Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Ny fototry ny aretina mihitsy no mila fantarina sy itadiavana vahaolana

 AHOANA NO HAHITANA NY VAHAOLANA?

Mila Fantarina ny Tena Fototry ny Olana

Mila Fantarina ny Tena Fototry ny Olana

Ho vitan’ny olombelona ve ny hanova ny zava-misy? Tsy hilamina mihitsy ny fiainantsika, raha tsy ny fototry ny olana mihitsy aloha no fantarina sy itadiavana vahaolana.

Eritrereto ny nanjo an’i Tom. Notsaboina izy rehefa narary, nefa maty ihany tamin’ny farany. Nahoana? Nilaza ny dokotera tao amin’ilay hopitaly nahafatesany hoe: “Tsy nisy nieritreritra hitady ny fototr’ilay aretina rehefa nanomboka narary izy.” Izay hampitony ny fanaintainany fotsiny angamba no nataon’ireo dokotera nitsabo azy teo aloha.

Sao dia mba hoatr’izany koa no ataon’ny olombelona? Inona, ohatra, no ataon’ny mpitondra mba hiadiana amin’ny heloka bevava? Mamoaka lalàna izy ireo, mampiasa fitaovana fanaraha-maso, na mampitombo ny isan’ny mpitandro filaminana. Ilaina ireo kanefa tsy tena mamaha an’ilay olana. Ilay mpanao heloka bevava mihitsy no mila manova ny toe-tsainy.

Mihamahantra foana ny firenena misy an’i Daniel, any Amerika Atsimo. Hoy izy: “Nilamina ny fiainanay taloha. Tsy nisy jiolahy nitam-piadiana tamin’izany. Tsy milamina intsony anefa ny tany amin’izao, na any an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. Izao vao tena hita hoe tia vola ny ankamaroan’ny olona, tsy matahotra ny handatsa-dra, sady tsy menatra ny hangalatra.”

Tsy maintsy nandositra ny lehilahy iray, satria nisy ady tany amin’ny taniny. Nianatra Baiboly izy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Nampirisihina handray anjara tamin’ilay ady ny tanora tany aminay. Samy nampirisika azy ireo na ny havany na ny mpitondra. Amin’izay, hono, ry zareo ho lasa olo-malaza. Dia hoatr’izany koa no nataon’ilay firenena niady tamin’ny taninay. Ratsy foana ny vokany rehefa ny mpitondra no ianteherana.”

Marina mihitsy ny lazain’ny Baiboly hoe:

  • ‘Zava-dratsy foana no irin’ny fon’ny olona, efa hatramin’ny fahazazany.’—Genesisy 8:21.

  • “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina. Iza no mahalala ny aminy?”—Jeremia 17:9.

  • “Avy ao am-po ... no ivoahan’ny eritreri-dratsy, ny vonoan’olona ... ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga.”—Matio 15:19.

Tsy nahavita niova mihitsy ny olombelona hatramin’izay, fa vao mainka aza miharatsy toetra. (2 Timoty 3:1-5) Tokony ho tsara toetra anefa ny olona, satria be dia be ny fahalalana ananantsika amin’izao sady tsy sarotra ny mifandray amin’ny hafa. Maninona àry no tsy mety milamina ny fiainana? Sao dia mba tsy ho vitantsika mihitsy ny hanova ny zava-misy? Sa nofinofy fotsiny ilay hoe fiainana milamina?

TSY HO VITANTSIKA OLOMBELONA MIHITSY NY HAMAHA AN’ILAY OLANA

Na atao aza hoe lasa tsara toetra daholo ny olona, dia mbola tsy hilamina ihany ny fiainana. Nahoana?

 Hoy ny Baiboly: “Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ... ny olona.” (Jeremia 10:23) Tsy natao hifampitondra mihitsy isika olombelona, hoatr’antsika tsy natao hiaina any anaty rano ihany.

Tsy natao hifampitondra mihitsy isika olombelona, hoatr’antsika tsy natao hiaina any anaty rano ihany

Tsy tia tenitenenina ny ankamaroan’ny olona. Tsy tiany, ohatra, rehefa tenenina izy hoe ahoana no tokony hitondrany ny fiainany, na hoe inona no fitsipika tokony harahiny. Be dia be koa ny zavatra tsy mampitovy hevitra ny olona, ohatra hoe ny fomba hitaizana zanaka na ny fanalana zaza. Tena marina ilay resahin’ny Baiboly hoe tsy natao hifampitondra ny olombelona. Tsy mahavita an’izany isika, sady tsy manana zo hanao an’izany. Inona àry no vahaolana?

Andriamanitra ihany no afaka mamaha an’ilay olana, satria izy no Mpamorona. Misy mieritreritra hoe tsy miraharaha antsika izy, matoa hoatr’izao ny fiainana. Ampianarin’ny Baiboly anefa hoe tena tia antsika izy. Mila mahafantatra an’izay tena ampianarin’ny Baiboly isika. Ho azontsika amin’izay hoe nahoana no misy zavatra tsy vitantsika mihitsy, ary nahoana no lasa ratsy be ny fiainana. Ho haintsika koa hoe maninona no tsy nandray lesona avy tamin’ny lasa ny olona sy ny mpitondra, ary maninona no tsy mihatsara ny toetrany.

MANAMPY ANTSIKA NY BAIBOLY

Hoy i Jesosy: “Ny fahendren’ny olona ... dia hamarinin’ny zanany rehetra”, na hamarinin’izay ataony. (Lioka 7:35) Hendry, ohatra, isika raha manaraka an’ity torohevitry ny Baiboly ity: “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” (Salamo 146:3) Tsy ho diso fanantenana isika amin’izay. Feno herisetra be, ohatra, ao amin’ny tanàna misy an-dry Kenneth, any Amerika Avaratra. Hoy izy: “Mampanantena foana izay mpitondra tonga eo hoe hanova zavatra, fa tsy misy mahavita. Hita mihitsy hoe marina ny tenin’ny Baiboly, ary hendry isika raha manaraka an’izay voalaza ao.”

Hoy i Daniel, ilay voaresaka tetsy aloha: “Vao mainka miharihary isan’andro hoe tsy mahay mitondra ny olombelona. ... Tsy hoe rehefa manao tahiry ianao na manana vola any amin’ny banky, dia ho azo antoka ny hoavinao. Efa betsaka ny olona diso fanantenana tamin’izany.”

Manampy antsika tsy ho diso fanantenana àry ny Baiboly. Mampanantena koa izy io hoe ho tsara ny hoavintsika. Hanazava an’izany ireo lahatsoratra manaraka.