Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 41

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

Lesona avy Amin’ireo 40 Andro Farany Nijanonan’i Jesosy Tetỳ An-tany

Lesona avy Amin’ireo 40 Andro Farany Nijanonan’i Jesosy Tetỳ An-tany

“Hitan’izy ireo nandritra ny 40 andro izy, ary niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra.”​—ASA. 1:3.

HEVITRA HODINIHINA

Ahoana no azontsika anahafana ny modelin’i Jesosy nandritra an’ireo 40 andro farany nijanonany tetỳ an-tany?

1-2. Inona no nitranga rehefa nankany Emaosy ny mpianatr’i Jesosy anankiroa?

 ALAO sary an-tsaina izay nitranga tamin’ny 16 Nisana taona 33. Vonton’alahelo ny mpianatr’i Jesosy sady nipararetra noho ny tahotra. Nisy roa tamin-dry zareo niala tao Jerosalema dia nankany Emaosy, tanàna kely any amin’ny 11 kilaometatra eo ho eo. Kivy tanteraka izy roa lahy satria novonoina i Jesosy, ilay lehilahy narahin-dry zareo. Hoatran’ny hoe foana mantsy ny zavatra nantenain-dry zareo hoe hataon’ny Mesia. Nisy zava-nitranga tsy nampoizina anefa.

2 Nisy lehilahy nanatona azy roa lahy dia niara-dalana taminy. Notantarain-dry zareo taminy hoe diso fanantenana ry zareo noho izay nanjo an’i Jesosy. Nanomboka niresaka zavatra tsy hohadinoin-dry zareo mihitsy ilay lehilahy avy eo. Nohazavainy “nanomboka hatrany amin’i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra” hoe maninona ny Mesia no tsy maintsy nijaly sy maty. Rehefa tonga tany Emaosy izy telo lahy, dia nolazain’ilay lehilahy amin’izay hoe iza izy: I Jesosy natsangana tamin’ny maty! Eritrereto ange ny hafalian’ireo mpianatra ireo nahafantatra hoe velona ny Mesia e!​—Lioka 24:13-35.

3-4. a) Lasa nanao ahoana ny mpianatr’i Jesosy? b) Inona no hodinihintsika ato? (Asan’ny Apostoly 1:3)

3 Imbetsaka i Jesosy no niseho tamin’ny mpianany nandritra an’ireo 40 andro farany nijanonany tetỳ an-tany. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:3.) Inona ny vokatr’izay tamin’ireo mpanara-dia azy nalahelo be sy natahotra? Lasa falifaly, natoky tena, ary be herim-po ry zareo nitory sy nampianatra momba an’ilay Fanjakana. a

4 Mandray soa isika rehefa mianatra avy amin’io fotoana nampientanentana teo amin’ny fiainan’i Jesosy io. Hodinihintsika ato hoe ahoana no nampiasany an’io fotoana io mba 1) hampaherezana ny mpianany, 2) hanampiana an-dry zareo hahazo kokoa ny Soratra Masina, ary 3) hampiofanana an-dry zareo hiantsoroka andraikitra lehibe kokoa. Hojerentsika koa izay azontsika anahafana an’i Jesosy amin’ireo lafiny ireo.

AMPAHEREZO NY HAFA

5. Nahoana ny mpianatr’i Jesosy no nila fampaherezana?

5 Nila fampaherezana ny mpianatr’i Jesosy. Nahoana? Satria nisy tamin-dry zareo nandao ny tranony, ny fianakaviany, ary ny asany mba hanarahana foana an’i Jesosy. (Mat. 19:27) Ny hafa indray nailikiliky ny fiaraha-monina satria lasa mpanara-dia azy. (Jaona 9:22) Nanao an’izany sorona izany ry zareo satria nino hoe i Jesosy ilay Mesia nampanantenaina. (Mat. 16:16) Rehefa novonoina anefa i Jesosy, dia nanjavona teo ny fanantenany sady vaky fo ry zareo.

