Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  No. 1 2017

Mihaino ny feon’ny fieritreretany ny vehivavy hendry

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fanalana Zaza

Fanalana Zaza

Zaza 50 tapitrisa mahery no iniana esorina isan-taona. Mbola mihoatra noho ny isan’ny mponina any amin’ny tany maro izany!

Tsy mety mihitsy sa miankina amin’ny tsirairay?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Maro ny antony mahatonga ny vehivavy hanala zaza. Sahirana ara-bola, ohatra, izy, manana olana ao an-tokantrano na amin’ny olon-tiany, te hanohy ny fianarany na ny asany, na tsy te hitaiza irery ny zanany. Misy indray mihevitra hoe tsy mety mihitsy ny manala zaza. Adidy sy andraikitry ny vehivavy bevohoka mantsy, hono, ny manao izay hahaveloman’ny zaza ao an-kibony.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Masina ny aina amin’Andriamanitra, indrindra fa ny ain’olona. (Genesisy 9:6; Salamo 36:9) Masina koa àry ny ain’ny zaza ao am-bohoka, izay toerana nataon’Andriamanitra hiarovana sy hitomboan’ny zaza. Nisy mpanoratra Baiboly nilaza hoe: “Notakonanao tao an-kibon’i Neny aho. Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako sy ny andro hiforonan’ireny.”—Salamo 139:13, 16.

Ahitana ny fiheveran’Andriamanitra ny ain’ny zaza ao am-bohoka koa ny Lalàna nomena ny Israely sy ny feon’ny fieritreretantsika. Milaza ilay Lalàna fa homelohina ho faty izay mandratra vehivavy bevohoka, ka mahafaty ny zaza ao an-kibony. Hanome ny ainy izy ho solon’ilay aina nafoy. (Eksodosy 21:22, 23) Tsy maintsy dinihin’ny mpitsara koa anefa izay tena nitranga, sy hoe fanahy iniana ve ilay izy.—Nomery 35:22-24, 31.

Nomen’Andriamanitra feon’ny fieritreretana koa isika olombelona. Milamin-tsaina ny vehivavy, rehefa manaraka an’izay lazain’ny feon’ny fieritreretany ka manaja ny ain’ny zaza ao an-kibony. * Mety hanenjika na hanameloka azy kosa ny eritreriny raha tsy izany. (Romanina 2:14, 15) Hitan’ny mpikaroka fa atahorana kokoa hitebiteby sy ho kivy be ny vehivavy nanala zaza.

Ahoana indray raha bevohoka ny vehivavy iray, nefa izy mbola tsy vonona ny hitaiza sy hamelona zaza? Mampanantena an’ireo mankatò azy Andriamanitra hoe: “Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihanao, ary ny olona tsy manan-tsiny no hoentinao amin’ny fomba tsy misy tsiny.” (Salamo 18:25) Hoy koa ny Salamo 37:28: “Tia rariny i Jehovah, ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.”

“Ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.” Romanina 2:15.

 Ahoana raha efa nanala zaza ianao?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Hoy i Rova, * reny mitaiza irery ny zanany: “Efa telo ny zanako, ka nihevitra aho hoe tsy ho vitako intsony ny hitaiza iray fanampiny. Dia nesoriko ilay izy. Tsapako anefa hoe mahatsiravina ny zavatra nataoko.” Tsy hamela ny helony intsony ve Andriamanitra?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Mitovy hevitra amin’Andriamanitra i Jesosy Kristy. Hoy izy: “Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota mba hibebaka.” (Lioka 5:32) Vonona hamela ny helotsika Andriamanitra, na dia fahotana lehibe aza ilay izy, raha tena manenina sy mibebaka isika ary mangata-pamelana. (Isaia 1:18) Hoy ny Salamo 51:17: “Tsy hataonao tsinontsinona ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra ô!”

Omen’Andriamanitra fiadanan-tsaina sy feon’ny fieritreretana madio izay olona manenina mafy, ka manetry tena sy mivavaka aminy. Hoy ny Filipianina 4:6, 7: “Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.” * Niadan-tsaina i Rova, rehefa nianatra Baiboly sy namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra. Fantany izao hoe ‘tena mamela heloka’ Andriamanitra.—Salamo 130:4.

“Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika [Andriamanitra], na mamaly ny fahadisoantsika araka izay tokony ho sahaza antsika.”Salamo 103:10.

^ feh. 8 Tsy fialan-tsiny hanalana zaza ny hoe mety hatahorana ny fahasalaman’ilay reny na ny an’ilay zaza. Raha tsy maintsy misafidy ny mpivady hoe ny ain’ilay reny sa ny ain’ilay zaza ao am-bohoka no hovonjena, dia anjaran’izy mivady ny manapa-kevitra. Mahalana anefa izany vao mitranga, satria efa mandroso be ny fitsaboana any amin’ny tany maro.

^ feh. 12 Novana ny anarana.

^ feh. 14 Hiadan-tsaina koa ny olona iray, raha manantena fa mbola hitsangana ny maty. Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2009. Hazavaina ao ny toro lalan’ny Baiboly ahafahana milaza fa mety hatsangana amin’ny maty ny zaza maty tao am-bohoka.