Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! NO. 3 2016

Tsy Mahazaka Sakafo ve Ianao sa Tsy Mahalevon-kanina?

Tsy Mahazaka Sakafo ve Ianao sa Tsy Mahalevon-kanina?

“Napetrako ny sotroko, fa nahatsiaro ho hafahafa aho. Hoatran’ny nangidihidy izany tao anaty vavako, dia nivonto ny lelako. Fanina aho sady sempotra. Nisy tandomerina ny tanako sy ny tendako. Natahotra be aho fa niezaka ho tony fotsiny. Nila nandeha haingana tany amin’ny hopitaly aho!”—Emily.

TIAN’NY ankamaroantsika ny misakafo. Misy sakafo tsy maintsy fadin’ny olona sasany anefa satria tsy zakany. Tsy nahazaka sakafo, ohatra, i Emily, voaresaka etsy ambony. Tena mety hahafaty ilay nahazo azy. Soa ihany fa tsy ny olon-drehetra no mijaly be toy izany, rehefa misy sakafo tsy zakany.

Nihamaro tato ho ato ny olona mitaraina hoe misy sakafo tsy zakany. Hitan’ny mpitsabo anefa fa vitsy amin’izy ireo ihany no tena tsy mahazaka an’ilay sakafo.

Nahoana no misy sakafo tsy zaka?

Hoy ny Pr. Jennifer Chafen sy ireo mpahay siansa miara-miasa aminy: “Samy manana ny heviny momba ny atao hoe tsy mahazaka sakafo ny mpahay siansa.” (Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana) Miaiky anefa ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa ny hery fanefitra ao amin’ny vatan’ny olona no mahatonga azy tsy hahazaka sakafo sasany.

Heverin’ny hery fanefitra ho fahavalo ny proteinina ao amin’ireny sakafo ireny rehefa tafiditra ao amin’ny vatana. Mety hamorona karazana proteinina atao hoe IgE àry ny hery fanefitra mba hiadiana amin’ilay izy. Mamoaka zavatra simika toy ny histaminina ilay IgE, rehefa mihinana sakafo misy an’ilay proteinina tsy zakany indray ilay olona, any aoriana any.

Mahasoa ny histaminina amin’ny ankapobeny. Tsy fantatra anefa izay tena antony fa lasa tsy mahazaka sakafo misy proteinina sasany ny olona iray, rehefa misy IgE sy histaminina ao amin’ny vatany.

Izany no mahatonga ny olona iray hoatran’ny hoe tsy maninona raha sambany vao mihinana sakafo iray, nefa lasa tsy zakany intsony ilay izy amin’ny manaraka.

Nahoana no misy sakafo tsy levona?

Tsy mitovy amin’ny hoe tsy mahazaka sakafo ny hoe tsy mahalevon-kanina. Tsy misy ifandraisany amin’ny hery fanefitra mantsy ilay olana. Tsy levon’ilay olona kosa ilay sakafo, satria tsy ampy angamba ny anzima ao amin’ny vatany, na saro-devonina ny zavatra simika ao amin’ilay sakafo. Misy, ohatra, tsy mahalevona laktaozy rehefa misotro ronono na mihinana zavatra vita avy amin’izy io. Tsy mamokatra an’ireo anzima mandevona ny karazana siramamy ao amin’izy ireny mantsy ny tsinainy.

 Mety hisy olona tsy mahalevona sakafo iray, na dia vao sambany aza izy no mihinana azy io. Nahoana? Satria be loatra angamba no laniny. Mety tsy haninona kosa izy, raha kelikely fotsiny no haniny. Tsy hoatran’izany anefa ny olona tsy mahazaka sakafo sasany. Na kely fotsiny aza no haniny, dia mety hahafaty azy. Tsy eken’ny hery fanefitra ao amin’ny vatany mantsy ny proteinina ao amin’ilay sakafo.

Inona avy ireo famantarana?

Ireto no mety ho famantarana hoe misy sakafo tsy zakanao: Mangidihidy, mivoaka tandomerina, mivonto ny maso sy ny lela ary ny ao anaty tenda, maloiloy, mandoa, na mivalana. Ny tena ratsy aza dia hoe mety hidina tampoka ny tosidranao, ho fanina sy ho torana ianao, ary mety hijanona mihitsy ny fonao. Mety hihombo haingana be izany sady hahafaty.

Maro ny sakafo mety tsy ho zakan’ny olona, fa ireto matetika no tena misy vokany ratsy: Ronono, atody, voanjombazaha, trondro, hazandranomasina, voanjo, saozà, ary varimbazaha. Mety tsy hahazaka sakafo ny olona iray, na firy taona izy na firy taona. Hitan’ny mpikaroka fa anisan’ny mahatonga an’izany ny fototarazony. Azo inoana hoe tsy hahazaka sakafo sasany ny ankizy iray, raha manana izany olana izany ny rainy na ny reniny na izy mivady. Maro amin’ireny ankizy ireny anefa no lasa mahazaka an’ilay sakafo rehefa lehibe.

Tsy dia atahorana kosa ny famantarana miseho amin’ny olona iray tsy mahalevon-kanina. Hoatr’izao no mety ho fisehony: Mavesatra ny vavony, mizihitra ny kibo, be rivotra, misy manindrona ao amin’ny vavony na kibo, marary andoha, reradreraka, tsy mahazo aina, na misy mandrotsirotsy amin’ny hoditra. Maro ny sakafo mety tsy ho levon’ny olona, fa ireto matetika no saro-devonina: Zavatra vita amin’ny ronono, varimbazaha, toaka, ary leviora.

Inona no tokony hatao?

Azonao atao ny manatona dokotera raha hitanao hoe misy sakafo tsy zakanao, na tsy levonao. Tsy tsara ny manao dokotera tena sy ny manapa-kevitra samirery hoe hifady sakafo sasany. Mety ho tena ilain’ny vatanao mantsy ny otrikaina ao amin’ireny sakafo ireny.

Raha misy sakafo tsy zakanao mihitsy, dia ny mifady azy tanteraka no tena vahaolana. * Ahoana kosa raha zakanao ihany ilay izy, na sarotra aminao ny mandevona azy? Aza mihinana matetika azy io, ary kely ihany hanina. Indraindray anefa mety ho voatery hifady tanteraka an’ilay sakafo ianao, na tsy hihinana azy io elaela, arakaraka izay mety ho vokatr’ilay izy eo amin’ny vatanao.

Aza kivy àry na dia misy sakafo tsy zakanao na tsy levonao aza. Maro ny olona hoatr’izany, nefa vitany tsara ny miatrika an’ilay izy. Mbola betsaka koa ny sakafo matsiro sy mahavelona azony hanina.

^ feh. 19 Ampirisihina hitondra karazana seraingy kely misy adirenalinina (epinefrinina) ny olona mahita olana lehibe rehefa mihinana sakafo sasany. Afaka mitsindrona amin’iny haingana àry izy, raha vao misy famantarana hoe misy sakafo tsy zakany. Misy dokotera koa milaza fa tsara raha ampitondraina karatra, na brasele, na zavatra mitovitovy amin’izany ny ankizy tsy mahazaka sakafo sasany, mba hahalalan’ny mpampianatra sy ny mpikarakara azy hoe inona no tsy zakany.