Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 INONA NO HANAMPY ANAO HIZAKA NY FAHORIANAO?

Fihetseham-po sy Olana Samihafa

Fihetseham-po sy Olana Samihafa

Milaza ny manam-pahaizana sasany fa mitovy ny fihetsiky ny olona rehefa idonam-pahoriana, ary mitranga tsikelikely izany. Samy manana ny fomba anehoany ny alahelony anefa ny tsirairay. Midika ve izany hoe tsy tena malahelo ny olona iray raha koboniny ny alahelony? Tsy voatery. Mety tsy halahelo be intsony ny olona iray raha manaiky ny zava-misy sy mamboraka ny fihetseham-pony. Tsy misy afaka milaza anefa hoe inona ny fomba mety indrindra hiatrehana fahoriana. Miankina amin’ny kolontsain’ilay olona sy ny toetrany ary ny zavatra niainany mantsy izany. Eo koa ny fomba nahafatesan’ilay olona nodimandry.

METY TSY HO MORA ILAY IZY!

Mety tsy ho hain’ny olona iray hoe hanao ahoana ny fihetseham-pony raha maty ny olona akaiky azy, ary inona ny olana mety hatrehiny. Efa ampoizina anefa ny sasany amin’izany. Andeha isika hijery vitsivitsy.

Difotry ny alahelo. Izao no mety hitranga: Mitomany be ianao, manembona an’ilay olona tsy foinao, ary miovaova be ny fihetseham-ponao. Malahelo koa ianao rehefa mahatsiaro ny taloha na manofy momba an’izany. Taitra be ianao amin’ny voalohany, ary tsy mino hoe maty izy. Maty tampoka, ohatra, i Timoty. Hoy i Tina vadiny: “Tsy nahateny aho tamin’ny voalohany. Na ny nitomany aza tsy vitako. Indraindray aho tsy avy miaina, satria nalahelo be loatra. Tsy nino mihitsy aho hoe maty izy!”

Miady saina be, tezitra, manamelo-tena. Hoy i Liva: “Maty i Eric zanakay lahy tamin’izy 24 taona. Tezitra be foana izahay sy Hary vadiko taorian’izay, nefa izahay taloha tsy mba mora tezitra izany. Nanamelo-tena koa izahay, satria nieritreritra hoe tokony ho niala nenina bebe kokoa.” Nanamelo-tena hoatr’izany koa i Alex rehefa maty ny vadiny. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe ratsy fanahy angamba aho matoa avelan’Andriamanitra hijaly be hoatr’izao. Nanenina aho avy eo, satria hoatran’ny hoe nanome tsiny an’Andriamanitra.” Hoy koa i Benja, ilay voaresaka tany aloha: “Nisy fotoana aza aho tezitra tamin’i Anja mihitsy, hoe maninona izy no maty. Nanamelo-tena aho avy eo satria tsy fidiny azy ilay izy.”

Tsy misaina tsara. Mety tsy hitombina ny zavatra eritreretinao indraindray. Mieritreritra, ohatra, ianao hoe mbola hitanao ilay olona nodimandry na miresaka aminao. Tsy mahavita mifantoka koa ianao, ary lasa verivery tadidy. Hoy i Tina: “Tsy nahavita nifantoka mihitsy aho indraindray rehefa niresaka tamin’olona. Nieritreritra an’ilay fotoana nahafatesan’i Timoty foana mantsy aho. Tena nahasorena ahy izany.”

Te hitokantokana. Mety ho sorena ianao na tsy hahazo aina rehefa miaraka amin’ny hafa. Hoy i Benja: “Tsy nahazo aina mihitsy aho rehefa tafaraka tamin’ny mpivady. Tsy azoko koa anefa ny aiko rehefa tafaraka tamin’ny mpitovo aho.” Hoy indray i Hary: “Tsy zakanay mihitsy rehefa nisy olona nitaraina momba ny olana nahazo azy, nefa tsisy dikany ilay izy raha oharina tamin’ny anay. Nisy indray faly erỳ niresaka momba ny zanany. Tsara aloha izany e! Tsy zakanay fotsiny ilay izy. Azonay mivady hoe tsy maintsy mitohy ny fiainana, nefa tsy vitanay mihitsy ny nihaino resaka hoatr’izany.”

