Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! NO. 1 2016

 MATOAN-DAHATSORATRA

Afaka Manova Zavatra ve ny Toe-tsaina?

Afaka Manova Zavatra ve ny Toe-tsaina?

Iza amin’ireto no eritreretinao hoe tena mahatonga anao ho sambatra?

  • ny zavatra iainanao

  • ny fototarazonao

  • ny toe-tsainao

METY hisy hieritreritra fa ny ‘zavatra iainany’ no mahatonga azy ho sambatra. Angamba izy hilaza hoe “Ho sambatra aho raha...

  • “nanam-bola kokoa”

  • “nanetriketrika be ny mariaziko”

  • “salama kokoa”

Raha ny marina anefa dia miankina be dia be amin’ny toe-tsainao no hahasambatra anao na tsia. Tsy afaka manova ny fototarazonao mantsy ianao sady tsy tena afaka manova ny zavatra iainanao. Ny toe-tsainao kosa azonao ovana.

“MANASITRANA”

Hoy ny Ohabolana 17:22: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana, fa ny fahakiviana kosa mahamaina taolana.” Misy vokany lehibe àry ny toe-tsaina. Mety handrisika anao hanatratra tanjona izany, na hahatonga anao ho kivy. Mety hampiharihary ny toetra tsaranao na ny toetra ratsinao koa izany rehefa misy olana.

Tsy tena mino an’izany angamba ny olona sasany, ary mety hiteny hoe:

  • ‘Tsy hitako ny soa azoko raha manafina ny fahoriako aho fa mody mifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra.’

  • ‘Na hijery lafy tsaran-javatra aza aho dia tsy hisy n’inona n’inona hiova eo.’

  • ‘Aleoko mijery ny zava-misy toy izay hanonofy antoandro.’

Toa mitombina ireo hevitra ireo. Mahasoa foana anefa ny mijery lafy tsaran-javatra. Diniho ireto ohatra ireto:

 Samy miezaka manao ny asany i Nary sy Tovo. Rehefa nandinika ny asan’izy ireo anefa ny mpampiasa azy dia nahita fa samy nanao fahadisoana lehibe izy roa lahy.

  • Nary: “Lany andro sy lany ron-doha aho nanao an’ity asa ity nefa mbola tsy mety foana. Tsy hahay an’ity mihitsy aho. Na hiasa be eo aza aho dia tsy ho tafavoaka e! Izaho tsy mahavita miezaka intsony.”

  • Tovo: “Noresahin’ny mpampiasa anay tamiko ny zavatra tiany tamin’ny asako. Nanao fahadisoana lehibe vitsivitsy anefa aho. Nandray lesona aho dia hiezaka hanao tsaratsara kokoa amin’ny sisa.”

AHOANA NY HEVITRAO?

  • Iza amin’izy roa lahy no hahay kokoa ny asany rehefa afaka enim-bolana? I Nary sa i Tovo?

  • Raha mpampiasa ianao, iza amin’izy ireo no tianao hiasa ao aminao?

  • Rehefa diso fanantenana ianao, mitovy amin’ny an’i Nary sa amin’ny an’i Tovo ny fihetsikao?

Malahelo be i Rondro sy Bakoly indraindray satria manirery. Samy manana ny fomba iatrehany an’izany anefa izy ireo.

  • Mifantoka be amin’ny tenany i Rondro. Tsy mety manao zavatra ho an’ny hafa izy raha tsy hoe izy ireo aloha no manao zavatra ho azy. Hoy izy: ‘Izaho tsy handany andro hanao zavatra ho an’ny olona tsy afaka mamaly fitia ahy.’

  • Miezaka mafy i Bakoly mba ho tsara fanahy sy hanao zavatra ho an’ny hafa, na mahay mankasitraka izy ireo na tsia. Mampihatra ny voalazan’ny Lioka 6:31 izy, ka izay tiany hataon’ny olona aminy no ataony amin’izy ireo. Tsapan’i Bakoly fa mahasoa azy izany.

AHOANA NY HEVITRAO?

  • Iza amin’izy roa vavy no tianao hatao namana?

  • Iza amin’izy roa vavy no afa-po kokoa rehefa mifandray amin’ny olona?

  • Raha manirery ianao, mitovy amin’ny an’i Rondro sa amin’ny an’i Bakoly ny fihetsikao?

Mety hahafantatra olona mitovy amin’i Tovo sy Bakoly ianao, na ianao mihitsy no mitovy amin’izy ireo. Azo antoka àry fa hitanao hoe misy vokany eo amin’ny zavatra ataonao ny toe-tsainao. Ahoana anefa raha mitovy amin’i Nary na i Rondro ianao? Misy fomba telo ireto hanampy anao hahay hijery lafy tsaran-javatra rehefa misy olana.

 1 AZA MIFANTOKA AMIN-JAVATRA MAHAKIVY

HOY NY BAIBOLY: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.”—Ohabolana 24:10.

INONA NO DIKAN’IZANY? Raha mifantoka amin-javatra mahakivy ianao, dia tsy hanana hery hanatsarana na hiatrehana ny toe-javatra misy anao.

