Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! NOVAMBRA 2014

Tetezan-drano Mahavariana Namboarin’ny Romanina

Tetezan-drano Mahavariana Namboarin’ny Romanina

BETSAKA ny zava-bitan’ny olona tamin’ny andro fahiny, fa anisan’ny niavaka indrindra ireo tetezan-drano namboarin’ny Romanina. Hoy i Sextus Julius Frontinus (taona 35-103 tany ho any), governora romanina sady mpiandraikitra ny rano: ‘Natao lehibe sady maro ireo tetezan-drano, satria tena ilaina izany mba hampidirana rano be dia be. Fa jereo ange ny piramida na ny zavatra naorin’ny Grika e! Anarany fotsiny no mba hoe malaza, nefa tsy misy ampiasana azy akory!’ *

Inona no nilana azy ireny?

Matetika ny tanàna fahiny no naorina tamin’ny toerana be rano. Ampy tsara an’i Roma, tamin’ny voalohany, ny Reniranon’i Tibre sy ireo loharano nanodidina. Nitatra be anefa ny faritanin’i Roma taorian’ny taonjato fahefatra Talohan’i Kristy (T.K.), ka be kokoa ny rano nilaina.

Vitsy ihany ny olona afaka nampiditra rano tao an-tranony tamin’izany, ka nanamboatra dobo fandroana an-jatony ny Romanina. Nisy tamin’izy ireny fananan’olona manokana fa nisy kosa ho an’ny besinimaro. Avy amin’ilay lakandrano atao hoe Aqua Virgo ny ranon’ilay dobo fandroana ho an’ny besinimaro voalohany tao an-tanànan’i Roma. Tamin’ny 19 T.K. no notokanana io lakandrano io. Namana akaikin’i Aogosto Kaisara, antsoina hoe Marcus Agrippa no nanao azy io. Nanome vola tsy toko tsy forohana izy, mba hanitarana sy hanatsarana an’ireo tetezan-drano izay mamatsy rano an’i Roma.

Lasa toerana falehan’ny olona maro ireny dobo ireny. Teny akaikin’ireo dobo lehibe aza nasiana zaridaina sy fitehirizam-boky mihitsy. Rehefa avy mandalo ao amin’ny dobo ny rano avy amin’ireo tetezan-drano, dia mivarina any amin’ny fantsona fanarian-drano maloto. Voadio foana àry izay loto any amin’ireny fantsona ireny, anisan’izany ny loto avy amin’ny kabine any amin’ireo dobo.

Fanorenana sy fikojakojana

Inona no ao an-tsainao rehefa maheno hoe “tetezan-drano namboarin’ny Romanina”? Tetezana lava sy avo be ve, ary misy hoatran’ny tionelina fohy kely be dia be ao  ambaniny? Ho gaga angamba ianao raha ilazana fa ny 20 isan-jaton’ny tetezan-drano ihany no hoatr’izany. Ny ankamaroany kosa any ambanin’ny tany. Voaro amin’ny rivotra sy ny orana ilay izy amin’izay, sady tsy mandany vola loatra ny manorina azy. Amin’izay koa tsy voahelingelina loatra ny fambolena sy ny fiainan’ny olona. Ohatra amin’izany ny lakandrano Aqua Marcia, vita tamin’ny 140 T.K. Mirefy 92 kilaometatra izy io, kanefa 11 kilaometatra ihany no tetezana avo.

Inona avy no atao alohan’ny hanamboarana tetezan-drano? Jerena aloha ny hadion’ilay rano sy ny habetsahany ary ny tsirony. Dinihina koa hoe salama tsara ve ny mponina misotro an’ilay rano. Raha mety tsara ireo rehetra ireo, dia jerena amin’izay hoe: Aiza ny lalana tokony handalovan’ilay tetezan-drano? Hoatran’ny ahoana ny fitongilanan’ny fantsona hatao eo, sy ny habeny ary ny halavany? Azo inoana fa andevo no tena nanao ny asa. Taona maro vao vita ny fanorenana, ka vola be no lany, indrindra raha tsy maintsy asiana tetezana avo ilay izy.

Mila kojakojaina sy arovana koa ireo lakandrano. Nisy fotoana aza, olona 700 teo ho eo no nampiasaina mba hikarakara an’ireo tetezan-drano tao Roma. Tonga dia natao izay hanamora ny fikojakojana an’ireny lakandrano ireny tamin’izy vao naorina. Nasiana lavaka sy lalana kely, ohatra, izy ireny, mba handehanan’ny mpiasa hikojakoja an’ilay izy. Azo avily lalana koa ny rano indraindray, raha misy fanamboarana lehibe mila atao.

Tetezan-drano an-tanàn-dehibe

Efa nisy tetezan-drano lehibe 11 tao an-tanànan’i Roma, rehefa nanomboka ny taonjato fahatelo. Ilay antsoina hoe Aqua Appia, naorina tamin’ny 312 T.K. no vita voalohany. Mirefy 16 kilaometatra izy io, ary saika any ambanin’ny tany avokoa. Mbola hita any ny ampahan’ny lakandrano Aqua Claudia, izay mirefy 69 kilaometatra. Misy tetezana ny 10 kilaometatra amin’izy io, ary tena avo ilay izy satria mahatratra 27 metatra!

Rano firy litatra no zakan’ireny tetezan-drano ireny? Be dia be mihitsy! Rano 190 tapitrisa litatra isan’andro, ohatra, no ampidirin’ny Aqua Marcia ao an-tanànan’i Roma. Raha vao tafiditra ao an-tanàna ilay izy, dia mitsotsorika ho azy mankany amin’ny siniben-drano. Mandeha ihany ilay izy ka tonga any amin’ny fitoeran-drano kely kokoa, ary avy eo mizarazara any amin’izay andefasana azy. Tena be dia be mihitsy ny rano ampidirin’ireny tetezan-drano ireny, ka voalaza fa rano arivo litatra isan’andro no azon’ny olona tsirairay ampiasaina.

Milaza ny boky iray fa rehefa nahazo faritany vaovao ny Fanjakana Romanina, dia nanamboatra tetezan-drano tany amin’ireny toerana ireny koa. Ohatra hoe tany Afrika Avaratra, Azia Minora, Espaina, ary Frantsa. Mpitsidika maro no mbola mitolagaga mahita an’ireny tetezan-drano mahavariana ireny! 

^ feh. 2 Tsy ny Romanina no nanamboatra lakandrano voalohany. Efa nanao an’izany talohan’izy ireo, ohatra, ny Asyrianina, Ejipsianina, Indianina, ary Persianina.