Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  No. 3 2017

 MATOAN-DAHATSORATRA | AVY AMIN’ANDRIAMANITRA TOKOA VE NY BAIBOLY?

Marina Daholo Izay Lazain’ny Baiboly

Marina Daholo Izay Lazain’ny Baiboly

Mifanaraka Amin’ny Siansa

TSY boky momba ny siansa ny Baiboly nefa marina ny zavatra resahiny momba ny zavaboary. Diniho, ohatra, izay lazainy momba ny hoe ahoana no mampisy ny orana ary ahoana no itomboan’ny zaza ao am-bohoka.

AHOANA NO MAMPISY NY ORANA?

NY FOMBA IFORONAN’NY ORANA

Hoy ny Joba 36:27, 28: “[Ampiakarin’Andriamanitra] ireo piti-drano, ary mirotsaka ho orana sy zavona ireny. Koa mitete ny rahona.”

Miresaka an’ireo dingana telo amin’ny tsingerin’ny rano ny Baiboly eo. Mampiasa ny hafanan’ny masoandro Andriamanitra, mba ‘hampiakarana ireo piti-drano’ ho 1) etona. Lasa 2) rahona ilay izy rehefa mangatsiaka, ary avy eo lasa 3) orana na havandra na lanezy. Na ny manam-pahaizana momba ny toetrandro aza tsy mahazo tsara amin’ny an-tsipiriany hoe ahoana no mampisy ny orana. Tsy mahagaga izany satria hoy ny Baiboly: “Iza no mahafantatra ny fivelaran’ny rahona?” (Joba 36:29) Ny Mpamorona kosa mahay tsara hoe ahoana no mampisy ny orana. Efa nasainy nosoratana tao amin’ny Baiboly ny momba an’izany, ela be talohan’ny nahalalan’ny mpahay siansa ny fizotran’ilay izy.

AHOANA NO ITOMBOAN’NY ZAZA AO AM-BOHOKA?

FOTOTARAZO

Hoy i Davida Mpanjaka, mpanoratra Baiboly, tamin’Andriamanitra: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako.” (Salamo 139:16) Nampiasa sarin-teny i Davida eo mba hilazana ny fitomboan’ny zaza ao am-bohoka. Toy ny hoe manaraka toromarika voasoratra ao anaty ‘boky’ ilay izy. Efa 3 000 taona teo ho eo anefa izay no nanoratana an’io andininy io!

Tamin’ny 1860 tany ho any vao hitan’i Gregor Mendel, manam-pahaizana aotrisianina, ny lalàna mifehy ny fototarazo. Tamin’ny Aprily 2003 koa vao hain’ny mpikaroka ny filaharan’ireo zavatra simika ao amin’izy ireny. Hita ao amin’ny fototarazo ny toromarika rehetra ilaina mba hampisy ny vatan’olombelona. Milahatra mirindra tsara ny toromarika ao amin’izy ireny, hoatran’ireo litera sy teny milahatra tsara ao amin’ny diksionera. Miforona ara-potoana sy araka ny filaharany avy àry ny tapany samihafa amin’ny vatan’ny zaza ao am-bohoka, toy ny atidoha, fo, havokavoka, ary rantsana. Tsy mahagaga raha antsoin’ny mpahay siansa hoe “bokin’ny fiainana” ny fototarazo. Ahoana no nahalalan’i Davida ny marina momba ny fitomboan’ny zaza ao am-bohoka? Niaiky izy hoe: “Ny fanahin’i Jehovah no niteny tamin’ny alalako, ary ny teniny no teo amin’ny lelako.” *2 Samoela 23:2.

 Tanteraka Izay Lazainy Momba ny Hoavy

RAHOVIANA no hihamatanjaka na ho resy ny fanjakana na tanàna iray? Ahoana no hitrangan’izany? Hatraiza ny fahefana hananany ary hafoiny daholo ve izany atỳ aoriana? Sarotra be ny haminavina an’izany, na tsy ho hay mihitsy. Ny Baiboly anefa efa nilaza tamin’ny an-tsipiriany fa hisy fanjakana sy tanàna matanjaka be ho rava. Ireto misy ohatra roa:

HO RESY SY HO LAO I BABYLONA

Renivohitry ny fanjakana matanjaka iray tany amin’ny faritra andrefan’i Azia i Babylona, nandritra ny taonjato maro. Nisy fotoana aza izy io no tanàna lehibe indrindra eran-tany. Tokotokony ho 200 taona mialoha anefa, dia nasain’Andriamanitra nanoratra i Isaia mpaminany hoe ho resin’i Kyrosy i Babylona, ary tsy honenana intsony mandrakizay. (Isaia 13:17-20; 44:27, 28; 45:1, 2) Izany tokoa ve no nitranga?

TANTARA

Resin’i Kyrosy Lehibe tao anatin’ny indray alina monja i Babylona, tamin’ny Oktobra 539 Talohan’i Kristy (T.K.). Lasa tsentsina ireo lakandrano nanondraka ny faritra lonaka nanodidina azy io tatỳ aoriana, satria tsy voakarakara intsony. Voalaza fa nilaozan’ny olona ilay tanàna tamin’ny taona 200 Aorian’i Kristy. Rava tanteraka izao i Babylona. “Lao tanteraka” izy io, araka ny efa nolazain’ny Baiboly.—Jeremia 50:13.

Ahoana no nahalalan’i “Isaia zanak’i Amoza” hoe izany no hiafaran’i Babylona? Satria ‘nahazo fahitana’ momba “ny fanamelohana an’i Babylona” izy.—Isaia 13:1.

