Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1924​—Zato Taona Lasa Izay

1924​—Zato Taona Lasa Izay

HOY ny lahatsoratra iray tao amin’ny Gazety a (anglisy), Janoary 1924: “Vao miandoha izao ny taona, dia mety raha mitady hevitra hampitomboana ny fanompoany ny zanaky ny Tompo rehetra nanokan-tena.” Tena nanaraka an’izany torohevitra izany ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’iny taona iny. Zavatra roa no nataon-dry zareo: Sahy nanomboka zava-baovao ary tsy natahotra nitory.

SAHY NANOMBOKA NITORY TAMIN’NY RADIO

Efa herintaona mahery ny rahalahy tany amin’ny Betela no nanangana an’ilay radio WBBR, tany Staten Island, New York. Nanapaka hazo ry zareo, dia nanorina trano ngezabe hipetrahan’ny mpiasa sy trano hafa hametrahana fitaovana. Rehefa vita izay, dia nanomboka nanangona ny fitaovana ilaina ry zareo mba hampitana feo amin’ny radio. Nisy olana maromaro anefa.

Sarotra be tamin’ireo rahalahy ny nametaka an’ilay antenina lehibe indrindra tao amin’ilay toerana. Nirefy 91 metatra ilay izy, dia tsy maintsy nahantona teo anelanelan’ny hazo roa mirefy 61 metatra avy. Tsy nety ilay andrana voalohany. Natoky an’i Jehovah anefa ireo rahalahy ireo dia vitany ihany ny nanangana an’ilay izy. Hoy i Calvin Prosser, anisan’ny nandray anjara tamin’ilay tetikasa: “Raha nety ilay andrana voalohany dia ho nidera tena izahay hoe: ‘Jereo fa mahay be isika!’” Nety ihany ilay izy avy eo, dia i Jehovah no nomen’izy ireo voninahitra. Mbola nisy olana hafa anefa.

Nanangana ny iray tamin’ireo andrin’ilay antenina an’ilay radio WBBR

Mbola vaovao be tamin’izany ny fampiasana radio, dia tsy tonga dia hita teny amin’ny mpivarotra ny fitaovana rehetra nilaina. Nahazo fitaovana fampitana feo (na émetteur) tsotsotra tao amin’ilay tanàna anefa ireo rahalahy. Dimanjato watts ilay izy ary efa niasa. Tsy nividy mikrô ry zareo fa mikrô-na telefaonina tsotra no nampiasaina. Indray alina izay, dia nanapa-kevitra ireo rahalahy hoe hanandrana hampiasa ny fitaovana rehetra. Volana Febroary tamin’izay. Inona anefa ny fandaharana halefa? Nanao hiran’ilay Fanjakana aloha ry zareo. Nihomehy i Ernest Lowe rehefa nahatsiaro an’izay nitranga tamin’iny. Niantso mantsy i Rutherford Mpitsara b rehefa naheno an’ilay hira tao amin’ny radiony tany Brooklyn, tany amin’ny 25 kilaometatra niala teo.

Hoy ny Rahalahy Rutherford: “Inona izany feo kadradraka izany? Ajanòny izany hogahoganareo izany!” Menamenatra ireo rahalahy dia nopihiny haingana ilay fitaovana fampitana feo. Resy lahatra anefa ry zareo hoe azo ampiasaina amin’izay ilay fitaovana.

Tamin’ny 24 Febroary 1924 no nalefa tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharana voalohany. Notokanan’ny Rahalahy Rutherford ilay radio, ary nilaza izy fa natao mba “hampandrosoana ny asan’ny fanjakan’ny Mesia” ilay izy. Niteny koa izy hoe ny tanjon’io radio io dia ny “hanampy ny olona tsy an-kanavaka, na inona na inona finoany na antokom-pinoana misy azy, mba hahatakatra hoe miavaka ny fotoana iainantsika raha ny Baiboly no jerena.”

Havia: Rahalahy Rutherford, tao amin’ilay toerana fandraisam-peo voalohany

Havanana: Fitaovana fampitana feo

Tena nahomby ilay fandaharana voalohany. Nampiasaina be ny WBBR nandritra ny 33 taona mba hampitana ny fandaharan’ny fandaminana.

SAHY NIAMPANGA AN’IREO MPITONDRA FIVAVAHANA

Nanao fivoriambe tany Columbus, any Ohio, ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny Jolay 1924. Nisy solontena avy any amin’ny vazan-tany efatra nanatrika an’ilay izy, dia natao tamin’ireto fiteny ireto ny lahateny: Alemà, anglisy, arabo, frantsay, grika, hongroà, iokrenianina, italianina, litoanianina, poloney, rosianina, ary ireo teny skandinavianina. Nalefa tamin’ny radio ny fandaharana sasany, ary nisy gazety iray teo an-toerana nasaina nanao tatitra momba an’ilay fivoriambe isan’andro.

