Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! DESAMBRA 2014

 MATOAN-DAHATSORATRA

Inona no Tokony ho Fantatrao Momba ny Aretin-tsaina?

Inona no Tokony ho Fantatrao Momba ny Aretin-tsaina?

Hoy i Claudia: ‘Saika torana aho rehefa nilaza ny dokotera hoe misy tsy mety, hono, ao amin’ny saiko. Mafy be tamiko ilay izy, satria hoatran’ny zavatra mahamenatra izany lasa marary saina izany.

Hoy i Mark, vadin’i Claudia: ‘Sarotra be ny nanaiky an’ilay izy. Tonga saina anefa aho hoe izay hanampiana ny vadiko izao no tena tokony hoeritreretiko.’

RAHA miteny aminao ny dokotera hoe voan’ny aretin-tsaina ianao na ny olona akaiky anao, ahoana no mety ho tsapanao? Soa ihany fa azo tsaboina tsara ny aretin-tsaina. Andeha isika handinika zavatra vitsivitsy tokony ho fantatrao. *

 Ny tokony ho fantatrao

‘Olona be dia be eran-tany no voan’ny aretin-tsaina na manana havana marary saina. An-jatony tapitrisa no efa tratran’izy io, ary olona iray ao anatin’ny efatra no atahorana mbola ho voa. Ny hakiviana no tena mahatonga ny olona ho voan’ny aretin-tsaina, eran-tany. Anisan’ny mafy indrindra amin’izany ny karazan’aretin-tsaina mahatonga an’ilay marary handre feo na hahita zavatra tsy tena misy. Misy marary koa mbetika faly be mbetika kivy be, na indraindray mafana fo be ary indraindray kamo be. Betsaka ny olona marary saina, saingy tsy mety manaiky an’izany ny ankamaroany ka tsy voatsabo. Maro koa no ailikiliky ny olona.’—Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS).

Milaza ny OMS fa maro ny olona marary saina tsy mety manatona dokotera satria menatra.

Na dia azo tsaboina tsara aza ny aretin-tsaina, dia namoaka tatitra ny fikambanana iray fa tsy nahazo fitsaboana ny 60 isan-jaton’ny olon-dehibe voan’izy io, sy ny 50 isan-jaton’ny tanora 8 ka hatramin’ny 15 taona, tamin’ny taona lasa.

 Fantaro ny atao hoe aretin-tsaina

Milaza ny manam-pahaizana fa marary saina ny olona iray rehefa tsy hainy ny mifehy ny fihetseham-pony sy ny eritreriny, tsy miasa tsara koa ny sainy, ary lasa manaonao foana izy. Matetika ilay marary no lasa tsy mahay mifandray amin’olona sy tsy mahavita miatrika ny fiainana.

Tsy hoe ratsy toetra akory ilay olona dia lasa narary saina. Tsy fahadisoany ilay izy

Tsy mitovy ny fisehon’ilay aretina, arakaraka ny zavatra iainan’ilay olona. Misy maharitra ela be fa misy kosa vetivety ihany, ary misy koa mahery be fa misy indray eo ho eo ihany. Mety ho voan’izy io daholo na lahy na vavy, na kely na lehibe, na mahantra na manankarena, ary na inona na inona fiaviany, na fivavahany, na fianarana vitany. Tsy hoe ratsy toetra akory ilay olona dia lasa narary saina. Tsy fahadisoany ilay izy. Afaka ny ho sitrana soa aman-tsara izy raha voatsabo, ka hanana fiainana mahafinaritra sy misy dikany.

Fitsaboana aretin-tsaina

Karazana aretin-tsaina maro no azon’ny dokotera sitranina tsara. Ny tena tokony hatao voalohany àry dia ny manatona manam-pahaizana manokana, izay efa manana traikefa amin’ny fitsaboana aretin-tsaina.

Tokony hanaiky hotsaboina anefa aloha ilay marary. Marina fa mety hahasadaikatra ny hiresaka momba an’ilay aretina. Mila dokotera mahay anefa izy mba hanazava tsara aminy an’izay mahazo azy, sy hanampy azy hiatrika ny fiainany isan’andro, ary hampirisika azy hanohy foana an’ilay fitsaboana fa tsy ho kivy. Tokony hisy namana na fianakaviana akaiky hiaraka aminy rehefa miresaka amin’ilay dokotera izy, mba hanome toky sy hampahery an’ilay marary.

Olona maro voan’ny aretin-tsaina no lasa nanana fiainana ara-dalàna, rehefa azony tsara izay mahazo azy sady arahiny tsara ny toromariky ny dokotera. Hoy i Mark, vadin’i Claudia: “Tsy tena nahafantatra momba ny aretin-tsaina izahay, raha tsy efa nozahan’ny dokotera ny vadiko. Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa fantatray ny tokony hatao ary hainay ny niatrika an’ilay izy. Ireo mpitsabo nikarakara anay koa tena nahay, ary nanampy anay ny fianakavianay sy ny namanay.”

Ny tena tokony hatao voalohany dia ny manatona manam-pahaizana manokana, izay efa manana traikefa amin’ny fitsaboana aretin-tsaina

Niaiky i Claudia hoe: “Kivy aho tamin’ny vao naheno an’ilay izy, satria hoatran’ny  hoe tsy ho afaka hanao na inona na inona intsony. Marina aloha fa lasa voafetra ny zavatra vitanay mivady. Hitako anefa fa mety ho voavaha foana na dia ny olana toa ngezabe aza. Arahiko tsara fotsiny ny toromariky ny dokotera. Miezaka koa aho mba hifandray tsara amin’olona, sady tsy hanahy be momba ny hoavy fa izay androany ihany aloha no eritreretiko.”

Mila an’Andriamanitra ianao

Marina aloha fa tsy hoe ho sitrana ho azy izay olona miezaka mianatra Baiboly sy mivavaka. Fianakaviana maro eran-tany anefa no nahazo fampaherezana rehefa nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Manome toky, ohatra, ny Baiboly hoe tena tia antsika ny Mpamorona, sady te hanampy manokana an’ireo“ketraka” sy “torotoro fo.”—Salamo 34:18.

Tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly, nefa misy torohevitra tena azo ampiharina ao anatiny. Afaka manampy antsika àry izy io, mba hiatrika an’izay aretina mampijaly antsika sy izay alahelo mila tsy ho zakantsika. Mampanantena koa ny Tenin’Andriamanitra fa tena ho tsara ny fiainana eto an-tany amin’ny hoavy. Hoy ny Isaia 35:5, 6: “Amin’izany fotoana izany, dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hatao mandre ny sofin’ny marenina. Amin’izany fotoana izany koa dia hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra, ary hihoby ny lelan’ny moana.” Mbola ho foana daholo àry ny aretina sy fahoriana rehetra manjo antsika.

^ feh. 5 Tafiditra amin’ny olona “marary saina” resahina ato ny olona mikorontan-tsaina na lasa manaonao foana, na koa ny ankizy lasa maditra loatra satria misy tsy mety ao amin’ny sainy.

^ feh. 32 * Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza! Anjaran’ny Kristianina tsirairay ny mitandrina, mba tsy hifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fitsaboana arahiny.

^ feh. 40 # Jereo koa ilay lahatsoratra hoe “Adin-tsaina Foana ve no Iainanao?”, tao amin’ny Mifohaza! Mey 2014.