Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! DESAMBRA 2015

Ireny fa Tonga ny Trozona!

Ireny fa Tonga ny Trozona!

Tonga any amin’ny morontsiraka atsimon’i Santa Catarina, any Brezila, ny trozona vavy tsy misy vombo (Eubalaena australis) rehefa volana Jolay. Avy any akaikin’ny Tendrontany Atsimo, any amin’ny an’arivony kilaometatra, izy ireo, ary tonga mba hiteraka sy hampinono ny zanany any amin’ny ranomasina marivo. Faly erỳ ny mponina sy ny mpizaha tany mitazana an’ireo trozona avy eny amin’ny torapasika na avy eny amin’ny harambato, ka mahita ny reniny sy ny zanany maka aina na milalao ao anaty rano. *

Goavam-be nefa mahay mitsambikina

Mety hahatratra 16 metatra ny trozona vavy tsy misy vombo, izany hoe mitovitovy amin’ny kamiao roa mitambatra, ary mety hilanja hatramin’ny 80 taonina. Mainty ny lokony, ary indraindray misy tasy fotsifotsy eo amin’ny kibony. Ngezabe ny lohany satria ampahefatry ny vatany. Lava ny vavany ary somary boribory. Ny rambony indray mivelatra be. Ahetsiketsiny miaka-midina izy io rehefa milomano izy, fa tsy miankavia miankavanana hoatran’ny ataon’ny trondro hafa. Ny fivoiny no ahetsiny rehefa hiova lalana izy, tsy misy hafa amin’ny fitondrana fiaramanidina.

Mahavita fihetsika samihafa mahavariana io trozona io, na dia goavam-be aza. Apoitrany ela be eny ambony rano, ohatra, ny rambony, na kapohiny mafy be amin’iny ny rano. Indraindray koa izy mitsambikina dia avy eo midoboka be ao anaty rano. Tazana avy lavitra mihitsy ilay rano misavoana, rehefa manao an’izany izy.

Zavatra mampiavaka ny vatany

Marokoroko ny faritra eo ambony sy manodidina ny lohan’io trozona io, satria misy  karazana votsy be dia be manopy fotsy na mavo. Hazandranomasina madinika kely misy akora izy ireny raha ny marina, ary fantatra amin’ny anarana hoe kongon’ny trozona. Hoy i Karina Groch, mpandrindra ny Tetikasa Fiarovana ny Trozona any Brezila: “Tsy misy mitovy ny paozin’ny votsy eo amin’ny trozona tsirairay, toy ny peta-tondron’ny olona izay samy hafa daholo. Ireny votsy ireny no anavahana ny trozona. Alainay sary izy ireny rehefa tonga atỳ aminay ireo trozona, dia tehirizinay.”

Milaza ny mpikaroka fa rehefa maty io trozona tsy misy vombo io, dia sarotra ny mamantatra ny taonany satria tsy misy nify izy. Tombanan’izy ireo ho 65 taona, fara fahakeliny, ny androm-piainan’izy io. *

Ny fomba fihinanany sakafo

Hazandranomasina madinika kely misy akorany no sakafon’io trozona io. Misy volo manify kely be dia be mikirazorazo eo amin’ny andaniny sy ankilany amin’ny valanoranony ambony, dia ireny no anatantavanany ny sakafony. Rehefa milomano izy dia sokafany ny vavany mba hidiran’ny rano, ary sakanan’ireo volo tsy hivoaka ireo haza madinika kely. Mahatratra hatramin’ny roa taonina isan’andro ny hazandranomasina laniny noho izany.

Any akaikin’ny Tendrontany Atsimo ny trozona tsy misy vombo no misakafo rehefa vanin-taona mafana (Janoary/Febroary), ary lasa matevina be ny taviny. Mitahiry hafanana izy io rehefa any amin’ny ranomasina mangatsiaka izy. Io koa no ataony tahirin-tsakafo rehefa mifindra monina izy.

Nahoana izy io no be mpihaza?

Tena be mpihaza ny trozona tsy misy vombo tany amin’ny Ila Bolantany Atsimo, nanomboka tamin’ny taonjato faha-18. Miadana be mantsy izy io rehefa milomano, ka na ny mpihaza nandeha lakana sy tsy nitondra afa-tsy vy maranitra aza nahazo azy. Be loatra koa ny taviny ka mitsingevana izy rehefa maty, fa tsy hoatran’ny trozona hafa. Mora àry ny mitarika azy mankeny amin’ny torapasika.

Entam-barotra nandeha be koa tamin’izany ny tavin’ilay trozona sy ireo volo manify ao am-bavany. Nanaovana menaka sy nampiasaina tamin’ireo jiro teny amin’ny lalana ny taviny. Ireo volo manify kosa nanamboarana ambonin’akanjo sy elo ary karavasy. Ny vidin’ny volo avy amin’ny trozona iray fotsiny dia efa nahasahana ny fandanian’ny olona maromaro miara-manao dia lavitra.

Tena nihavitsy io karazana trozona io teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, satria be mpihaza loatra. Tsy nampidi-bola intsony ny fihazana trozona tatỳ aoriana. Nakatona tamin’ny 1973 ilay toeram-pihazana farany tany Brezila. Mba nitombo kely ny isan’ny karazana trozona sasany taorian’izay, nefa mbola atahorana ho lany tamingana ihany ny hafa.

Hita avy amin’io karazana trozona io fa isan-karazany sy be pitsiny ny zavamananaina eto an-tany. Manaporofo koa izy io hoe tena hendry sy mahery ilay namorona azy, dia i Jehovah Andriamanitra.—Salamo 148:7.

^ feh. 2 Ireto koa misy toerana hafa fitaizan’ny trozona ny zanany: Any akaikin’ny morontsirak’i Afrika Atsimo, Aostralia, Arzantina, Orogoay, ary any amin’ireo nosin’i Auckland.

^ feh. 8 Milaza ny mpahay siansa fa misy karazany telo io trozona tsy misy vombo io. Ankoatra ny Eubalaena australis any amin’ny Ila Bolantany Atsimo, dia eo koa ny Eubalaena glacialis sy ny Eubalaena japonica any amin’ny Ila Bolantany Avaratra.