6. Inona no nataon’i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy?

6 Azo antoka fa azon’i Jesosy hoe ara-dalàna ny mpianany raha nalahelo satria maty izy. Tsy nieritreritra izy hoe tsy ampy finoana ry zareo. Tamin’ny andro nananganana azy tamin’ny maty mihitsy àry izy no nanomboka nampahery ny namany. Niseho tamin’i Maria Magdalena, ohatra, i Jesosy. Nitomany teo amin’ny fasany i Maria tamin’izay. (Jaona 20:11, 16) Niseho tamin’ny mpianatra roa koa i Jesosy araka ny noresahintsika terỳ am-piandohana, ary niseho tamin’ny apostoly Petera. (Lioka 24:34) Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Jesosy? Diniho izay nitranga tamin’izy niseho tamin’i Maria Magdalena.

7. Hitan’i Jesosy nanao inona i Maria ny marainan’ny 16 Nisana, ary nandrisika an’i Jesosy hanao inona izany araka ny Jaona 20:11-16? (Jereo koa ny sary.)

7 Vakio ny Jaona 20:11-16. Vao marainan’ny 16 Nisana, dia nisy vehivavy tsy nivadika vitsivitsy nankany amin’ilay toerana nasiana ny fatin’i Jesosy. (Lioka 24:1, 10) Andao hojerentsika izay nitranga tamin’i Maria Magdalena, iray tamin’ireo vehivavy ireo. Rehefa teny amin’ilay fasana i Maria dia hitany hoe tsy nisy na inona na inona tao. Nandeha haingana tany amin’i Petera sy Jaona izy mba hitantara an’izany. Nihazakazaka nankany amin’ny fasana àry izy roa lahy, dia nanaraka an-dry zareo izy. Lasa nody izy roa lahy rehefa hitany hoe foana tokoa ilay fasana. I Maria kosa nijanona teo sady nitomany. Tsy fantany hoe nijery azy i Jesosy tamin’izay. Nandinika an’io vehivavy latsa-dranomaso io izy dia tena ontsa ny fony. Niseho tamin’i Maria àry izy. Tsotra nefa nampahery be an’i Maria ny nataon’i Jesosy: Niresaka taminy izy ary nisy asa lehibe nampanaoviny azy. Nasainy nilaza tamin’ireo rahalahiny i Maria hoe natsangana izy.​—Jaona 20:17, 18.

Tahafo i Jesosy ka miezaha hahay handinika sy hangoraka an’izay olona kivy (Fehintsoratra 7)


8. Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy?

8 Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy? Betsaka no azontsika atao mba handrisihana an’ireo rahalahy sy anabavy hanohy hanompo an’i Jehovah. Hahavita an’izany isika raha manahaka an’i Jesosy, ka miezaka hahafantatra an’izay mahazo an-dry zareo sady mangoraka rehefa miresaka aminy. Diniho izay nitranga tamin’ny anabavy atao hoe Jocelyne. Tratran’ny loza ny rahavaviny dia maty. Izao no nolazainy: “Nalahelo be foana aho nandritra ny volana maromaro.” Nisy mpivady nanasa azy ho any an-tranony anefa dia nihaino tsara sady nangoraka azy. Nomen-dry zareo toky koa izy hoe sarobidy amin’Andriamanitra. Hoy i Jocelyne: “Hoatran’ny hoe nampiasain’i Jehovah ry zareo mba hisintona ahy avy tao anaty ranomasina misamboaravoara, dia napetrany tao anaty lakan’aina aho. Lasa te hanompo an’i Jehovah indray aho noho ny fanampian’izy mivady.” Afaka mampahery ny hafa koa isika, raha mihaino tsara rehefa miresaka ny ao am-pony ry zareo sady mangoraka rehefa miresaka aminy. Ny handrisika an-dry zareo hanompo an’Andriamanitra foana no tanjontsika amin’izay.​—Rom. 12:15.

AMPIASAO NY SORATRA MASINA MBA HAMPISAINTSAINANA NY HAFA

9. Inona ny olana natrehin’ny mpianatr’i Jesosy, ary ahoana no nanampian’i Jesosy an-dry zareo?

9 Nino ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatr’i Jesosy sady niezaka mafy nampihatra an’izay voalaza ao. (Jaona 17:6) Nampikorontan-tsaina an-dry zareo anefa ilay hoe novonoina teo amin’ny hazo fijaliana hoatran’ny mpanao heloka bevava i Jesosy. Fantatr’i Jesosy hoe tsy ratsy ny toe-pon-dry zareo, fa nisy tsy azony tao matoa ry zareo nisalasala. (Lioka 9:44, 45; Jaona 20:9) Nampiasa ny Soratra Masina àry izy mba hampisaintsainana an-dry zareo. Ahoana no nanaovany an’izany rehefa niseho tamin’ireo mpianatra roa nankany Emaosy izy?

