Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! SEPTAMBRA 2014

 FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Noroahin’i Espaina Ireo Taranaka Arabo

Noroahin’i Espaina Ireo Taranaka Arabo

Tena mampalahelo be ity tantara ity. Voalaza fa ny Eglizy no nampirisika ny fanjakana espaniola tamin’izany fotoana izany. Vakio àry ilay izy dia ho fantatrao izay nitranga.

TIAN’NY mpanjaka tany Espaina ho lasa Kristianina daholo ny olona ao amin’ny taniny, ka hanaraka lalàna mitovy. Efa niova ho Katolika ireo taranaka arabo tany, nefa mbola noheverina ho toy ny tsy mpino ihany. Raha mbola mijanona eo amin’ilay tany, hono, izy ireo dia ho fahotana mahafaty eo imason’Andriamanitra izany. Namoaka didy àry ny fanjakana, taona maro tatỳ aoriana, fa horoahina ry zareo! *

NOTERENA HIOVA FINOANA

Efa taonjato maro no nisy Silamo taranaka arabo, tany Espaina. Nantsoina hoe Mudéjares izy ireo, ary tsy nampijaly azy ireo ny mpitondra katolika. Nekena ho ara-dalàna izy ireo, tany amin’ny toerana sasany, sady navela hanaraka ny fivavahany sy ny fomba amam-panaony ary ny lalàny manokana.

Tamin’ny 1492 anefa dia notafihin’ny Mpanjaka Ferdinand II sy ny Mpanjakavavy Isabella i Grenade. Izy io sisa no faritra nofehezin’ny Silamo tany Espaina. Nilavo lefona ireo Silamo tao ka nanao fifanekena tamin’ny Espaniola. Nifanarahana fa nahazo nanaraka ny fivavahany izy ireo, toa an’ireo Mudéjares. Tsy ela taorian’izay anefa dia nenjehina  sy noterena hiova ho Katolika ireo Silamo isam-paritra. Nikomy izy ireo tamin’ny 1499 satria tsy voahaja ilay fifanarahana. Tonga nampandry tany ny tafi-panjakana, ary noterena hiova finoana na hifindra monina ireo Silamo. Nantsoin’ny Espaniola hoe Moriscos ireo nanaiky hiova finoana ka nijanona tany Espaina.

“SADY TSY TENA KRISTIANINA NO TSY OLOM-PIRENENA VANONA”

Voarara tanteraka ny Fivavahana Silamo tany Espaina, tamin’ny 1526. Betsaka tamin’ireo taranaka arabo anefa no nanaraka ny fivavahany saingy niafina. Mbola nitana an’ireo fomba amam-panaony izy ireo tamin’ny ankapobeny, fa tsy nanahaka ny kolontsaina teo an-toerana.

Na dia niova finoana aza ireo taranaka arabo, dia hita be hoe tsy tena Katolika ry zareo fa nihatsaravelatsihy fotsiny. Tsy nampaninona ny mpitondra anefa izany tamin’ny voalohany. Nampidi-bola ho an’ny fanjakana mantsy izy ireo, satria nanao asa tanana, namboly, ary nandoa hetra. Na izany aza anefa, dia samy tsy tia an-dry zareo na ny mpitondra na ny vahoaka. Ny Eglizy anefa no tena nahatonga izany, satria tsy natoky azy ireo mihitsy.

Tsy nanaiky intsony ny mpitondra, tatỳ aoriana. Namoaka didy ny Mpanjaka Philippe II tamin’ny 1567 fa voarara ny kolontsain’ireo taranaka arabo, ny fomban-drazany, ny akanjo nentim-paharazany, ary ny fitenin-drazany. Nikomy indray àry ry zareo ka nisy ra mandriaka mihitsy.

Telo hetsy eo ho eo ny taranaka arabo noterena hiala tany Espaina. Nijaly be ry zareo tamin’izany

Araka ny mpahay tantara, dia noheverin’ny mpitondra espaniola hoe “sady tsy tena Kristianina no tsy olom-pirenena vanona ny taranaka arabo.” Voaendrikendrika izy ireo hoe niray tsikombakomba tamin’ny fahavalo, izany hoe ny jiolahin-tsambo sy ny Protestanta frantsay ary ny Tiorka, ka nanampy azy ireny mba hanafika an’i Espaina. Sady efa tsy tian’ny olona ny taranaka arabo no natahorana hoe hamadika, ka namoaka didy i Philippe III tamin’ny 1609 fa horoahina izy rehetra. * Novonoina daholo izay nahiahina ho taranaka arabo, nandritra ny taona maro taorian’izay. Tena nahamenatra sy nahatsiravina ilay izy, nefa izany no nahatonga an’i Espaina ho lasa fanjakana katolika tanteraka.

^ feh. 4 Morisques (na Moriscos amin’ny teny espaniola) no iantsoana an’ireo Silamo taranaka arabo, izay niova ho Katolika. Tsy anarana manambany izy io, fa fampiasan’ny mpahay tantara fotsiny. Mbola nijanona tao amin’ny Saikinosy Iberika ireo taranaka arabo ireo, na dia rava aza ny fanjakana silamo farany tao tamin’ny 1492.

^ feh. 12 Milaza koa ny mpahay tantara fa nisy mpitondra espaniola lasa mpanankarena be satria naka an-keriny ny fananan’ireo taranaka arabo.