Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JONA 2014

Mbola Salama ve ny Hihinao?

Mbola Salama ve ny Hihinao?

TENA be dia be mihitsy ny olona marary hihy, eran-tany. Misoko mangina anefa io aretina io, ka mety tsy ho fantatra akory amin’ny voalohany. Izao no lazain’ny Gazety Iraisam-pirenena Momba ny Ativava (anglisy): ‘Maro ny aretin’ny ativava, fa ny aretin’ny hihy no anisan’ny tena mampijaly ny olona.’ Lazain’io gazety io ihany koa fa ‘ratsy be ny vokatr’ilay aretina eo amin’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina satria manaintaina izay voany, tsy mahavita asa, ary tsy afaka misakafo tsara sy miaina ara-dalàna.’ Andeha àry hodinihintsika ny momba an’io aretina miely be io. Hanampy anao hitandrina tsara izany, ka ho salama foana ny hihinao.

Ny tsara ho fantatra

Mandeha tsikelikely ilay aretina. Somary manaintaina aloha ny hihy amin’ny voalohany. (Io ilay antsoina hoe gingivite.) Ahoana no amantarana hoe efa aretina ilay izy? Mandeha ra ho azy indraindray ny hihy. Mety handeha ra koa anefa ilay izy rehefa borosiana ny nify, na koa rehefa kitihin’ny dokotera.

Raha mbola mitohy ihany ilay aretina, dia lasa mihasimba ny nify sy ny selan’ny hihy. (Io indray ilay antsoina hoe périodontite.) Mety tsy hahitana famantarana anefa izy io, raha tsy efa lasa lavitra. Ireto avy, ohatra, ny soritr’aretina fahita matetika: Mihozongozona ny nify na lasa makaka, misy elanelany ny hihy sy ny nify, mamofona ratsy ny vava, mandeha ra ny hihy na koa midina ambany be, ka hoatran’ny hoe mihalava ny nify.

Inona no mahatonga an’ilay aretina?

Betsaka ny mety ho antony mankarary ny hihy, fa ny mateti-pitranga indrindra dia ny bakteria miraikitra amin’ny sisin’ny nify. Raha tsy afaka izy ireny, dia mety hivonto ny hihy. Ahoana raha mbola mitohy ihany izany? Manomboka mihataka amin’ny nify ny hihy, ka lasa misy bakteria matevina eo anelanelany, izany hoe ao ambany hihy na amin’ny sisin’ny nify. Raha vao tafiditra any anefa ny bakteria,  dia lasa manimba ny nify sy ny selan’ny hihy. Rehefa mihamatevina indray ireo bakteria ireo, dia mihamafy tsikelikely. (Io no antsoina hoe tartre.) Sarotra esorina izy amin’izay, satria lasa mafy sady miraikitra amin’ny nify. Vao mainka àry mihasimba ny hihy, rehefa mitranga izany.

Ireto koa anisan’ny mety hankarary ny hihy: Ativava tsy voadio tsara, fanafody mampihena ny hery fiarovana, aretina avy amin’ny virosy, adin-tsaina tafahoatra, diabeta tsy voatsabo, toaka be loatra, paraky, ary sigara. Ho an’ny vehivavy bevohoka, dia anisan’ny mety hahatonga ny aretin’ny hihy indraindray ny hormonina miovaova.

Dia inona no vokany rehefa marary ny hihy? Manaintaina ny ativava, ary mety hiala hatramin’ny nify mihitsy ka tsy hahavita hitsako tsara intsony ilay olona. Mety hiova koa ny endriny sy ny fomba fiteniny. Hitan’ny mpikaroka mihitsy aza fa misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny vatana manontolo ilay aretina.

Inona no tokony hatao?

Voalohany indrindra aloha, dia fantaro hoe efa marary ve ny hihinao. Diniho avokoa ireo famantarana voaresaka tato amin’ity lahatsoratra ity. Raha hitanao fa miseho aminao ny sasany amin’izy ireny, dia manatòna mpitsabo nify mahay, izay afaka hikarakara tsara ny hihinao.

Mbola azo sitranina tsara ny aretin’ny hihy, raha vao manomboka. Ahoana kosa anefa raha efa lasa lavitra ilay izy? Raha izay no mitranga dia mila atao haingana izay hampijanona azy, mba tsy hanimba ny nify sy ny selan’ny hihy manodidina ny nify. Efa manana fitaovana manokana ny mpitsabo. Vitan’izy ireo àry ny manala ny bakteria matevina eo amin’ny nify, na ao ambany hihy izany na eo amboniny, ary na dia efa miraikitra be aza ilay izy.

Aleo anefa misoroka toy izay mitsabo. Mety ho sarotra mantsy indraindray ny manatona mpitsabo nify mahay. Diovy tsara àry ny ativava, sady karakarao tsy tapaka. Ho salama tsara ny hihinao amin’izay!