Ho An’ny Mpamaky

Ho An’ny Mpamaky

Ry Mpamaky Hajaina,

Misy lahatsoratra fianarana dimy ato amin’ity gazety ity, ary mifandray daholo ny hevitra resahina ao. Ireto avy izany:

  • Voalohany, inona no fandaharana nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika zanany hiady amin’ny ota?

  • Faharoa, inona no nampianarin’i Jehovah antsika momba ny atao hoe tena mibebaka, ary ahoana no nanampiany ny mpanota mba hibebaka?

  • Fahatelo, inona no nasaina nataon’ny fiangonana tany Korinto rehefa nisy nanao fanahy iniana nanota tao nefa tsy nibebaka?

  • Fahefatra, ahoana no ataon’ny anti-panahy amin’izao rehefa misy manao fahotana lehibe?

  • Fahadimy, rehefa misy mpanota tsy mibebaka nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana, dia ahoana no ampisehoan’ny fiangonana hoe mbola tia azy sy mamindra fo aminy ry zareo?