Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  No. 2 2016

 MATOAN-DAHATSORATRA

Boky Tsara Fotsiny ve ny Baiboly?

Boky Tsara Fotsiny ve ny Baiboly?

Roa arivo taona teo ho eo izay ny Baiboly no vita. Tsy hita isa ny boky efa natonta sy efa nanjavona taorian’izay. Ny Baiboly kosa mbola eo foana. Diniho izao:

  • Mbola misy ny Baiboly hatramin’izao na dia niezaka nanafoana azy io aza ny manam-pahefana. Hoy ny boky Tantaran’ny Baiboly Fahiny (anglisy): “Nendrikendrehina ho mivadi-pinoana sy mampisara-bazana izay olona nanana Baiboly sy namaky azy io [tamin’ny fiteny nampiasain’ny besinimaro].” Izany no nitranga tany amin’ny firenena sasany lazaina fa Kristianina, taorian’ny taona 1200. Nety ho namoy ny ainy ireo manam-pahaizana nandika Baiboly tamin’ny fitenin’ny besinimaro, na nampirisika ny olona hianatra azy io. Nisy aza novonoina ho faty mihitsy.

  • Ny Baiboly no boky miely indrindra hatramin’izay, na dia betsaka aza ny fahavalony. Baiboly dimy arivo tapitrisa no efa vita pirinty amin’ny fiteny 2800 mahery, na izy manontolo izany na ny ampahany aminy. Tsy toy izany ny boky momba ny filozofia sy ny siansa na zavatra hafa, satria voafetra ihany ny atao pirinty amin’izy ireny sady mora lany andro.

  • Nahatonga ny fiteny sasany hivoatra sy tsy hanjavona ny Baiboly. Nisy vokany be teo amin’ny teny alemà, ohatra, ilay Baiboly nadikan’i Martin Luther tamin’io fiteny io. Teo koa ilay Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques natonta voalohany. Io angamba no boky tamin’ny teny anglisy be mpamaky indrindra hatramin’izay.

  • Hoy ny Rakipahalalan’i Oxford Momba An’ireo Boky ao Amin’ny Baiboly (anglisy): “Tena nanan-kery teo amin’ny kolontsaina tandrefana” ny Baiboly, “ary tsy teo amin’ny fivavahana sy ny fomba amam-panao ihany, fa teo amin’ny zavakanto, literatiora, lalàna, politika, ary sehatra maro hafa koa.”

Vao ampahany amin’ny lafiny mampiavaka ny Baiboly ireo. Ankoatra an’ireo anefa dia misy torohevitra tsara ao, ohatra hoe momba ny fitondran-tena sy ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Hazavainy koa ny antony mahatonga ny fijaliana sy ny ady. Mampanantena aza izy io fa tsy hisy intsony ireny olana ireny, ary hazavainy hoe ahoana no hahatanteraka an’izany. Tsy mahagaga àry raha be mpitia ny Baiboly sady nanaovan’ny olona vivery ny ainy mihitsy aza.

 Manampy antsika hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny Baiboly

Tena ilaina ny fianarana. Milaza anefa ny gazety iray any Kanada fa “tsy mahatonga ny olona ho tsara fitondran-tena ny fianarana vitany, na dia ahazoany diplaoma be aza.” Betsaka mantsy ny olona nahita fianarana, nefa misoloky sy manao hosoka ary mangalatra. Anisan’izany ireo mpitantana orinasa na mpitondra fanjakana. “Lasa tsy matoky ny mpitondra azy intsony ny olona” noho izany, araka ny fanadihadiana nataon’ny orinasa Edelman.

Mampianatra ny olona ho tsara fitondran-tena sy hifandray tsara amin’Andriamanitra ny Baiboly. Ampiany isika mba hahalala “ny atao hoe fahamarinana sy rariny ary fahitsiana, eny, izay tsara rehetra.” (Ohabolana 2:9) Nigadra tany Polonina, ohatra, i Stephan, * tovolahy iray 23 taona. Nanomboka nianatra Baiboly izy tany am-ponja, ary lasa tiany ny torohevitra ao. Hoy izy: “Azoko tsara izao ny dikan’ilay hoe ‘hajao ny rainao sy ny reninao.’ Nianatra nifehy ny fihetseham-poko koa aho, indrindra fa ny hatezerana.”—Efesianina 4:31; 6:2.

Anisan’ny toro lalana tena tian’i Stephan ilay ao amin’ny Ohabolana 19:11 hoe: “Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina, ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.” Miezaka ho tony sy handinika tsara izao izy rehefa misy olana, ary ampihariny izay toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’izany. Hoy izy: “Hitako hoe ny Baiboly no tari-dalana tsara indrindra.”

