Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! DESAMBRA 2014

 FANADINADINANA | STEPHEN TAYLOR

Manazava ny Finoany Ilay Manam-pahaizana Momba ny Kaonty

Manazava ny Finoany Ilay Manam-pahaizana Momba ny Kaonty

Mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversite Momba ny Teknolojia ao Sydney, any Aostralia, i Stephen Taylor. Nandalina momba ny resaka tsenam-bola izy. Nanontany azy momba ny fikarohana nataony sy ny finoany ny Mifohaza!

Nanao ahoana ny fiainanao tamin’ny mbola kely?

Mpivavaka be ny ray aman-dreniko. Tia nanao ny marina sy nazoto niasa izy ireo, ary nasainy nanohy fianarana aho. Nianatra momba ny varotra tany amin’ny Oniversiten’i Nouvelle-Galles Atsimo àry aho. Tiako be ilay izy, ka lasa mpikaroka teny amin’ny oniversite aho.

Dia inona ilay fikarohana?

Tiako ho fantatra ny fandehan’ireny tsenam-bola ireny. Misy mantsy mpanam-bola manana petra-bola ao amin’ny orinasa sasany, ka rehefa mihodina ny volany dia mahazo tombony izy. Mety hivarotra ny anjarany ao amin’ilay orinasa anefa izy, ka hampiasa vola any amin’izay heveriny fa mampidi-bola kokoa. Any amin’ny tsenam-bola no atao izany fividianana sy fivarotana izany. Indraindray lafo kokoa ny mividy anjara ao amin’ny orinasa iray, nefa indraindray ilay izy mora kokoa. Mikaroka ny anton’izany koa aho.

Manomeza hoe ohatra.

Mila manao tatitra an’izay vola miditra aminy ny orinasa tsirairay. Ireny tatitra ireny no dinihin’ny mpampiasa vola, mba hahitana hoe mandroso ve ny orinasa iray ka azony ampiasana vola. Miovaova anefa ny fomba anaovan’ny orinasa an’ilay tatitra. Milaza àry ny mpanao tsikera fa azon’ny orinasa afenina izay tena vola miditra aminy. Dia ahoana no hahafantaran’ny mpampiasa vola ny tena marina? Ary inona no tokony ho fantatry ny mpanara-maso avy amin’ny fanjakana, mba ho ara-dalàna ny fandehan’ny tsenam-bola? Mikaroka ny valin’izany  izao izahay sy ny mpiara-miasa amiko.

Inona ny fivavahanao taloha?

Niangona tany amin’ny Eglizy Presbyterianina niaraka tamin’ny ray aman-dreniko aho, tamin’ny mbola kely. Tsy te hivavaka intsony anefa aho rehefa lehibe. Izaho aloha tena nino ny Mpamorona sady nanaja ny Baiboly. Tsy hitako loatra anefa hoe manampy ny olona hamaha olana eo amin’ny fiainany ny fivavahana. Hoatran’ny fikambanana tsotra fotsiny ny fiheverako an’ireny antokom-pivavahana ireny. Nitsidika fiangonana lehibe maromaro aho tany Eoropa, ka lasa ny saiko hoe maninona izy ireny no manankarena be, nefa be dia be izao ny mahantra. Tsy azoazoko ilay izy, ka lasa tsy natokisako daholo ny fivavahana.

Nahoana ianao no niova?

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Jennifer vadiko, ary nanatrika ny fivorian-dry zareo. Nieritreritra àry aho hoe andeha aho hiaraka aminy, dia ho hitako eo izay any. Izay vao fantatro hoe hay izaho ity tsy nahay Baiboly mihitsy! Menatra be aho ka tapa-kevitra fa hianatra Baiboly koa.

Nahavariana ahy ny fomba fianaran’ny Vavolombelona. Rehefa mitady ny valin’ny fanontaniana iray izy ireo, dia mandinika sy manangona porofo aloha. Manatsoaka hevitra mitombina tsara izy ireo avy eo. Hoatr’izany mihitsy no ataoko rehefa manao fikarohana! Natao batisa i Jennifer tatỳ aoriana, ary natao batisa koa aho rehefa afaka taona vitsivitsy, tamin’ny 1999.

Nanampy anao hatoky ny Baiboly ve ny asanao?

Ie. Olana maro misy ankehitriny, ohatra, no ho voavaha, raha ampiharina ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely fahiny. Anisan’izany ireto: Amelana kely amin’ny vokatra azo ny olona mahantra (karazana hetra izany, na koa fiantohana), avela hitrosa tsy misy zana-bola ny mahantra (fampindramam-bola azo antoka), ary averina amin’izay tena mpandova ny tany namidy, isaky ny 50 taona (fiarovana ny zon’ny mpandova). (Levitikosy 19:9, 10; 25:10, 35-37; Deoteronomia 24:19-21) Antony telo lehibe no tena mahatsara an’ireny lalàna ireny: 1) Mamonjy an’ireo sendra sahirana ara-bola. 2) Manampy ny mahantra hampisondrotra ny fari-piainany. 3) Mampihena ny elanelana misy eo amin’ny manankarena sy mahantra. Tena mahasoa ny vahoaka izany, nefa 3000 taona mahery tatỳ aoriana vao nisy ny mpikaroka momba ny varotra sy toe-karena!

Mampirisika ny olona hanana toetra tsara koa ny Baiboly, ohatra hoe manao ny marina, azo itokisana, miantra ny mahantra, ary malala-tanana. (Deoteronomia 15:7-11; 25:15; Salamo 15) Raha ampiharina izay lazain’izy io, dia handroso ny toe-karena sady hihatsara ny fari-piainan’ny olona. Vao haingana izay, dia nisy olana ara-toe-karena lehibe eran-tany. Taorian’izay àry dia nampanaovina fianianana ireo manam-pahaizana avy amin’ny sekoly sy fikambanana maro, hoe hanao ny marina sy ny rariny foana amin’ny raharaham-barotra. Mbola tsara lavitra noho izany ny manaraka ny fitsipiky ny Baiboly, araka ny hevitro.

Nihatsara ve ny fiainanao?

“Tsy niditra fatiantoka” mihitsy aho rehefa nianatra Baiboly, fa nahazo tombony be aza

Ny vadiko aloha miteny hoe tsy hentitra be intsony, hono, aho e! Taloha mantsy aho tsy nanaiky mihitsy raha tsy nety be izay zavatra atao. Izaho koa tsy mba azo nifanarahana, fa rehefa tsy marina amiko dia tsy maintsy diso. Izany angamba no nahatonga ahy hahay kaonty! Lasa nahay nandanjalanja anefa aho rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Falifaly kokoa aho izao, ary hitako koa fa sambatra ny vady aman-janako. Tena tianay ny miresaka amin’ny olona momba ny fahendrena ao amin’ny Baiboly. “Tsy niditra fatiantoka” mihitsy aho rehefa nianatra Baiboly, fa nahazo tombony be aza.