Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! NO. 2 2016

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ampio ny Zanakao Hiatrika ny Fiovana eo Amin’ny Vatany

Ampio ny Zanakao Hiatrika ny Fiovana eo Amin’ny Vatany

OLANA

Hoatran’ny hoe vao omaly ianao no nitrotro ny zanakao, nefa izao izy efa folo taona mahery sahady. Marina fa mbola zaza izy, nefa efa kely sisa dia hisy fiovana eo amin’ny vatany. Manomana azy ho lasa olon-dehibe izany.

Mampiady saina ireny fiovana ireny ary mety hahakivy indraindray. Ahoana àry no hanampianao ny zanakao hiatrika azy ireny?

TSARA HO FANTATRAO

Tsy mitovy ny fotoana itrangan’ilay fiovana. Ny an’ny ankizy sasany amin’izy 8 taona, fa ny an’ny hafa amin’izy 15 taona na mahery. Hoy ny boky Omeo Fitiavana sy Fatokisana Izy mba Hianatra Hahaleo Tena (anglisy): “Tsy mitovy ny fotoana anombohan’ny fiovana eo amin’ny ankizy tsirairay.”

Mahatonga ny ankizy ho be fanahiana ilay izy. Lasa manahy be izy hoe ahoana no fiheveran’ny olona azy. Hoy i Johary: * “Lasa nieritreritra be momba ny paoziko sy ny fihetsiko aho. Rehefa niaraka tamin’olona maromaro aho dia natahotra sao heverin-dry zareo hoe hafahafa.” Vao mainka kivy ny ankizy rehefa misy mony. Hoy i Mevasoa, 17 taona: “Hoatran’ny simba be ny tarehiko. Nisy fotoana aho nitomany sady nieritreritra hoe ratsy tarehy be.”

Sahirana ireo miatrika fiovana aloha kokoa. Ny ankizivavy no tena iharan’izany, satria mety hisy hananihany izy rehefa manomboka maniry ny nonony na miova ny bikany. Hoy ny boky iray momba ny fitaizana: “Mety ho liana amin’izy ireo koa ny ankizilahy be taona kokoa sady efa nanao firaisana.”

Tsy voatery ho matotra ny ankizy rehefa misy fiovana eo amin’ny vatany. Hoy ny Ohabolana 22:15: “Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana.” Mbola izany no izy na misy aza ilay fiovana. Milaza ny boky Ianao sy ny Zanakao (anglisy) fa na dia hoatran’ny efa lehibe aza ny ankizy iray, dia “tsy midika izany hoe mahay manapa-kevitra izy, na mahay mandray andraikitra, na mahafehy tena, na manana toetra hafa ananan’ny olona matotra.”

 INONA NO AZONAO ATAO?

Resaho aloha be ilay izy. Resaho amin’ny zanakao ny zavatra hitranga eo amin’ny vatany, indrindra ny hoe ho tonga fotoana izy (raha ankizivavy), ary mety hivoaka tsirinaina rehefa matory amin’ny alina (raha ankizilahy). Tsy mandeha tsikelikely toy ny fiovana hafa ireo fa tonga tampoka, ary mety hampiady saina sy hampatahotra. Hazavao aminy fa mahasoa azy izany satria manomana azy ho lasa olon-dehibe.—Toro lalan’ny Baiboly: Salamo 139:14.

Ataovy feno tsara ny fanazavanao. Hoy i Haja: “Niolakolaka i Dada sy Neny rehefa niresaka momba ny fiovana hitranga amiko. Tiako raha nataony mivantana kokoa ilay izy.” Hoy koa i Antsa, 17 taona: “Nampian’i Neny aho hahalala ny zavatra hiova eo amin’ny vatako. Tiako anefa raha nampiany koa aho mba hahay hifehy ny fihetseham-poko rehefa mitranga ilay izy.” Resaho amin’ny zanakao daholo àry izay mombamomba an’ilay fiovana, na dia mahasadaikatra aza izany.—Toro lalan’ny Baiboly: Asan’ny Apostoly 20:20.

Mametraha fanontaniana mahatonga azy hiresaka. Ny zavatra iainan’ny ankizy hafa aloha resahina. Azonao anontaniana, ohatra, ny zanakao vavy hoe: “Efa misy mpiara-mianatra amin-dry ve miresadresaka hoe tonga fotoana?” “Hanihanin’ny namany ve ny ankizivavy raha mbola kely izy nefa efa misy fiovana eo amin’ny vatany?” Azonao anontaniana ny zanakao lahy hoe: “Esoesoin’ny namany ve ny ankizy raha taraiky be ny fitomboany?” Mety ho mora amin’ny zanakao ny hilaza ny zavatra tsapany sy iainany raha ny vokatr’ilay izy amin’ny hafa aloha no resahiny. Rehefa miresaka izy dia aoka ianao “ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”—Jakoba 1:19.

Ampio ny zanakao hanana ‘fahendrena sy fahaiza-misaina.’ (Ohabolana 3:21) Tsy ny vatana sy ny fihetseham-pon’ny zanakao ihany no miova rehefa folo taona mahery izy. Lasa mahay misaina kokoa izy ary hanampy azy hahay hanapa-kevitra izany any aoriana any. Hararaoty izany mba hampianarana azy hanana fitondran-tena tsara.—Toro lalan’ny Baiboly: Hebreo 5:14.

Aza kivy. Betsaka ny ankizy hoatran’ny hoe tsy te hiresaka momba ny fiovana eo amin’ny vatany. Mety hamitaka anefa izany. Hoy ny boky Ianao sy ny Zanakao: “Mety hitadidy ny teny rehetra lazainao ny ankizy na dia hoatran’ny tsy liana aza izy, na sorena, na rikoriko, na manao be marenina.”

^ feh. 8 Novana ny anarana ato.

Fanampim-panazavana

Ampio ny Zanakao ho Lasa Olon-dehibe Matotra

Efa mihalehibe ve ny zanakao? Ahoana àry no hanampianao azy ho lasa olon-dehibe matotra?