Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JOLAY 2015

 NISY NAMORONA VE?

Ny Valanoranon’ny Voay

Ny Valanoranon’ny Voay

NY VOAY no biby mafy kaikitra indrindra. Avo telo heny noho ny hamafin’ny kaikitry ny liona na ny tigra, ohatra, ny hamafin’ny kaikitry ny voain-dranomasira any Aostralia. Mbola miavaka koa anefa ny valanoranony. Mora mahatsapa zavatra izy io, ka na ny tendron’ny rantsantanantsika aza tsy mahatoraka azy. Ahoana no ahavitany an’izany nefa ny hodiny matevina be?

Misy retsika an’arivony ao amin’ny valanoranon’ny voay. Hoy ilay mpikaroka atao hoe Duncan Leitch: “Lavaka iray ao amin’ny karandohan’ny voay no ivoahan’ireo selam-pitatitra.” Voaro àry izy ireo rehefa manao ny asany. Miara-miasa amin’ny retsika ireo selam-pitatitra ireo, ka izany no mahatonga an’ilay valanorano ho mora mahatsapa zavatra. Tena mahery io fahatsapana io any amin’ny faritra sasany ao amin’ny valanoranony, ka tsy misy fitaovana mahavita mandrefy azy. Tsy mahagaga raha hain’ny voay tsara ny manavaka ny sakafo sy ny fakofako ao am-bavany. Vitany koa ny mitondra ny zanany kely ao am-bavany nefa tsy atahorana ho voakaikitra izy ireo. Tena mahavariana ny valanoranon’ny voay, satria sady matanjaka no mora mahatsapa zavatra.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny valanoranon’ny voay, sa nisy namorona? 

Fanampim-panazavana

Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 2: Tena Mitombina ve ny Fampianarana Momba ny Evolisiona?

Diniho ato ireo antony roa tokony handinihana raha marina na tsia ny fampianarana momba ny evolisiona.