10. Inona no nataon’i Jesosy mba handresena lahatra ny mpianany hoe izy tokoa no Mesia? (Lioka 24:18-27)

10 Vakio ny Lioka 24:18-27. Mariho fa tsy tonga dia notenenin’i Jesosy azy roa lahy hoe iza izy. Nametraka fanontaniana kosa izy. Fa maninona? Angamba tiany hilaza an’izay tany am-pony sy tany an-tsainy ry zareo. Ary izay mihitsy no nataon’izy roa lahy. Noresahin-dry zareo taminy hoe nanantena ry zareo fa i Jesosy no hanafaka ny Israely tamin’ny tsindry hazo lena nataon’ny Romanina. Rehefa avy nanazava an’izay tsapany ry zareo, dia nampiasa ny Soratra Masina i Jesosy mba hanampiana azy roa lahy hahazo tsara an’izay nitranga. b Nanazava an’ireo fahamarinana ireo tamin’ny mpianatra hafa koa i Jesosy taoriana kelin’izay, tamin’iny hariva iny ihany. (Lioka 24:33-48) Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io?

11-12. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nampianaran’i Jesosy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? (Jereo koa ny sary.) b) Ahoana no nataon’ny mpampianatra Baiboly an’i Nortey mba hanampiana azy?

11 Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy? Voalohany, rehefa mampianatra Baiboly ianao, dia mametraha fanontaniana mety tsara mba hanampiana an’ilay olona hilaza an’izay any an-tsainy sy any am-pony. (Ohab. 20:5) Rehefa azonao izay tsapany dia atoroy azy hoe ahoana no ahitany andinin-teny azo ampiharina tsara amin’ilay zavatra mahazo azy. Miezaha mba tsy hiteny aminy an’izay tokony hataony. Ampiasao kosa ny Soratra Masina mba hampisaintsainana azy, dia ampio izy hahita hoe ahoana no azo ampiharana ny torolalan’ny Baiboly. Diniho ny tantaran’i Nortey, rahalahy iray any Ghana.

12 Nianatra Baiboly i Nortey tamin’izy 16 taona. Nanohitra azy anefa ny fianakaviany, tsy ela taorian’izay. Inona no nanampy azy hianatra foana? Nampiasa ny Matio toko faha-​10 ilay mpampianatra Baiboly mba hanazavana hoe henjehina ny tena Kristianina. Izao no nolazain’i Nortey: “Resy lahatra àry aho hoe nahita ny fahamarinana rehefa nisy nanomboka nanenjika.” Nampiasa ny Matio 10:16 koa ilay mpampianatra mba hampisaintsainana azy, amin’izay izy malina sady manaja tsara rehefa miresaka ny zavatra inoany amin’ny ao an-trano. Te hanao mpisava lalana i Nortey rehefa vita batisa. Ny dadany anefa nanantena hoe hianatra eny amin’ny oniversite izy. Tsy notenenin’ilay mpampianatra an’i Nortey hoe inona no tokony hataony. Nametraka fanontaniana kosa izy dia nampiasa ny torolalan’ny Baiboly mba hampisaintsainana azy. Inona ny vokany? Nanapa-kevitra ny hanompo manontolo andro i Nortey. Noroahin’ny dadany hiala tao an-tranony àry izy. Dia inona no tsapan’i Nortey? Hoy izy: “Tena mino aho hoe nety ny nataoko.” Afaka manampy ny hafa ho lasa Kristianina matotra koa isika raha mampiasa ny Soratra Masina mba hampisaintsainana an-dry zareo.​—Efes. 3:16-19.