Manana olana ara-pahasalamana. Mety hihamahia ianao, tsy hazoto homana, na tsy hatory tsara. Tsy nahita tory tsara i Njaka nandritra ny herintaona, taorian’ny nahafatesan’ny dadany. Hoy izy: “Taitra tamin’ny ora mitovy foana aho isan’alina, dia nieritreritra an’i Dada.”

 Hoy i Alex: “Imbetsaka aho no nankany amin’ny dokotera, satria nahatsiaro ho tsy metimety. Nilaza foana anefa izy hoe salama tsara aho. Ilay izaho nalahelo be angamba no nahatonga an’ilay izy.” Afaka ihany ilay izy tatỳ aoriana. Tena tsara anefa ny mijery dokotera hoatran’ny nataon’i Alex. Mety hihena mantsy ny hery fanefitra ao amintsika rehefa malahelo be isika. Mety hihombo koa ny aretintsika na isika hahazo aretina hafa.

Tsy maintsy mamita adidy maro. Hoy i Liva: “Tsy ny havanay sy ny namanay ihany no tsy maintsy nampandrenesina rehefa maty i Eric, fa teo koa ny mpampiasa azy, ny tompon-tranony, sy ny sisa. Nila nikarakara taratasy be dia be koa izahay, dia avy eo nikarakara ny entan’i Eric. Tsy maintsy nifantoka izahay rehefa nanao an’izany, nefa izahay efa reraka, niady saina, sady nalahelo.”

Misy indray tsy zatra nanao zavatra sasany, fa ilay havany na ilay vadiny efa nodimandry no mpanao an’ilay izy taloha. Nanazava i Tina hoe: “I Timoty foana no mpankany amin’ny banky sy nikarakara ny asa fivelomana. Izaho indray anefa no tsy maintsy nanao an’izany. Vao mainka aho niady saina. Natahotra mantsy aho sao tsy hisy handeha amin’ny laoniny ny zavatra ataoko.”

Tena mafy be ny hoe idonam-pahoriana raha ireo no jerena. Mety halahelo be ianao. Hahavita hiatrika an’ilay izy anefa ianao, raha fantatrao mialoha hoe inona no mety ho tsapanao ary inona ny olana mety hatrehinao. Tadidio koa hoe tsy voatery hitranga amin’izay rehetra nidonam-pahoriana daholo ireo rehetra ireo. Aza kivy koa raha malahelo be ianao, satria tena ara-dalàna izany.

MBOLA HO FALIFALY INDRAY VE AHO?

Inona no azonao antenaina? Tsy halahelo be foana akory ianao. Tsy midika anefa izany hoe tsy halahelo intsony mihitsy ianao na hoe hanadino an’ilay olona tsy foinao. Hihamaivana kosa ny fahorianao rehefa mandeha ny fotoana. Mety mbola halahelo be ihany ianao indraindray, ohatra hoe rehefa mitsingerina ny datin’ny mariazinareo, na ny daty nahafatesany. Mahavita mifehy ny fihetseham-pony ihany anefa ny ankamaroan’ny olona nidonam-pahoriana rehefa ela ny ela. Afaka mifantoka amin’ny fiainana andavanandro indray izy amin’izay. Hahavita an’izany izy raha miezaka, sady ampian’ny fianakaviany sy ny namany.

Mandra-pahoviana ianao no halahelo be? Mety ho amam-bolana izany ho an’ny olona sasany. Ny an’ny hafa indray mety hoe mandritra ny herintaona na roa taona, na mihoatra an’izany aza. * Hoy i Alex: “Izaho indray nalahelo be foana nandritra ny telo taona teo ho eo.”

Manàna faharetana. Ny andro tsirairay ihany aloha atrehina ary tadidio fa tsy haharitra mandrakizay ny alahelonao. Inona àry no azonao atao mba hanamaivanana ny fahorianao, na mba tsy hahatonga an’ilay izy haharitra ela loatra?

Tsy diso ianao raha malahelo be

^ feh. 17 Raha tafahoatra anefa ilay alahelo sady maharitra be, dia mety ho lasa aretina ilay izy. Raha izany no mitranga dia aleo manatona mpitsabo aretin-tsaina.