Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! DESAMBRA 2015

 TOPY MASO ERAN-TANY

Maresaka Momba An’i Eoropa

Maresaka Momba An’i Eoropa

Mpivavaka be ny olona tany Eoropa taloha, fa tsy toy izany intsony amin’izao. Mety ho gaga anefa ianao fa misy ifandraisany amin’ny Baiboly ny vaovao tany vao haingana.

Mahasoa ny Feon’ny Reny

Hitan’ny mpikaroka any Milan, any Italia, fa misy vokany eo amin’ny fahasalaman’ny zaza teraka tsy tonga volana ny fandrenesany ny feon’ny reniny. Fitaovana apetaka eo amin’ny hatotanany no ampitana an’izany, amin’ilay izy mbola any amin’ny hopitaly iny. Maheno ny feon’ny reniny ny zaza rehefa ao am-bohoka, ary mitovitovy amin’izany io teknika io. Nilaza ireo mpikaroka fa “mahasoa ny zaza teraka tsy tonga volana ny maheno ny feon’ny reniny raha vao teraka izy.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Efa nampitony sy nifehy ny faniriako aho, toy ny zaza efa nisara-nono eny amin-dreniny.”—Salamo 131:2.

Fitaizana Mampirisika ny Ankizy ho Tia Tena

Nisy fanadihadiana natao tamin’ny ankizy holandey 565. Nolazain’ny ray aman-dreniny hoe “miavaka kokoa noho ny ankizy hafa” izy ireo, ary tokony “hiangarana.” Hita fa tia tena kokoa ireo ankizy ireo sady mihevitra ny tenany ho ambony. Hoy ny iray tamin’ireo nanao fanadihadiana: “Tena mino ny ankizy rehefa tenenin’ny ray aman-dreniny hoe miavaka noho ny ankizy hafa. Mety tsy hahasoa azy ireo sy ny fiaraha-monina anefa izany.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina tsara.”—Romanina 12:3.

Zato Taona fa Mbola be Fanantenana

Mbola te ho velona ny olona efa 100 taona, na dia marary sy tsy afaka manao zavatra firy aza. Izany no tatitra nataon’ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Heidelberg any Alemaina. Mbola te hiaina sy miezaka hankafy fiainana ny telo ampahefatr’ireo 100 taona nohadihadina. Manatratra tanjona izy ireo, be fanantenana sy mijery lafy tsaran-javatra, mahatsapa hoe misy dikany ny fiainana, ary mbola mifikitra amin’ny zavatra inoany sy amin’ny fitsipika momba ny fitondran-tena.

ERITRERETO IZAO: Nahoana isika no te ho velona foana, rehefa jerena ny Mpitoriteny 3:11?

Fanampim-panazavana

Ampio ny Zanakao mba Tsy ho Tia Tena

Mandiniha fomba telo azonao anampiana ny zanakao tsy ho tia tena.

Afaka ny Hiaina Firy Taona Ianao?

Afaka ny hiaina firy taona isika? Mba hamaliana an’izany, dia mila fantarina aloha hoe nahoana isika no mihantitra sy maty.