Tahafo i Jesosy ka ampiasao ny Soratra Masina mba hampisaintsainana ny hafa (Fehintsoratra 11) e


AMPIOFANO HO LASA ‘LEHILAHY NATAO FANOMEZANA’ IREO RAHALAHY

13. Inona no nataon’i Jesosy mba ho azo antoka hoe ho vita tsara foana ny asan’ny Rainy? (Efesianina 4:8)

13 Nanao tsara ny asa nasain’ny Rainy nataony i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. (Jaona 17:4) Tsy nanana an’izao toe-tsaina izao mihitsy anefa i Jesosy: ‘Raha tianao ho vita tsara ny zavatra iray, dia ianao mihitsy no tsy maintsy manao azy.’ Nampiofana ny hafa hanao an’ilay asa izy nandritra ny telo taona sy tapany nanompoany tetỳ. Nanankinany andraikitra àry ny mpianany talohan’ny niakarany tany an-danitra. Nasainy hikarakara ny ondry sarobidin’i Jehovah ry zareo, dia hitarika ny asa fitoriana sy fampianarana. (Vakio ny Efesianina 4:8.) Nisy tamin’ireo mpianany ireo mety mbola latsaka ny 30 taona. Nanampy an’ireo lehilahy nanokan-tena sy tsy nivadika ary niasa mafy ireo izy, mba hahafeno fepetra ho lasa ‘lehilahy natao fanomezana.’ Ahoana no nanaovany an’izany nandritra an’ireo 40 andro farany nijanonany tetỳ an-tany?

14. Ahoana no nataon’i Jesosy mba hanampiana ny mpianany hihamatotra nandritra an’ireo 40 andro farany nijanonany tetỳ an-tany? (Jereo koa ny sary.)

14 Tsy nisorona i Jesosy nanome torohevitra ny mpianany nefa koa be fitiavana. Hitany, ohatra, hoe mora misalasala ny mpianatra sasany dia nomeny torohevitra. (Lioka 24:25-27; Jaona 20:27) Nilaza koa izy hoe mila mifantoka kokoa amin’ny fikarakarana ny ondry ry zareo, fa tsy amin’ny asa fivelomany. (Jaona 21:15) Nampahatsiahiviny azy ireo hoe tsy tokony hiasa saina be amin’izay tombontsoam-panompoana mety ho azon’ny hafa ry zareo. (Jaona 21:20-22) Nanitsy ny mpianany koa izy rehefa nanana hevi-diso sasany momba an’ilay Fanjakana ry zareo, ary nampiany hifantoka amin’ny fitoriana ny vaovao tsara ry zareo. (Asa. 1:6-8) Inona no azon’ny anti-panahy ianarana avy amin’i Jesosy?

Tahafo i Jesosy ka ampio hahafeno fepetra ireo rahalahy mba hiantsoroka andraikitra fanampiny (Fehintsoratra 14)


15-16. a) Ahoana avy no anahafan’ny anti-panahy an’i Jesosy? b) Inona ny soa azon’i Patrick rehefa nomena torohevitra izy?

15 Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Jesosy? Tsy maintsy manampy sy mampiofana rahalahy ry zareo, anisan’izany ireo mbola tanora, mba hahafeno fepetra hiantsoroka andraikitra lehibe kokoa. c Tsy manantena ny anti-panahy hoe ho tonga lafatra ny olona ampiofaniny. Tokony hanome torohevitra feno fitiavana ry zareo, amin’izay ny rahalahy tanora hahazo traikefa dia hahita hoe tena ilaina ny manetry tena sy mendri-pitokisana ary vonona hanompo ny hafa.​—1 Tim. 3:1; 2 Tim. 2:2; 1 Pet. 5:5.

16 Diniho ny ohatry ny Rahalahy Patrick. Nandray soa izy rehefa nomena torohevitra. Nasiaka sy tsy tsara fanahy izy tamin’ny mbola tanora kokoa, na dia tamin’ny anabavy aza. Nisy anti-panahy matotra nahatsikaritra an’izany fahalemeny izany. Tsy niolakolaka mihitsy izy nanome torohevitra azy nefa koa tsara fanahy. Hoy i Patrick: “Faly aho hoe nanao an’izany izy. Kivy foana aho taloha rehefa nahita rahalahy nahazo tombontsoam-panompoana tiako ho azo. Nanampy ahy tsy hifantoka amin’ny andraikitra na tombontsoam-panompoana ao amin’ny fiangonana anefa ny torohevitr’ilay anti-panahy, fa hifantoka amin’ny hoe mila manetry tena aho dia manompo an’ireo rahalahy sy anabavy.” Dia inona ny vokany? Voatendry ho anti-panahy i Patrick tamin’izy 23 taona.​—Ohab. 27:9.

17. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe natoky ny mpianany izy?

17 Tsy ny hitory ihany ny andraikitra nankinin’i Jesosy tamin’ny mpianany, fa ny hampianatra ihany koa. Mety ho nahatsapa hoe tsy nahafeno fepetra hanao an’izany ireo mpianatra ireo. Nahazo antoka anefa i Jesosy hoe ho vitan’ny mpianany ilay asa. Noresahiny an-dry zareo mihitsy izany. Natoky tanteraka an-dry zareo i Jesosy dia nilaza hoe: “Naniraka ahy ny Ray, dia izaho koa maniraka anareo.”​—Jaona 20:21.

18. Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Jesosy?

18 Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Jesosy? Mizara andraikitra ny anti-panahy ampy traikefa. (Fil. 2:19-22) Azon-dry zareo asaina manadio sy mikojakoja Efitrano Fanjakana, ohatra, ny tanora. Asehon’ny anti-panahy hoe matoky an’izay olona anankinany asa izy, rehefa mampiofana an-dry zareo sady matoky hoe ho vitany tsara ilay asa. Nilaza ny anti-panahy iray vaovao antsoina hoe Matthew fa tena ankasitrahany ny ataon’ny anti-panahy za-draharaha aminy. Mampiofana tsara azy mantsy ry zareo mba hahavitany an’ilay asa anendrena azy sady matoky ry zareo hoe ho vitany ilay izy. Hoy i Matthew: “Nanao fahadisoana aho nefa noraisin’ireo anti-panahy hoe anisan’ny fampiofanana ahy izany ary nampian-dry zareo hihatsara aho. Nandray soa aho vokatr’izany.” d

19. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

19 Nampiasa an’ireo 40 andro farany nijanonany tetỳ an-tany i Jesosy mba hampaherezana, hampianarana, ary hampiofanana ny hafa. Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hanaraka akaiky ny modeliny! (1 Pet. 2:21) Hanampy antsika hanao an’izany izy. Nampanantena mihitsy aza izy hoe: “Hiaraka aminareo foana aho isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.”​—Mat. 28:20.

HIRA 15 Derao ny Lahimatoan’i Jehovah!

a Resahin’ny Filazantsara sy ny boky hafa ao amin’ny Baiboly hoe imbetsaka i Jesosy no niseho tamin’ny mpianany rehefa avy natsangana tamin’ny maty. Niseho tamin’i Maria Magdalena, ohatra, izy (Jaona 20:11-18), tamin’ny vehivavy hafa (Mat. 28:8-10; Lioka 24:8-11), tamin’ny mpianatra 2 (Lioka 24:13-15), tamin’i Petera (Lioka 24:34), tamin’ny apostoly ankoatra an’i Tomasy (Jaona 20:19-24), tamin’ny apostoly anisan’izany i Tomasy (Jaona 20:26), tamin’ny mpianatra 7 (Jaona 21:1, 2), tamin’ny mpianatra 500 mahery (Mat. 28:16; 1 Kor. 15:6), tamin’i Jakoba rahalahiny (1 Kor. 15:7), tamin’ny apostoly rehetra (Asa. 1:4), ary tamin’ny apostoly tany akaikin’i Betania. (Lioka 24:50-52) Mety ho nisy fotoana hafa koa izy niseho tamin’ny mpianany fa tsy resahin’ny Baiboly izany.​—Jaona 21:25.

b Misy lisitry ny faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny jw.org/mg, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Tena i Jesosy Tokoa ve no Mesia Raha Jerena ny Faminaniana Momba ny Mesia?

c Mety ho azo tendrena ho mpiandraikitra ny faritra ny rahalahy mahafeno fepetra na dia 25-30 taona aza. Tsy maintsy hoe anti-panahy efa manana traikefa anefa aloha izy.

d Misy soso-kevitra fanampiny momba ny hoe ahoana no anampiana rahalahy tanora kokoa hahafeno fepetra hiantsoroka andraikitra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Aogositra 2018, p. 11-12, feh. 15-17 sy ny 15 Aprily 2015, p. 3-13.

e SARY: Nampisaintsainina tamin’ny alalan’ny Soratra Masina ny mpianatra Baiboly iray, dia manapa-kevitra izy avy eo hoe hanary ny haingon-trano rehetra fampiasa amin’ny Krismasy.