Fivoriambe tany Columbus, Ohio, 1924

Mpanatrika 5 000 mahery no nitory ny alakamisy 24 Jolay. Boky efa ho 30 000 no voazaran’izy ireo, ary fampianarana Baiboly an’arivony no natomboka. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana hoe iny andro iny no “nahafinaritra indrindra tamin’ilay fivoriambe.”

Niavaka koa ny zoma 25 Jolay tamin’io fivoriambe io. Be herim-po ny Rahalahy Rutherford tamin’izay namaky fanambarana niampanga ny mpitondra fivavahana. Hoatran’ny taratasy avy any amin’ny fitsarana ilay izy, ary niampanga ny mpitarika ara-politika sy ara-pivavahana ary ara-barotra hoe “sakanan’izy ireo ny olona tsy hahafantatra ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hanomezana fiainana ho an’ny olombelona.” Voalaza tao amin’ilay fanambarana koa hoe “nanohana ny Fikambanam-pirenena ireo mpitarika ireo, ary lazainy fa io no ampiasain’Andriamanitra hitondra ny tany.” Nila herim-po sy fikirizana ny Mpianatra ny Baiboly mba hitoriana an’izany.

Nanao ahoana ny akon’iny fivoriambe iny? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana: “Tena natanjaka ny finoan’io tafika kelin’ny Tompo io rehefa avy nanatrika an’ilay fivoriambe tany Columbus. Tsy maharesy azy ireo na inona na inona hery na zana-tsipìka mirehitra mety halefan’ny fahavalo.” Izao no notantarain’i Leo Claus, anisan’ny nanatrika an’ilay fivoriambe: “Nazotozoto be izahay hizara an’ilay fiampangana teny amin’ny faritany rehefa vita ilay fivoriambe.”

Ilay taratasy mivalona hoe Voampanga Ireo Mpitondra Fivavahana

Natao pirinty ilay fanambarana nataon’ny Rahalahy Rutherford ary Voampanga Ireo Mpitondra Fivavahana no lohateniny. An-tapitrisany tamin’io taratasy mivalona io no nanomboka nozarain’ny Mpianatra ny Baiboly ny volana Oktobra. Nizara azy io tao amin’ny tanàna kely any Cleveland, any Oklahoma, i Frank Johnson indray mandeha. Efa vita ny anjarany nefa mbola afaka 20 minitra vao ho avy haka azy ny mpitory hafa. Tsy afaka niandry teny ananonanona teny fotsiny anefa izy, satria nitady azy ny olona tezitra tamin’ny zavatra notoriny. Niafina tao amin’ny fiangonana iray teo akaiky teo àry ny Rahalahy Johnson. Hitany hoe tsy nisy olona tao dia nasiany an’ilay taratasy mivalona tao amin’ny Baibolin’ny mpitory teny sy ny seza tsirairay. Nivoaka tao haingana izy avy eo. Mbola nanam-potoana anefa izy dia nanao hoatr’izany koa tao amin’ny fiangonana roa hafa.

Nandeha haingana teny amin’ilay toerana nifanaovany fotoana tamin’ny mpitory hafa i Frank avy eo. Niafina tao ambadiky ny tobin-dasantsy iray izy, dia nijerijery sao dia tratran’ireo olona tezitra taminy. Nandalo tamin’ny aotomobilina tokoa ry zareo fa tsy nahita azy. Vao lasa anefa ry zareo dia tonga naka an’i Frank tamin’ny fiara ny mpitory namany. Avy nitory teo amin’ny tanàna teo akaiky teo ry zareo.

Izao no notantarain’ny iray tamin’ireo rahalahy ireo: “Rehefa nivoaka an’ilay tanàna izahay dia nandalo an’ireo fiangonana telo. Nisy olona 50 teo ho eo teo anoloan’ny fiangonana tsirairay. Ny sasany namaky an’ilay taratasy mivalona, dia ny hafa nampiseho an’ilay izy tamin’ny mpitory teny. Asa izay nahazo anay raha tratra teo izahay! Misaotra an’i Jehovah Andriamanitray anefa izahay satria narovany, sady nataony nahita hevitra mba hialana tamin’ireo fahavalon’ilay Fanjakana ireo.”

SAHY NITORY KOA NY TANY AN-TANY HAFA

Józef Krett

Sahy nitory koa ny Mpianatra ny Baiboly tany an-tany hafa. Nitory tamin’ny mpifindra monina poloney niasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana, ohatra, i Józef Krett, tany amin’ny faritra avaratr’i Frantsa. Nanao fandaharana izy hanao an’ilay lahateny hoe: “Kely Sisa dia Hatsangana ny Maty.” Rehefa nizarana fanasana ny tao an-tanàna, dia nampitandreman’ny pretra ny mpivavaka tao aminy hoe aza misy mandeha any. Vao mainka anefa be dia be no tonga. Nisy 5 000 mahery no nanatrika an’ilay lahateny, anisan’izany ilay pretra! Nasain’ny Rahalahy Krett hiaro ny finoany ilay pretra nefa tsy nanaiky. Voazaran’ny Rahalahy Krett daholo ny boky sy bokikely tany aminy, ary nilaza izy fa nangetaheta ny Tenin’Andriamanitra ny olona.​—Amosa 8:11.

