Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! DESAMBRA 2015

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Ny Maty

Ny Maty

Samy manana ny zavatra ampianariny momba ny maty ny fivavahana, ary mifanohitra izy ireny matetika. Mazava tsara anefa ny fanazavana omen’ny Baiboly.

Mankany ankoatra ve ny olona rehefa maty?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Betsaka no mino hoe mankany ankoatra ny olona rehefa maty. Ny olona sasany indray mino hoe mankany an-danitra ny tsara fanahy, ary mijalijaly any amin’ny afobe ny ratsy fanahy.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Tsy milaza ny Baiboly hoe mankany ankoatra isika rehefa maty. Tsy manana fanahy tsy mety maty isika, fa lasa vovoka fotsiny. Rehefa nanonona didim-pitsarana tamin’i Adama Andriamanitra, dia nilaza fa hiverina ho vovoka izy, ka tsy hisy aina hoatran’ilay vovoka nanamboarana azy.

“Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.”Genesisy 3:19.

Manao ahoana ny olona rehefa maty?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana.” (Mpitoriteny 9:10) Marina izany satria rehefa maty ny olona dia simba ny vatany, anisan’izany ny atidohany. “Miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.” (Salamo 146:4) Tsy afaka manao na inona na inona ny maty. Izany no mahatonga ny Soratra Masina hampitovy azy ireny amin’ny olona “matory.”—Matio 9:24.

NAHOANA IZANY NO TSARA HO FANTATRA?

Rehefa misy havanao maty, dia lasa saina ianao hoe: Lasa aiza àry izy ireny? Manao ahoana izy ireny any? Mijaly ve? Rehefa fantatsika anefa izay lazain’ny Baiboly hoe tsy mahalala na inona na inona ny maty, dia lasa matanja-tsaina indray isika. Mahazo toky mantsy isika hoe tsy mijaly intsony ireny hava-malalantsika ireny.

‘Tsy mahalala na inona na inona ny maty.’Mpitoriteny 9:5.

 Mbola ho velona indray ve ny maty?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Mampanantena i Jehovah Andriamanitra fa hatsangany amin’ny maty ireo olona ao anatin’ny fitadidiany. Ho afaka hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana izy ireo amin’izay. Mbola matory ao amin’ny fahafatesana anefa aloha izy ireo, mandra-pahatongan’ny fotoana hameloman’Andriamanitra azy indray. Tsy andrin’i Jehovah ny hampiasany ny heriny mba hamelomana indray an’ireny maty ireny. Mampahery antsika ny mahalala fa mbola hamoha an’ireo efa nodimandry i Jehovah, ka ho velona indray izy ireny amin’ny hoavy.—Asan’ny Apostoly 24:15.

“Manantena amin’Andriamanitra aho, araka izay antenain’izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”Asan’ny Apostoly 24:15.

Fanampim-panazavana

Lainga 3: Lozabe Andriamanitra

Maro no mino fa sazin’Andriamanitra mandrakizay ny mpanota. Ratsy fanahy toy izany ve izy? Inona no tena mitranga rehefa maty ny olona?

Inona no Atao hoe Fitsanganana Amin’ny Maty?

Mety ho gaga ianao rehefa mahalala hoe iza avy no hatsangana amin’ny maty.