Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fahadiovana

Fahadiovana

Ankasitrahan’Andriamanitra ihany ve isika raha maloto?

“Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina.”—2 Korintianina 7:1.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tia antsika ny Mpamorona, ka tiany isika mba ho salama tsara sy ho ela velona ary hankafy fiainana. Hoy izy: “Aoka ny fonao hitandrina ny didiko fa ho lava andro sy ho maro taona iainana ianao ary hiadana.” (Ohabolana 3:1, 2) Tena be fitiavana izy raha jerena ny lalàna nomeny ho an’ny Israely, momba ny fahadiovana sy ny fanariana maloto. (Deoteronomia 23:12-14) Nahasoa ny Israelita ireny fitsipika ireny, fa tsy naneritery azy. Salama tsara mantsy izy ireo, fa tsy voan’ny aretina nahazo ny firenen-kafa toa an’i Ejipta, izay tsy mba nanana lalàna hoatr’izany.—Deoteronomia 7:12, 15.

Mahasoa koa ankehitriny ny mankatò an’ilay toro lalan’Andriamanitra hoe “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo.” Tafiditra amin’izany ny hoe tsy miboboka toaka sy tsy mifoka sigara na rongony. Ho salama kokoa sy tsy hikorontan-tsaina izay mankatò an’izany, ary tsy ho faty aloha be. Manaja ny hafa koa isika, raha manaraka ny lalàn’Andriamanitra ka miezaka hadio ara-batana.—Marka 12:30, 31.

 Tian’Andriamanitra ve ny olona maloto fitondran-tena?

“Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy. Ireo zavatra ireo no mampahatezitra an’Andriamanitra.” —Kolosianina 3:5, 6.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Mila manadio ny tenantsika isika, mba “ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina.” Tamin’ny andron’i Jesosy, dia mpitondra fivavahana sy Jiosy maro no sarotiny be tamin’ny fahadiovana ara-batana, nefa tsy niraharaha ny lalàna momba ny fitondran-tena. (Marka 7:1-5) Nanameloka an’izany i Jesosy, ka niteny hoe: ‘Tsy misy mahaloto ny olona izay zavatra avy eny ivelan’ny tenany ka mandalo ao anatiny, satria miditra ao amin’ny tsinainy izany, dia mivoaka mankany amin’ny lavaka fanariana maloto.’ Hoy kosa izy: ‘Izay mivoaka avy amin’ny olona no mandoto azy. Fa avy ao anatin’ny olona, eny, avy ao am-pony, no ivoahan’ny eritreri-dratsy, dia fijangajangana, halatra, vonoan’olona, fanitsakitsaham-bady, fitsiriritana, fanaovan-dratsy, fitaka, fitondran-tena baranahiny, maso feno fitsiriritana, ary fanaovana hadalana. Ireo zava-dratsy rehetra ireo no mandoto ny olona.’—Marka 7:18-23.

Noharin’i Jesosy tamin’ny kaopy madio ivelany fotsiny ny olona sarotiny be amin’ny fahadiovana ara-batana, nefa tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena.—Matio 23:25, 26.

Sarotra loatra ve ny manaraka ny fitsipiky ny Baiboly?

“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”—1 Jaona 5:3.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY Hoy ny Mika 6:8: “Inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hanetry tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao?” Tsy zavatra sarotra be àry no takin’ny Mpamorona amintsika. Tsy manery antsika koa izy. Raha tia azy isika, dia hankatò azy ary hahafinaritra antsika ny manao izany. (Salamo 40:8) Ahoana anefa raha manao fahadisoana isika? Mamindra fo amintsika izy, satria ‘toy ny iantran’ny ray ny zanany no iantran’i Jehovah an’izay matahotra azy. Fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika’, izany hoe tsy lavorary ka mora manota.—Salamo 103:13, 14.

Raha fintinina àry dia hoe tia antsika Andriamanitra matoa nandidy antsika mba hadio ara-batana sy hadio fitondran-tena. Hendry isika raha mankatò azy, sady afaka manaporofo hoe tia azy.