy ianao.”

Inona no azonao atao?

Miezaha hiresaka amin’ny olona tsy mitovy fiteny aminao, na tsy iray fiaviana aminao. Andramo izao:

  • Asaivo resahiny kely ny mombamomba azy.

  • Asao hiara-misakafo aminao izy.

  • Henoy ny tantarany ary iezaho fantarina hoe inona no zava-dehibe aminy.

Misy vokany amin’ny toetran’ny olona ny zavatra niainany. Raha miezaka hahatakatra an’izany ianao dia ho tianao izy sy ny olona iray fiaviana aminy.