Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! SEPTAMBRA 2014

 MATOAN-DAHATSORATRA

Mandreraka Anao ve ny Asanao?

Mandreraka Anao ve ny Asanao?

NAHITA asa vaovao i Anil, ka nialany ilay asany taloha. Be karama mantsy ilay asa vaovao, sady mety mba ho lasa sefosefo ao izy. Miasa foana anefa izy hatramin’ny alina be sy ny faran’ny herinandro, ka mahavita adiny 80 isan-kerinandro mihitsy aza. Hoy izy: “Tsy misy tany ipetrahana mihitsy ao am-piasana fa mirotoroto lava. Na inona na inona asa atao, dia izaho foana no iangonan’ny rihitra. Dia tonga saina aho hoe: ‘Inona àry ity nataoko? Ho faty aho raha izao no mitohy.’ ” Vizana tanteraka i Anil. Sady rera-batana izy no rera-tsaina.

Ara-dalàna raha reraka ianao isaky ny avy miasa. Ratsy kosa anefa raha isan’andro lava izao ianao no mahatsiaro ho reraka sy kivy ary tsy mahavita na inona na inona. Matetika ny olona tratran’izany no tsy dia mahavita asa, ary lasa tsy tiany ny asany. Hita tamin’ny fanadihadiana fa rehefa reraka loatra amin’ny asany ny olona dia lasa marary, sady mikorontana ny fihetseham-pony.

Inona no mahatonga ny olona ho vizana loatra hoatr’izany? Misy, ohatra, teren’ny lehibeny hiasa mandritra ny ora maro, nefa kely ny karamany. Mandroso be koa izao ny teknolojia, ka afaka miasa foana ny olona na dia tsy any am-piasana aza. Betsaka àry no tsy mba manana ny fiainany intsony fa miasa lava izao. Misy indray miferinaina be satria matahotra ny ho very asa, na iharan’ny tsy rariny, na miady amin’ny mpiara-miasa, na tsy mba avela hanapa-kevitra fa miandry baiko foana. Indraindray koa tsy fantatry ny mpiasa intsony izay asa hatao aloha satria samy maika daholo.

Indraindray anefa avy amin’ilay olona ihany no mahatonga azy ho reraka loatra amin’ny asany. Te hahazo fisondrotana sy karama be kokoa, ohatra, izy, ka ampitomboiny ny asany. Mihoatra an’izay tokony ho vitany àry ny zavatra enjehiny.

Inona no azonao atao raha izany no mahazo anao? Marina aloha fa mety hieritreritra ianao hoe tsy afa-manoatra. Ireto anefa misy soso-kevitra efatra afaka manampy anao. Ho hitanao fa tena misy ny vahaolana.

 1. FANTARO IZAY ZAVA-DEHIBE AMINAO.

Inona izao no zava-dehibe aminao? Betsaka no mba te hiaraka kokoa amin’ny fianakaviany, sy te ho salama tsara. Sarotra ho anao anefa izany, raha miasa foana ianao.

Rehefa fantatrao tsara hoe inona no zava-dehibe aminao, dia ho vonona handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany ianao, na dia sarotra aza ilay izy, ary na dia hamoizanao zavatra sasany aza. Mety hieritreritra angamba ianao hoe: ‘Marina fa mandreraka be ny asako, nefa izaho ange mila vola e! Tsy afaka miova asa aho na mampihena ny asako.’ Iza tokoa moa no tsy mila vola? Kanefa ohatrinona no heverinao fa antonona, ary izany ve no hamoizanao an’izay zava-dehibe indrindra aminao?

Aza manara-drenirano fotsiny. Samy manana ny zava-dehibe aminy mantsy ny olona. Ny zava-dehibe aminao, ohatra, mety tsy ho zava-dehibe amin’ny mpampiasa anao. Raha ny asa no tena ambony amin’ny olona sasany, dia tsy voatery hanaraka an’izany ianao.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “NA MANAM-BE AZA NY OLONA, DIA TSY MIANKINA AMIN’NY ZAVATRA ANANANY NY AINY.”—LIOKA 12:15

2. MANÀNA FIAINANA TSOTRA.

Tokony hahenanao ny ora iasanao, raha tsy te ho vizana loatra ianao sady hanam-potoana hanaovana an’izay zava-dehibe kokoa aminao. Afaka mandresy lahatra ny mpampiasa anao, ohatra, ianao mba hahena ny asanao. Mety hiova asa mihitsy ianao raha ilaina. Na inona na inona anefa fanapahan-kevitra raisinao, dia mila manitsy ny fandaniana ao an-trano ianao ary manatsotra ny fiainanao. Matokia fa ho vitanao izany, na dia hoatran’ny hoe sarotra be aza.

