Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! OKTOBRA 2014

Mpamboly Manana Elatra any Anaty Ala Mikitroka

Mpamboly Manana Elatra any Anaty Ala Mikitroka

MILA mifidy tany tsara sy fotoana mety ny mpamboly, raha te hahita vokatra. Mahagaga anefa fa amin’ny alina no tena atao ny famafazana voa, any amin’ny alan’ny tany mafana. Tsy iza akory ny mpamboly fa ny karazana ramanavy mpihinana voankazo. *

Mamafy voa

Matetika ity karazana ramanavy ity no mandeha mitady sakafo amin’ny alina. Mikaroka eran’ny ala izy ireo, mba hahitana voankazo matsiro na voninkazo misy mamimbony. Sady mihinana izy ireo no mivoaka, ka avoakany izay voa na hoditra voankazo tsy levon’ny vavoniny! Miparitaka eran’ny ala ireny voa ireny, ary maniry avy eo. Mitety voninkazo koa izy ireo, ka mamindra ny vovobony rehefa mitsentsitra mamimbony. Tena mpamboly tokoa ry zareo!

Mandeha lavitra be ireo ramanavy rehefa mitady sakafo amin’ny alina, ka afaka manaparitaka voa amin’ny faritra ngezabe. Mandalo ao amin’ny tsinainy ireo voa ka tonga dia misy “zezika” vita ho azy, izay mahatonga azy ireny haniry tsara! Zavamaniry maro no mila ny ramanavy mba hanaparitaka ny voany, na hanakambana ny lahimbony amin’ny vavimbony.

 Mivezivezy be ny ramanavy mpamboly, ka mila maso mahita tsara sy fahaizana manidina manokana. Mahita kokoa noho ny olona izy ireo ao anaty haizina, ary mahay manavaka loko mihitsy aza. Tsy sahirana mihitsy ry zareo, na mandeha alina na antoandro.

Biby mifankatia

FANTATRAO VE? Tsy mampiasa onjam-peo toy ny ramanavy hafa ny ramanavy mpamboly rehefa mitady sakafo. Izay hitan’ny masony sy fofona reny kosa no amantarany azy. Ngezabe ny masony ka mahita tsara ry zareo amin’ny alina

Tsy miova vady mandra-pahafatiny ny ramanavy mpamboly any Samoa. Rehefa nodinihina ny karazany sasany, dia hita fa mikarakara tsara ny zanany ny ramanavy vavy. Trotroiny eny foana ny zanany mandritra ny herinandro vitsivitsy, ary tsy misara-nono mihitsy raha tsy efa tena lehibe. Hafakely aza ny zavatra hita tamin’ny karazana ramanavy roa. Misy ramanavy “rasazy” mantsy mikarakara ny ramanavy vavy rehefa hiteraka!

Mampalahelo anefa fa atahorana ho lany tamingana ireny ramanavy mpamboly ireny, satria simba ny ala. Tena ratsy ny vokatr’izany amin’ny zavamaniry sasany any amin’ny nosin’i Pasifika Atsimo. Toa tsy mety afindra mantsy ny vovobonin’izy ireny raha tsy misy an’ireo ramanavy. Zava-dehibe tokoa ny asan’ireny mpamboly manana elatra ireny! 

^ feh. 2 Any Afrika, Aostralia, Azia, ary any amin’ny nosy sasany any Pasifika no ahitana an’io karazana ramanavy io.