Vavolombelon’i Jehovah i Maria. Nanala baraka azy imasom-bahoaka ny vehivavy iray ary niteraka savorovoro izany. Tsy namaly anefa i Maria fa tony foana, ary ny lalany ihany no nizorany. Nanenina ilay vehivavy ka nitady Vavolombelon’i Jehovah. Nihaona tamin’i Maria ihany izy rehefa afaka iray volana teo ho eo, ka namihina azy ary niala tsiny taminy. Hitany koa hoe ny fivavahan’i Maria no  mahatonga azy halemy fanahy sy hahafehy tena. Nanapa-kevitra ny hianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona àry ilay vehivavy sy ny havany dimy.

Nilaza i Jesosy Kristy fa ny fahendrena dia hamarinin’ny vokany. (Lioka 7:35, f.a.p.) Efa voaporofo fa mandaitra ny torohevitry ny Baiboly. Mampiharihary ny toetra tsarantsika izy ireny. “Mampahahendry an’izay mbola tsy dia nandia fiainana” koa ireo fanazavana omeny momba ny fitondran-tena sy ny fifandraisana amin’Andriamanitra. “Mahafaly ny fo” izany, ary “mampahiratra ny maso.”—Salamo 19:7, 8.

Manazava momba ny fijaliana sy ny ady ny Baiboly

Rehefa misy valanaretina dia miezaka mitady ny antony mahatonga an’ilay izy ny mpikaroka. Mila manao toy izany koa isika raha te hahalala ny antony mahatonga ny olona hijaly sy hiady. Tena manampy antsika ny Baiboly satria voalaza ao ny niandohan’ny tantaran’ny olombelona, izany hoe ny fotoana nanombohan’ny olana.

Resahin’ny Genesisy fa nanomboka ny olana rehefa nikomy tamin’Andriamanitra ny mpivady voalohany. Nifidy ny hamaritra izay tsara sy ratsy, ohatra, izy ireo nefa ny Mpamorona ihany no manan-jo hanao izany. (Genesisy 3:1-7) Mampalahelo fa nanahaka azy ireo ny olona. Tsy mba fahafahana sy fahasambarana àry no nifandimby teo amin’ny tantaran’ny olombelona fa ady sy fampahoriana. Tsy mifanaraka koa ny olona eo amin’ny resaka fivavahana sy izay atao hoe fitondran-tena tsara sy ratsy. (Mpitoriteny 8:9) Marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: ‘Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’ (Jeremia 10:23) Soa ihany fa kely sisa dia tsy hisy intsony ny olana vokatry ny fikomian’ny olombelona.

 Manome fanantenana ny Baiboly

Manome toky antsika ny Baiboly fa tsy havelan’Andriamanitra hitohy mandrakizay ny faharatsiana sy ny fijaliana. Tiany mantsy ireo manaja ny fahefany sy ny fitsipiny. “Hihinana ny vokatry ny nataony” ny ratsy fanahy. (Ohabolana 1:30, 31) ‘Ny mpandefitra kosa handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’—Salamo 37:11.

“Sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.”—1 Timoty 2:3, 4.

Tian’Andriamanitra hanjaka etỳ an-tany ny fiadanana. Hanatanteraka an’izany izy amin’ny alalan’ilay Fanjakany. (Lioka 4:43) Hitondra ny tany manontolo izy io, ary hampiharihary fa Andriamanitra no manana zo hitondra ny olombelona. Hisy vokany etỳ an-tany io Fanjakana io, satria hoy i Jesosy: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.”—Matio 6:10.

Hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanaiky hoe tsy ny olombelona no manana zo hitondra fa ilay Mpamorona irery ihany. Tsy hisy intsony ny kolikoly, ny fitiavan-karena, ny fari-piainana tsy mitovy, ny fanavakavahana, ary ny ady. Ho fanjakana iray amin’izay no hitondra, ho tafaray ny olom-peheziny, ary hitovy daholo ny fitsipika arahin’izy ireo.—Apokalypsy 11:15.

Mila mianatra Baiboly ianao raha te hahita an’io tontolo vaovao io. Hoy ny 1 Timoty 2: 3, 4: “Sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” Anisan’izany fahamarinana izany ny zavatra ampianarin’ny Baiboly momba ny lalàna sy fitsipika mifehy an’ilay Fanjakana. Ahitana ny sasany amin’izany ilay toritenin’i Jesosy Kristy teo an-tendrombohitra. (Matio, toko 5-7) Rehefa mamaky an’ireo toko telo ireo ianao, dia saintsaino hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa hampihatra ny torohevitr’i Jesosy daholo ny olona.

Tsy mahagaga àry raha ny Baiboly no boky miely indrindra eran-tany. Hita hoe avy amin’Andriamanitra izy io rehefa jerena ny zavatra ampianariny. Miely be koa izy io satria tian’Andriamanitra hahalala azy sy handray soa avy amin’ilay Fanjakany ny olona avy amin’ny firenena sy fiteny rehetra.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Novana ny anarany.