Ampirisihina hividy zavatra foana ny olona, any amin’ny tany maro, ka hoatran’ny hoe tsy ho sambatra ianao raha tsy be vola sy manan-javatra maro be. Tsy izany anefa no mahasambatra. Ho afa-po sy hanam-potoana hanaovana an’izay tianao kosa ianao raha tsotra ny fiainanao. Ho tianao ve ny hoatr’izany? Ahenao àry ny fandaniana ao an-trano ary manaova tahiry. Aza mitrosa mihitsy raha mbola azo atao. Resaho amin’ny fianakavianao izay zavatra mila ovana, amin’izay ianareo mba mifanampy.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “RAHA MANAN-KANINA SY FITAFIANA ARY FIALOFANA ISIKA, DIA AOKA HIANINA AMIN’IZANY.”—1 TIMOTY 6:8

 3. MIEZAHA HO HENTITRA.

Raha be loatra ny asanao ka tsy vitanao, na misy olana foana ianao ao am-piasana, dia miresaha amin’ny mpampiasa anao. Miezaha hanome vahaolana izay hitanao fa mety aminao sady mety aminy koa. Omeo toky izy fa hataonao tsara ny asanao, araka ny efa nampanantenainao. Resaho aminy izay asa ho vitanao, nefa ataovy mazava tsara aminy izay tsy ho vitanao mihitsy.

Eritrereto mialoha izay mety hitranga. Raha tianao hahena ny ora iasanao, dia tsy maintsy hampihena ny karamanao koa ny mpampiasa anao. Miomàna ihany koa fa mety hiteny izy hoe horoahiny ianao, ka eritrereto mialoha izay havalinao azy. Tadidio fa mora mahita asa kokoa ianao, raha sady mbola miasa no mitady asa.

Aoka hatao hoe manaiky hampihena ny asanao ny mpampiasa anao. Ahoana anefa raha manery anao hiasa be indray izy aorian’izay? Ataovy tsara fotsiny ny asa efa nekenao. Amin’izay ianao afaka mangataka azy hanaja ny fifanarahanareo, anisan’izany ny hoe tsy atao be loatra ny asanao.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “AOKA NY TENINAREO REHEFA ENY DIA ENY, REHEFA TSIA DIA TSIA.”—MATIO 5:37

 4. MBA MIALÀ SASATRA.

Na dia tsy misy olana firy aza ianao any am-piasana, dia tsy maintsy misy foana ny zavatra mampiady saina sy manorisory ary olona sarotra ifanarahana. Manokàna àry fotoana hakana aina sy mba hialana voly miaraka amin’ny fianakavianao. Tadidio fa tsy voatery handaniana vola be ny fialam-boly vao hahafinaritra.

Miaraha amin’ny namanao, ary mitadiava zavatra mahafinaritra hatao, ankoatra ny asanao. Tadidio fa misy vidiny foana ianao, na dia atao aza hoe miova na mihena ny asanao. Hoy ilay boky hoe: Aina sa Vola? (anglisy): “Ny toetra mampiavaka anao no tena zava-dehibe, fa tsy ny asa fivelomanao.” Lasa zava-dehibe loatra eo amin’ny fiainan’ny olona iray ny asany, raha mihevitra izy fa ny asany ihany no mba mahatonga azy hahatsiaro ho misy dikany sy manana ny hajany.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “ALEO FIALAN-TSASATRA ERAN-TANAN’ILA, TOY IZAY ASA MAFY ERAN-TANAN-DROA NEFA TOY NY MISAMBO-DRIVOTRA FOTSINY.”—MPITORITENY 4:6

Vonona hanova ny fiainanao ve ianao mba tsy ho vizana loatra amin’ny asanao? Matokia fa ho vitanao izany. Nahavita an’izany mantsy i Anil, ilay voaresaka tany aloha. Hoy izy: “Niangaviako ilay mpampiasa ahy taloha mba handray ahy hiasa ao aminy indray, dia nanaiky izy. Menatra an’ireo mpiara-miasa tamiko taloha aho, satria efa mba nirehareha erỳ hoe nahita asa be karama. Nihena be koa ny karamako. Milamin-tsaina anefa aho izao, ary lasa manam-potoana kokoa, ka afaka manao an’izay tena zava-dehibe amiko sy miaraka amin’ny fianakaviako.”

Fanampim-panazavana

Iza no Tena Tafita Amin’ny Fiainana?

Aleo afa-po amin’ny fiainana, toy izay toa tafita nefa tsy sambatra akory.

Fa Maninona àry Aho no Nisy?

Olona maro no mihevitra fa ny hahazo vola sy laza no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Misy zavatra lehibe lavitra noho izany anefa.