“HO KARAKAINA TOY NY TANY EFITRA” I NINIVE

Nampiaiky ny hatsaran’ny tanànan’i Ninive, renivohitry ny Fanjakana Asyrianina. Nisy lalana migodàna tao, zaridainam-panjakana, tempoly, ary lapa ngezabe. Nilaza anefa i Zefania mpaminany fa ‘tsy hisy mponina sy ho karakaina toy ny tany efitra’ io tanàna tsara tarehy io.—Zefania 2:13-15.

Noravan’ny tafik’i Babylona sy Media i Ninive, tamin’ny 630 T.K. tany ho any. Milaza ny boky iray fa “hadino tanteraka ilay tanàna nandritra ny 2 500 taona.” Nisy fotoana aza ny olona nisalasala raha tena nisy izany Ninive izany na tsia! Tamin’ny 1850 tany ho any vao hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany ny sisa tavela tamin’i Ninive. Mihasimba sy robain’ny olona fotsiny izao ilay toerana. Nilaza àry ny fikambanana iray miaro ny vakoka eran-tany fa “mety hanjavona indray ny sisa tavela tamin’i Ninive.”

Ahoana no nahalalan’i Zefania hoe izany no hiafaran’i Ninive? Satria ‘tonga taminy ny tenin’i Jehovah.’—Zefania 1:1.

 Mamaly Fanontaniana Manahiran-tsaina

MAMALY an’ireo fanontaniana manahiran-tsaina momba ny fiainana ny Baiboly. Ireto misy ohatra:

NAHOANA NO BE DIA BE NY FAHARATSIANA SY FIJALIANA?

Miresaka betsaka momba ny faharatsiana sy fijaliana ny Soratra Masina. Hazavainy hoe:

  1. ‘Manjakazaka amin’ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’Mpitoriteny 8:9.

    Mijaly be ny vahoaka rehefa tsy mahay sy tia kolikoly ny mpitondra.

  2. “Mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” Mpitoriteny 9:11.

    Mety harary mafy na ho tratran’ny loza tampoka ny olon-drehetra na rahoviana na rahoviana, ary na aiza na aiza misy azy.

  3. “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana.”Romanina 5:12.

    Tsy nisy an’izany hoe tsy lavorary na maty izany, tamin’ny vao noforonina ny lehilahy sy vehivavy voalohany. Ninia tsy nankatò an’ilay Mpamorona anefa izy ireo, ka ‘niditra ho amin’izao tontolo izao’ ny ota.

Tsy manazava fotsiny ny Baiboly hoe nahoana ny olona no mijaly. Resahina ao koa fa mbola hofoanan’Andriamanitra ny faharatsiana. “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:3, 4.

MANAO AHOANA ISIKA REHEFA MATY?

Milaza ny Baiboly fa tsy mahatsiaro na inona na inona ny maty, sady tsy afaka manao zavatra. Hoy ny Mpitoriteny 9:5: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” ‘Foana ny eritreritsika’ rehefa maty isika. (Salamo 146:4) Tsy miasa intsony mantsy ny atidoha sy ny vavahadin-tsaintsika. Tsy afaka mieritreritra na manao zavatra na mahatsapa na inona na inona àry isika rehefa maty.

Tsy manazava fotsiny ny Baiboly hoe manao ahoana ny maty. Resahiny koa fa toy ny olona renoky ny torimaso lalina izy ireny, ka mbola hofohazina na hatsangana.—Hosea 13:14; Jaona 11:11-14.

NAHOANA ISIKA NO MISY?

Milaza ny Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra no namorona ny olona. (Genesisy 1:27) Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra”  àry i Adama, ilay lehilahy voalohany. (Lioka 3:38) Noforonina ny olombelona mba hifandray akaiky amin’ilay Rainy any an-danitra sy ho sambatra mandrakizay eto an-tany. Nataon’Andriamanitra haniry hianatra momba azy àry ny olona rehetra. Hoy ny Matio 5:3: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”

Hoy koa ny Lioka 11:28: ‘Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany no sambatra!’ Tsy hoe mampianatra antsika momba an’Andriamanitra fotsiny ny Baiboly. Ampiany koa isika mba ho sambatra kokoa sy hanana hoavy tsara.

Manatòna An’ilay Nampanoratra ny Baiboly

OLONA an-tapitrisany eran-tany no miaiky, rehefa avy nandinika an’ireo porofo, hoe tsy asa soratra fahiny fotsiny ny Baiboly, fa tena Tenin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’izy io Andriamanitra no mifandray amin’ny olombelona, anisan’izany ianao! Voalaza ao fa tiany hahalala azy sy hinamana aminy ianao. Hoy mantsy ny Jakoba 4:8: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”

Hiana-javatra mahafinaritra ianao raha mandalina ny Baiboly. Ho fantatrao, ohatra, ny hevitr’Andriamanitra sy ny fihetseham-pony, tsy misy hafa amin’ny hoe mahalala ny ao an-tsain’ny mpanoratra iray ianao rehefa mamaky ny bokiny. Eritrereto ange izany e! Afaka ny hahalala an’izay tsapan’ilay Mpamorona anao ianao! Hahita an’ireto koa ianao ao amin’ny Baiboly:

Mbola misy zavatra tianao ho fantatra ve? Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka mampianatra Baiboly maimaim-poana izy ireo. Vao mainka izany hanampy anao hanatona an’i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra ny Baiboly.

Nodinihina tato ny porofo sasany manamarina fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, toko 2. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary azo alaina ao amin’ny www.jw.org/mg, na ampiasao ity kaody QR ity

Azonao jerena koa ilay video hoe Avy Amin’iza ny Baiboly? ao amin’ny www.jw.org/mg

Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > VIDEO

^ feh. 10 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo 83:18.