Claude Brown

Nankany Côte-de-l’Or (Ghana ankehitriny), any Afrika, i Claude Brown mba hitory ny vaovao tsara. Vetivety dia niely be tany amin’io tany io ny fahamarinana satria nanao lahateny maromaro sy nizara boky sy gazety izy. Nanatrika ny iray tamin’ireny lahateny ireny i John Blankson. Nianatra mba ho lasa farmasianina izy tamin’izany. Tonga dia fantany hoe io no marina. Hoy i John: “Lasa nafanafana fo be aho noho ny fahamarinana dia niresaka momba an’ilay izy foana aho tany am-pianaranay.”

John Blankson

Nankao amin’ny Eglizy Anglikanina iray i John indray andro mba hanontany an’ilay pasitera tao momba ny Andriamanitra telo izay iray. Efa fantany tsara mantsy hoe tsy araka ny Soratra Masina io fampianarana io. Noroahin’ilay pasitera izy sady notabatabainy hoe: “Tsy Kristianina ianao fa zanaky ny Devoly. ’Ndana mandeha any!”

Nanoratra ho an’ilay pasitera i John rehefa tonga tany an-tranony. Nasainy hanazava momba ny Andriamanitra telo izay iray teo anatrehan’ny besinimaro izy. Nilaza tamin’i John àry ilay pasitera mba ho ao amin’ny biraon’ny lehiben’ny mpampianatra ao amin’ilay sekoly ho an’izay te ho lasa farmasianina. Nanontany azy ilay mpampianatra raha tena nanoratra tany amin’ilay pasitera tokoa izy.

Hoy i John: “Eny tompoko, nanoratra tany aho.”

Nasain’ilay mpampianatra nanoratra taratasy fialan-tsiny tany amin’ilay pasitera i John. Izao àry no nosoratany:

“Tompoko, nasain’ny mpampianatra anay hiala tsiny aminao aho ary efa vonona hanoratra an’ilay taratasy. Hiala tsiny aminao aho raha manaiky ianao hoe diso ny zavatra ampianarinao.”

Gaga be ilay mpampianatra dia nanontany hoe: “Blankson a! Io mihitsy ve no tianao halefa any?”

“Eny tompoko. Io ihany no azoko soratana aminy.”

“Ho voaroaka ange ianao e! Pasitera ao amin’ny fivavahana tohanan’ny fanjakana ve no ataonao an’izao, dia mieritreritra ianao hoe ho tafajanona ato amin’ity sekolim-panjakana ity?”

“Fa hono ho’aho tompoko, ... rehefa ilay mampianatra anay ireny ianao ka misy zavatra tsy azonay, dia tsy mahazo manontany ve izahay?”

“Mahazo ka!”

“Ka izay ihany ange tompoko ilay nataoko e! Nampianatra anay momba ny Baiboly ilay ramose iny, dia nametraka fanontaniana taminy aho. Raha tsy voavaliny ilay izy dia tokony hiala tsiny any aminy aho ve?”

Tsy noroahina indray i Blankson ary tsy nandefa taratasy fialan-tsiny izy.

NIBANJINA NY HOAVY

Izao no namintinan’ny Tilikambo Fiambenana ny asa fanompoana tamin’iny taona iny: “Tena afaka miteny hoatran’i Davida isika hoe: ‘Homenao hery hoenti-miady aho.’ (Salamo 18:39) Tena nampahery ity taona ity satria hitantsika mihitsy ny tanan’ny Tompo. ... Faly nitory ireo tena nanokan-tena ho azy.”

Nieritreritra ny hanitatra ny fitoriana amin’ny alalan’ny radio ireo rahalahy, tamin’ny faramparan’iny taona iny. Nisy trano vaovao naorina àry tany akaikin’i Chicago. Nety tsara ilay soratra hoe WORD, izany hoe TENY, teo ivelan’io radio vaovao io. Fitaovana fampitana feo 5 000 watts no nampiasaina tao amin’ny WORD. Naheno ny hafatra momba an’ilay Fanjakana àry ny olona hatrany amin’ny toerana lavitra be, na dia hatrany avaratra tany Kanada aza.

Hisy tsela-pahazavana hampientanentana ny Mpianatra ny Baiboly tsy ela taorian’izay, izany hoe ny taona 1925. Lasa nazava kokoa tamin’izy ireo ny Apokalypsy toko faha-​12. Hisy ho tafintohina noho io fanazavana vaovao io. Betsaka koa anefa no ho faly satria lasa azon’izy ireo tsara ny zava-mitranga any an-danitra, sy ny vokatr’ilay izy amin’ny vahoakan’Andriamanitra etỳ an-tany.

a Antsoina amin’izao hoe Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana.

b J. Rutherford no nitarika ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany ary nantsoina hoe Rutherford Mpitsara izy. Mpitsara manokana tao amin’ny Fari-piadidiam-pitsarana Fahavalo tany Missouri mantsy izy indraindray, talohan’ny nanompoany tao amin’ny Betela.