OHATRA: Tsy sambatra i Juliza tamin’izy mbola kely. Nahantra ny fianakaviany ary mpisotro toaka be ny dadany. Nifindra trano foana koa izy ireo. Nieritreritra i Juliza tamin’ny voalohany hoe tsy hisy mangirana mihitsy ny fiainany. Niova anefa izany. Hoy izy: “Nanampy ahy hanatsara ny fomba fijeriko ny Baiboly, na dia talohan’ny nahavitan’i Dada sy Neny niatrika ny olana nahazo azy aza. Mbola manampy ahy hanana toe-tsaina tsara foana ny Baiboly hatramin’izao. Rehefa manao zavatra tsy zakako ny olona, dia miezaka aho hahatakatra ny antony anaovan’izy ireo an’izany.”

Hitan’i Juliza fa misy toro lalana maro ao amin’ny Baiboly. Hanampy anao hiatrika olana izy ireny. Hoy, ohatra, ny Efesianina 4:23: “Hohavaozina hatrany kosa ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo.”

Afaka manova ny fomba fijerinao ianao, arak’io andinin-teny io. Azonao ‘havaozina’ ny toe-tsainao. Ezaka mitohy anefa izany, satria milaza ilay andinin-teny hoe tokony “hohavaozina hatrany” isika.

2 MIFANTOHA AMIN-JAVATRA MAHAFALY

HOY NY BAIBOLY: “Manjombona foana ny andron’ny ory, fa ny olona manana fo falifaly kosa toa manao fety foana.”—Ohabolana 15:15.

INONA NO DIKAN’IZANY? Raha mifantoka amin-javatra mahakivy ianao, dia hahatsiaro ho “ory”, ary toy ny hoe “manjombona” foana ny andronao. Raha mifantoka amin-javatra mahafaly anefa ianao, dia hanana “fo falifaly.” Anao àry ny safidy.

OHATRA: Lasa tsy dia afa-mihetsika sy miteny tsara i Yanko, satria nodidiana imbetsaka izy noho ny fivontosana tao amin’ny atidohany. Kivy be izy nandritra ny taona maro, satria tsapany hoe tsy ho tratrany ny tanjony. Niova anefa izy. Hoy izy: “Tsy mifantoka amin’ny zavatra tsy vitako aho, fa miezaka mieritreritra zavatra mampahery.”

Mamaky andinin-teny ao amin’ny Baiboly, ohatra, i Yanko. Hoy izy: “Manampy ahy hifantoka foana amin’ny lafy tsaran-javatra izany. Mbola mieritreritra an’ireo tanjoko lavitra ezaka ihany aho, nefa izay tanjona kely azoko tratrarina aloha no ifantohako. Rehefa misy zavatra mahakivy ao an-tsaiko dia eritreretiko ireo zavatra be dia be tokony hahafaly ahy.”

Azonao atao koa ny mifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra, toa an’i Yanko. Raha miatrika olana ianao, ohatra hoe aretina, dia mieritrereta hoe: ‘Tsy misy azo antenaina intsony ve? Tena tapi-dalan-kaleha ve aho, sa mbola misy lalan-kivoahana ihany?’ Zavatra tsara foana eritreretina dia tsy hieritreritra zavatra mahakivy ianao.

 3 MANAOVA ZAVATRA HO AN’NY HAFA

HOY NY BAIBOLY: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” —Asan’ny Apostoly 20:35.

INONA NO DIKAN’IZANY? Tena ho afa-po ianao raha tia manome nefa tsy mitady valiny. Noforonina mba hikarakara izay ilain’ny hafa mantsy isika fa tsy izay ilaintsika fotsiny. (Filipianina 2:3, 4; 1 Jaona 4:11) Faly isika rehefa manome ary manampy antsika hiatrika olana izany.

OHATRA: Voan’ny aretin’ny hazondamosina i Josué, ary matetika izy no maheno manaintaina. Tia manampy ny hafa anefa izy. Hoy izy: “Aleoko mitady fomba hanampiana ny hafa eo amin’ny zavatra ilainy andavanandro, toy izay hiteny hoe: ‘Tsy vitako izany.’ Manao zavatra ho an’ny hafa aho dia lasa falifaly foana.”

INONA NO AZONAO ATAO?

Mitadiava hevitra mba hanampiana ny hafa. Raha misy marary, ohatra, ny mpiara-monina aminao, afaka mikarakara sakafo ho azy ve ianao? Misy zokiolona azo ampiana hanao ny raharahany ao an-trano ve?

Rehefa mikarakara zaridaina ny olona iray, dia manala ny ahidratsy izy ary mamafy voa tsara. Hoatr’izany koa atao. Esory ny toe-tsaina ratsy, izay mahatonga anao hifantoka amin-javatra mahakivy. Afafazo kosa ny toe-tsaina tsara, ary manaova zavatra mahatonga anao ho falifaly foana. Hijinja vokatra tsara ianao amin’izay ka ho faly sy ho afa-po, ary ho tsapanao fa manova zavatra ny toe-tsaina.

Misy olona mifady sakafo sasany noho ny fahasalamany. Azonao atao hoatr’izany koa ny toe-tsaina ratsy

Fanampim-panazavana

Nahoana no Mahasoa ny Lalàn’Andriamanitra?

Nohazavain’i Jesosy hoe nahoana isika no mila tari-dalana, ary inona no toro lalana lehibe indrindra.